Isaia 5:1-30

5  Hanao hira ho an’ny malalako aho, dia hira momba an’ilay malalako sy ny tanimboalobony.+ Nanana tanimboaloboka teo amin’ny tehezan-kavoana iray mahavokatra ny malalako.  Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, ary voaloboka mena karazany tsara no namboleny teo. Nanorina tilikambo teo afovoany+ koa izy, ary nihady lavaka famiazam-boaloboka.+ Nanantena foana izy fa hamoa voaloboka+ tsara ilay tany, kanjo namoa voalobokadia.+  “Koa ankehitriny, mba tsarao aho sy ny tanimboaloboko,+ ry mponin’i Jerosalema sy mponin’i Joda!  Inona no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko ka tsy efa nataoko?+ Mba nantenaiko hamoa voaloboka tsara izy, nefa nahoana no namoa voalobokadia?  Koa hampahafantariko anareo izay hataoko amin’ny tanimboaloboko: Hesorina ny fefiny,+ hodorana izy,+ harodana ny tamboho vatony, ary hohitsakitsahina izy.+  Hatokako ho toy ny zavatra efa potika izy,+ ka tsy hisy handrantsana na hiava azy.+ Dia tsilo sy ahidratsy no hiara-maniry aminy,+ ary tsy avelako handatsaka orana eo aminy ny rahona.+  Fa ny taranak’Israely no tanimboalobok’i+ Jehovah Tompon’ny tafika, ary ny mponin’i Joda no tanimboly tena tiany.+ Nanantena foana izy fa hisy fitsarana ara-drariny,+ kanjo fandikan-dalàna no hitany! Fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainana no hitany!”+  Lozan’izay tsy mitsahatra mampitombo ny isan’ny tranony+ sy manangona saha maro be, hany ka tsy misy toerana malalaka intsony,+ fa ianareo irery sisa no monina eo amin’ilay tany!  Reko i Jehovah Tompon’ny tafika nianiana fa hisy trano maro hanjary higagan’ny olona sy tsy hisy mponina,+ na dia lehibe sy tsara aza. 10  Na tanimboaloboka efatra hektara+ aza tsy hamokatra afa-tsy iray bata,*+ ary vokatra eran’ny efaha* monja no ho azo avy amin’ny voa afafy iray homera.*+ 11  Lozan’izay mifoha maraina mba hitady toaka,+ sady misotro foana mandra-pahamaizin’ny andro mba ho mamon-divay!+ 12  Ary misy harpa sy lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary divay ao amin’ny fanasan’izy ireo,+ kanefa tsy ahoany ny zavatra ataon’i Jehovah, ary tsy hitan’izy ireo ny asan’ny tanany.+ 13  Koa hatao sesitany ny oloko noho ny tsy fahalalany ahy.+ Ho fatin’ny mosary ireo olona be voninahitra eo aminy,+ ary ho fatin’ny hetaheta ny sarambaben’olona.+ 14  Koa nohalalahin’ny Fasana* ny toerany, ary nataony mitanatana izaitsizy ny vavany.+ Dia hivarina any+ izay mirenty ao an-tanàna sy ny vahoakany sy ny tabataban’ny olona ary izay mifaly. 15  Ho lasa ambany ny olona, eny, hietry izy, ary haetry ny fiandranandran’ny mason’ny olona ambony.+ 16  Hisandratra kosa i Jehovah Tompon’ny tafika noho ny fampiharany didim-pitsarana.+ Ary hanamasina ny tenany noho ny fanaovany ny rariny+ ilay tena Andriamanitra, eny, Ilay Masina.+ 17  Dia hiraoka ahitra toy ny eny an-kijana ny ondrilahy kely. Ary ny mpivahiny dia hihinana eny amin’ny toerana aolo izay nitoeran’ny biby nohatavezina fahiny.+ 18  Lozan’ireo mitaritarika fahadisoana amin’ny tadin’ny tsy fahamarinana, sy mitaritarika fahotana toy ny amin’ny tadin-tsarety,+ 19  dia ireo miteny hoe: “Aleo hataony haingana ny asany. Aleo ho tonga haingana izany, mba ho hitanay. Aleo ho tanteraka ny fikasan’Ilay Masin’ny Israely, mba ho fantatray!”+ 20  Lozan’izay milaza ny tsara hoe ratsy sy milaza ny ratsy hoe tsara!+ Lozan’izay manolo ny maizina amin’ny mazava sy manolo ny mazava amin’ny maizina! Lozan’izay manolo ny mangidy amin’ny mamy sy manolo ny mamy amin’ny mangidy!+ 21  Lozan’izay mihevi-tena ho hendry sy mihevi-tena ho malina!+ 22  Lozan’izay fatra-pisotro divay, sy izay mahery raha hampifangaro toaka,+ 23  ary izay manamarina ny ratsy fanahy mba hahazoana kolikoly,+ sady manaisotra amin’ny olo-marina ny fahamarinany!+ 24  Toy ny vodivary levon’ny lelafo+ sy ny ahitra maina izay kilan’ny afo, dia toy izany koa fa ho toy ny fofona maimbo lo ny fakan’izy ireo sy ny fotony,+ ary ho toy ny vovoka ny felany. Nanda ny lalàn’i Jehovah Tompon’ny tafika mantsy izy ireo,+ sady tsy niraharaha ny tenin’Ilay Masin’ny Israely.+ 25  Koa tezitra be amin’ny olony i Jehovah, ka haninjitra ny tanany hamely azy.+ Hihorohoro ny tendrombohitra,+ ary ho toy ny fako eny afovoan-dalana ny fatin’izy ireo.+ Noho izany faharatsiana rehetra izany, dia tsy mitony mihitsy ny fahatezerany, fa mbola maninjitra ny tanany ihany izy. 26  Ary nanangana tsato-kazo famantarana ho an’ny firenena lehibe iray any lavitra+ izy, ka nisioka an’ilay mipetraka any amin’ny faran’ny tany.+ Koa ho avy faingana tokoa izy io.+ 27  Tsy misy reraka eo aminy, na tafintohina, na rendremana, na matory. Tsy hivaha ny fehikibo eo amin’ny andilany, ary tsy ho tapaka ny tadin-kapany. 28  Fa voaranitra ny zana-tsipìkany, ary efa voaisy tady ny tsipìkany rehetra.+ Ho mafy toy ny vatoafo ny kitron-tsoavaliny,+ ary hiriotra toy ny tafio-drivotra ny kodiaran-kalesiny.+ 29  Toy ny fieron’ny liona ny fierony, eny, toy ny fieron’ny liona tanora.+ Hierona izy, ary hosamboriny ny rembiny ka hoentiny soa aman-tsara, nefa tsy hisy mpamonjy.+ 30  Hierona amin’ilay rembiny izy amin’izany andro izany, ka ho toy ny firohondrohon’ny ranomasina ny fierony.+ Ary hitazana an’ilay tany ny olona ka hahita haizina mampitebiteby.+ Hihamaizina ny hazavana, noho ny orana milatsaka eo amin’ilay tany.

Fanamarihana

22 litatra eo ho eo.
220 litatra eo ho eo.
22 litatra eo ho eo.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.