Isaia 50:1-11

50  Izao no nolazain’i Jehovah: “Aiza izay taratasy fisaraham-panambadiana+ nomeko an-dreninareo izay noroahiko?+ Iza tamin’ireo nitrosako no nivarotako anareo?+ Noho ny fahadisoanareo+ ihany no nivarotana anareo, ary noho ny helokareo ihany no nandroahana an-dreninareo.+  Nahoana no tsy nisy olona rehefa tonga aho,+ ary tsy nisy namaly rehefa niantso aho?+ Nanjary fohy loatra angaha ny tanako ka tsy mahavotra,+ sa tsy manan-kery hamonjena aho? Teneniko mafy+ fotsiny anefa ny ranomasina dia ritra,+ ary ovako ho tany efitra ny renirano.+ Maimbo ny trondrony fa tsy misy rano, ary matin’ny hetaheta izy ireo.+  Ampitafiako haizina ny lanitra+ ary rakofako lamba gony.”+  I Jehovah Tompo Fara Tampony no nanome ahy ny lelan’ny efa nampianarina,+ mba hahafantarako izay tokony holazaina amin’ny olona reraka.+ Mamoha ahy isa-maraina izy, ka fohaziny ny sofiko mba handre toy ny sofin’ny olona efa nampianarina.+  Nanokatra ny sofiko i Jehovah Tompo Fara Tampony, ary izaho kosa tsy mba nikomy+ na nivily lalana.+  Ny lamosiko natolotro tamin’ny mpikapoka, ary ny takolako+ natolotro tamin’ny mpanongotra volombava. Ny tarehiko tsy mba nafeniko rehefa nalam-baraka sy nororana+ aho.  Hanampy ahy anefa i Jehovah+ Tompo Fara Tampony ka tsy ho menatra aho. Izany koa no antony nanaovako ny tarehiko ho mafy toy ny vatoafo, ary fantatro fa tsy ho afa-baraka aho.+  Akaiky ahy Ilay manambara ahy fa marina.+ Iza no afaka hiady amiko? Aoka izahay hifandahatra.+ Iza no miady amiko eo amin’ny fitsarana?+ Aoka izy hanatona ahy.+  Hanampy ahy tokoa i Jehovah Tompo Fara Tampony. Iza no afaka hilaza fa meloka aho?+ Hanjary ho tonta toy ny akanjo+ izy rehetra, ary ho lanin’ny koroka.+ 10  Iza aminareo no matahotra+ an’i Jehovah sy mihaino ny tenin’ny mpanompony,+ ary efa nandeha foana tao amin’ny haizina+ sady tsy nahazo hazavana? Aoka izy hitoky amin’ny anaran’i Jehovah+ ka hiantehitra amin’Andriamaniny.+ 11  “Ianareo rehetra izay mandrehitra afo sy mampitselatra pitik’afo, aoka ianareo handeha amin’ny hazavan’ny afonareo sy eo anivon’ny pitik’afo atselatrareo. Hamely anareo ny tanako ka izao no hanjo anareo: Hiampatra ao anatin’ny fanaintainana faran’izay mafy ianareo.+

Fanamarihana