Isaia 44:1-28

44  “Koa ankehitriny, mihainoa, ry Jakoba mpanompoko,+ ry Israely izay nofidiko.+  Izao no nolazain’i Jehovah Mpanao+ anao sy Mpamolavola+ anao, izay nanampy anao hatrany am-bohoka:+ ‘Aza matahotra,+ ry Jakoba mpanompoko, ry Jesorona+ izay nofidiko.  Fa handatsahako rano izay mangetaheta,+ ary hasiako rano kely mikoriana any amin’ny tany karakaina.+ Handatsahako ny fanahiko ny zanakao,+ ary handrotsahako fitahiana ny taranakao.  Dia hirobona toy ny ahi-maitso+ izy ireo, eny, toy ny hazo aravaha+ eny amoron’ny lakandrano.  Ny anankiray hilaza hoe: “An’i Jehovah aho.”+ Ny anankiray indray hanao ny anarany hoe Jakoba,+ ary ny anankiray kosa hanoratra eo amin’ny tanany hoe: “An’i Jehovah.” Hisy hafa koa haka ny anaram-boninahitra hoe Israely.’+  “Izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpanjakan’ny Israely+ sy Mpanavotra azy,+ eny, Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Izaho no voalohany ary izaho no farany,+ ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.+  Iza no mitovy amiko?+ Aoka izy hiantsoantso ka hilaza sy hampiseho amiko ny porofony.+ Toy ny nataoko hatramin’ny fotoana namoronako ny vahoaka fahiny,+ dia aoka koa izy ireo mba hanambara izay zavatra ho avy tsy ho ela sy izay ho avy rahatrizay.  Aza matahotra ary aza gaga.+ Tsy efa nampahafantariko anareo tsirairay avy ve izany nanomboka tamin’izay fotoana izay? Ary tsy efa nambarako ve izany?+ Ianareo no vavolombeloko.+ Misy Andriamanitra hafa ankoatra ahy ve?+ Tsia, tsy misy Vatolampy hafa.+ Tsy mahafantatra aho na iray aza.’”  Zava-poana avokoa ny mpanao sary sokitra,+ ary tsy hisy hilana azy ny sampy iraiketan’ny fony.+ Tsy mahita na inona na inona, na mahalala na inona na inona+ ny vavolombelon’izy ireo, mba hahatonga azy ireo ho menatra.+ 10  Iza no namorona andriamanitra na nandrendrika metaly ka nanao sarivongana?+ Tsy nisy nilana azy mihitsy anefa izany.+ 11  Ho menatra avokoa ny mpiara-miasa aminy.+ Olombelona ihany mantsy ireo mpanao asa tanana. Ho tafangona izy rehetra+ ary tsy hahahetsika. Ho raiki-tahotra izy ireo sady ho menatra avokoa.+ 12  Mampiasa antsy fanaovana sokitra ny mpanefy vy, ary somokotra manefy vy eo amin’ny afon-tsaribao. Manamboatra izany amin’ny marotoa izy, ka somokotra erỳ miasa amin’ny herin-tsandriny.+ Noana indray anefa izy ka lany hery. Tsy nisotro rano izy ka reraka. 13  Ny mpanao sokitra hazo kosa manenjana ny tady fandrefesana. Manao soritra amin’ny tsaoka mena izy, dia mampiasa fandraka, ary mampiasa kômpà mba hanaovana soritra eo amin’ilay hazo. Amboariny tsikelikely haka endrik’olona+ izany, eny, ataony tsara tarehy tahaka ny olombelona, mba hapetraka ao an-trano.+ 14  Misy olona mpikapa hazo sedera. Mifidy karazan-kazo goavam-be izy, dia avelany ho lehibe tsara miaraka amin’ny hazo any an’ala izany, mba hampiasainy.+ Namboly hazo lorie koa izy, ary ny ranonorana no mampaniry izany. 