Isaia 47:1-15

47  Midìna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka,+ ry Babylona zanakavavy+ virjiny. Mipetraha amin’ny tany, eo amin’izay tsy misy seza fiandrianana,+ ry zanakavavin’ny Kaldeanina.+ Tsy hataon’ny olona intsony hoe miaingitraingitra sy mihanta ianao.+  Makà vato fikosoham-bary*+ ka itotoy koba. Esory ny voaly.+ Esory ny rebareban’akanjo.+ Asehoy ny fe,+ ary miampità ny renirano.  Asehoy ny fitanjahanao,+ ary aleo ho hita ny fahafaham-barakanao.+ Fa hampihatra famaliana aho,+ ka tsy hiantra an’izay mifanehatra amiko.  “Manana Mpanavotra izahay:+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarany,+ dia Ilay Masin’ny Israely.”+  Mipetraha amim-panginana+ ka mankanesa ao amin’ny haizina,+ ry zanakavavin’ny Kaldeanina.+ Fa tsy hantsoin’ny olona intsony hoe Tompovavin’ireo+ Fanjakana+ ianao.  Tezitra tamin’ny oloko aho.+ Nozimbazimbaiko ny lovako,+ ka natolotro teo an-tananao.+ Tsy niantranao mihitsy anefa izy ireo,+ fa na ny lahiantitra aza nampitondrainao zioga mavesatra be.+  Ary hoy ianao: “Ho Tompovavy aho mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ eny, ho mandrakizay.” Tsy nosaintsaininao ireny zavatra ireny, ary tsy notadidinao fa hisy farany izany.+  Koa henoy izao, ry vehivavy tia fahafinaretana, izay mipetraka tsy manana ahiahy,+ sy manao anakampo hoe: “Izaho no izy, ary tsy misy afa-tsy izaho.+ Tsy ho lasa mpitondratena aho, ary tsy hamoy zanaka.”+  Hanjo anao tampoka ao anatin’ny indray andro+ anefa ireto zavatra roa ireto: Hamoy zanaka ianao, ary ho lasa mpitondratena. Ho tanteraka aminao daholo izany,+ noho ianao fatra-pilalao ody sy mampiasa ozona famosaviana faran’izay mahery, ka manaram-po tanteraka amin’izany.+ 10  Mitoky amin’ny faharatsianao ianao.+ Fa hoy ianao: “Tsy misy mahita ahy.”+ Ny fahendrenao sy ny fahalalanao+ no mampaniasia anao. Hoy ianao anakampo: “Izaho no izy, ary tsy misy afa-tsy izaho.” 11  Hiharan-doza ianao, nefa tsy hahita ody hisakanana izany. Hiharam-pahoriana ianao,+ nefa tsy ho afa-miala amin’izany. Hanjo anao tampoka+ ny faharavana mbola tsy nahazatra anao. 12  Tohizo foana àry ny ozona famosavianao sy ny filalaovanao ody,+ izay efa nisasaranao hatry ny fahatanoranao, sao mba hahita soa ianao, ary sao mba hahavita hampahatahotra olona. 13  Tofoka amin’ny mpanolo-tsaina maro be ianao. Aoka hitsangana hamonjy anao ireny ankehitriny, dia ireo mpivavaka amin’ny lanitra, ireo mpijery ny kintana,+ ireo mampahafantatra anao isaky ny tsinam-bolana izay hitranga aminao. 14  Hanjary ho toy ny vodivary+ izy ireo ka ho kilan’ny afo.+ Tsy hahavonjy ny ainy+ ho afaka amin’ny herin’ny lelafo izy ireo.+ Tsy hisy vainafo hahazoan’ny olona hafanana, na afo hamindroana. 15  Dia ho toy izany ireny mpilalao ody+ ireny, izay niara-nisasatra taminao hatry ny fahatanoranao. Hirenireny izy ireo, ka samy ho any amin’izay faritra misy azy. Koa tsy hisy hamonjy ianao.+

Fanamarihana

Ilay ahodin-tanana.