Isaia 49:1-26

49  Henoy aho, ry nosy!+ Mihainoa tsara, ry firenena any lavitra!+ I Jehovah no niantso ahy+ hatrany am-bohoka. Mbola tany an-kibon-dreniko+ aho, dia efa notononiny ny anarako.+  Nataony toy ny sabatra maranitra ny vavako.+ Nafeniny teo ambany aloky+ ny tanany aho.+ Nataony lasa zana-tsipìka maranitra aho, ary nafeniny tao amin’ny tranon-jana-tsipìkany.  Dia hoy izy tamiko: “Mpanompoko ianao, ry Israely,+ ary eo aminao no hanehoako ny hatsaran-tarehiko.”+  Fa hoy kosa aho: “Very maina ny fisasarako.+ Zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko.+ Any amin’i Jehovah anefa ny fitsarana ahy,+ ary any amin’Andriamanitro ny karamako.”+  I Jehovah, Ilay namolavola ahy tao am-bohoka mba ho mpanompony,+ no niteny tamiko mba hampody an’i Jakoba aminy.+ Amin’izay dia ho tafangona any aminy indray i Israely.+ Dia hahazo voninahitra eo imason’i Jehovah aho, ary ny Andriamanitro no ho heriko.  Ary hoy izy: “Tsy zavatra kely ny nahatongavanao ho mpanompoko hanangana ny fokon’i Jakoba, sy hampody an’ireo narovana teo amin’i Israely.+ Nomeko ho fahazavan’ny hafa firenena+ koa ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.”+  I Jehovah, ilay Mpanavotra ny Israely,+ Ilay Masiny, dia nilaza toy izao tamin’ilay nohamavoina tanteraka,+ izay halan’ny firenena+ sady mpanompon’ny mpitondra:+ “Hitsangana ireo mpanjaka,+ ary hiankohoka ireo andriana, noho izay hitan’izy ireo. Hanao izany izy ireo noho ny amin’i Jehovah ilay mendri-pitokisana,+ dia Ilay Masin’ny Israely izay mifidy anao.”+  Izao no nolazain’i Jehovah: “Tamin’ny fotoana fanehoana fankasitrahana no namaliako anao,+ ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao.+ Narovako foana ianao ka nataoko antoka ho an’ny olona,+ mba hamerenana ilay tany amin’ny laoniny,+ sy mba hahazoana indray ny lova+ efa nilaozana,  ary mba hilazana amin’ny voafonja+ hoe: ‘Mivoaha!’,+ sy amin’ireo ao anaty haizina+ hoe: ‘Misehoa!’+ Hiraoka ahitra eny an-dalana izy ireo, ary ho eny amin’ny lala-masaka rehetra eny ny kijanany.+ 10  Tsy ho noana+ na hangetaheta+ izy ireo, ary tsy hamely azy ny hafanana migaingaina na ny masoandro.+ Fa hitari-dalana azy Ilay mangoraka azy,+ ka hitondra azy ho eny an-doharano.+ 11  Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasondrotra ambony ny lalambeko rehetra.+ 12  Ho tonga avy any lavitra izy ireo,+ ka ny sasany avy any avaratra+ sy avy any andrefana,+ ary ny sasany avy any Sinima.” 13  Mihobia, ry lanitra,+ ary mifalia, ry tany!+ Aoka ny tendrombohitra hiravoravo ka hihoby.+ Fa mampionona ny olony i Jehovah,+ sady mangoraka an’ireo mpanompony ory.+ 14  Niteny foana anefa i Ziona hoe: “Efa nahafoy ahy i Jehovah.+ Efa nanadino ahy i Jehovah.”+ 15  Mety hanadino ny zanany mbola minono ve ny vehivavy, ka tsy hangoraka an’izay naloaky ny kibony?+ Mety hanadino tokoa ireny vehivavy ireny,+ fa izaho kosa tsy mba hanadino anao.+ 16  Nataoko vita sokitra+ teo amin’ny felatanako ianao. Eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.+ 17  Tamy faingana ireo zanakao, fa hiala eo aminao kosa ny mpandrodana sy mpandrava anao. 18  Topazo maso ny manodidina anao ka jereo. Tafangona daholo izy ireo,+ ary tonga eo aminao. “Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah,+ “dia hanaovanao toy ny haingo izy rehetra, ka hafatotrao amin’ny tenanao toy ny ataon’ny vehivavy ampakarina.+ 19  Toerana rava sy aolo, ary tany simba no eo aminao izao.+ Kely loatra ianao ka tsy antonona ho an’ny mponina eo aminao, ary efa lasa lavitra ireo mpandrapaka anao.+ 20  Mbola hilaza aminao ihany anefa ireo zanaka azonao fony ianao maty anaka,+ hoe: ‘Kely loatra ity toerana ity ka tsy antonona anay.+ Omeo toerana malalaka izahay honenanay.’+ 21  Dia hiteny anakampo ianao hoe: ‘Mba iza àry no rain’ireto zaza ireto, ka nanome ahy an’ireto? Vehivavy maty anaka sy momba ange aho e! Lasa tany an-tsesitany koa aho ka voafonja.+ Koa iza no nanabe an’ireto?+ Ary nilaozana irery+ tany aho, ka taiza ireto?’”+ 22  Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hatsangako ho hitan’ireo firenena ny tanako,+ ary hatsangako ho hitan’ireo vahoaka ny tsato-kazo famantarana+ nomeko. Dia hotrotroin’izy ireo ny zanakao lahy, ary hoentiny eny an-tsoroka ny zanakao vavy.+ 23  Mpanjaka no ho mpitaiza anao,+ ary ny andriambaviny no ho mpampinono anao. Hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo,+ sady hilelaka ny vovoka+ amin’ny tongotrao. Dia ho fantatrao fa izaho no Jehovah, ary tsy ho menatra izay manantena ahy.”+ 24  Mbola azo alaina eny an-tanan’ny lehilahy mahery ve ireo olona efa lasany?+ Ho afa-mandositra ve ireo nobaboin’ny mpitondra tsy refesi-mandidy?+ 25  Izao anefa no nolazain’i Jehovah: “Halaina tokoa ireo nobaboin’ny lehilahy mahery,+ ary ho afa-mandositra ireo efa lasan’ny mpitondra tsy refesi-mandidy.+ Hifanandrina amin’izay mifanandrina aminao aho,+ ary hovonjeko+ ny zanakao. 26  Hataoko mihinana ny nofon’ny tenany ihany izay rehetra mampijaly anao, ary ho mamon’ny ran’ny tenany ihany izy ireo toy ny hoe mamon’ny divay mamy. Dia ho fantatry ny nofo rehetra fa izaho Jehovah+ no Mpamonjy+ anao sy Mpanavotra+ anao, ary izaho Ilay Maherin’i Jakoba.”+

Fanamarihana