15  Ataon’olona kitay izany, ka akany hamindroana. Mandrehitra afo izy ka manao mofo. Manamboatra andriamanitra hiankohofany koa anefa izy.+ Eny, ataony sary sokitra+ izany ary iankohofany. 16  Ny antsasak’ilay hazo dia dorany ary itonoany hena hohaniny, ka voky izy. Mamindro koa izy ka miteny hoe: “Mafana aho izany! Mijery ny afo eto aho.” 17  Ny ambiny kosa amboariny ho andriamanitra ka ataony sary sokitra. Miondrika sy miankohoka eo anatrehan’izany izy ka mivavaka aminy hoe: “Vonjeo aho fa andriamanitro ianao.”+ 18  Tsy mahalala+ na mahafantatra+ izy ireo, satria voasarona ny masony mba tsy hahita,+ ary ny fony mba tsy hanam-pahalalana.+ 19  Koa tsy misy mahatsiaro ao am-pony+ izy ireo na manam-pahalalana na misaina,+ ka manao hoe: “Ny antsasany nodorako, ary teo ambony vainafo no nanaovako mofo. Nitono hena aho ka nihinana. Koa ny ambiny ve dia hataoko zava-maharikoriko?+ Hazo maina ve dia hiankohofako?” 20  Mihinan-davenona+ izy. Voafitaka ny fony ka nampaniasia azy.+ Tsy mamonjy ny ainy izy, sady tsy milaza hoe: “Tsy fitaka fotsiny ve ity eto an-tanako ankavanana ity?”+ 21  “Tsarovy izany zavatra izany, ry Jakoba+ sy Israely ô, satria mpanompoko ianao.+ Izaho no nanao anao,+ ka mpanompoko ianao. Tsy hohadinoiko ianao,+ ry Israely ô! 22  Hokosehiko ny fahadisoanao toy ny hoe hosaronana rahona,+ ary hokosehiko ny fahotanao toy ny hoe hosaronana rahona matevina. Koa miverena amiko+ fa havotako ianao.+ 23  “Mihobia, ry lanitra,+ fa nanao zavatra i Jehovah!+ Manaova horakora-pandresena,+ ry faritra lalina indrindra amin’ny tany!+ Mifalia, ry tendrombohitra,+ ary mihobia, ry ala sy ny hazo rehetra any! Fa efa navotan’i Jehovah i Jakoba, ary asehony eo amin’i Israely ny hatsaran-tarehiny.”+ 24  Izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpanavotra+ anao sy Mpamolavola anao hatrany am-bohoka: “Izaho Jehovah no manao ny zava-drehetra, izaho irery no mamelatra ny lanitra+ sy mamelatra ny tany.+ Iza no mba niaraka tamiko? 25  Mampandamòka ny famantarana omen’ny mpirediredy aho. Izaho koa Ilay mahatonga ny mpisikidy hanao hoatran’ny adala,+ Ilay mahatonga ny olon-kendry ho very hevitra, Ilay mamadika ny fahalalan’ireny ho hadalana,+ 26  Ilay manatanteraka ny tenin’ny mpanompony, Ilay manatontosa an-tsakany sy an-davany ny hafatra ambaran’izay irahiny,+ eny, Ilay miteny momba an’i Jerosalema hoe: ‘Honenana izy’,+ ary momba an’ireo tanànan’i Joda hoe: ‘Haorina indray ireny,+ ary hatsangako indray ny toerany efa rava.’+ 27  Eny, izaho Ilay miteny amin’ny rano lalina hoe: ‘Aoka ianao ho maina ka ho lasa etona, ary hataoko ritra ny reniranonao rehetra’,+ 28  dia Ilay miteny amin’i Kyrosy+ hoe: ‘Izy no mpiandry ondriko, ary hotanterahiny an-tsakany sy an-davany izay sitrako rehetra’,+ hatramin’izay nolazaiko momba an’i Jerosalema hoe: ‘Haorina indray izy’, sy momba ny tempoly hoe: ‘Hapetraka ny fototrao.’”+

Fanamarihana