Isaia 51:1-23

51  “Mihainoa ahy ianareo mikatsaka ny fahamarinana,+ eny, ianareo miezaka hitady an’i Jehovah!+ Mitodiha any amin’ilay vatolampy+ nanendahana anareo, sy any amin’ilay lavaka nohadina, izay nakana anareo!  Mitodiha any amin’i Abrahama+ rainareo+ sy any amin’i Saraha+ izay niteraka anareo tao anatin’ny fanaintainana. Fa olon-tokana izy fony nantsoiko,+ ary notahiko izy ka nataoko lasa maro.+  Fa hampionona an’i Ziona tokoa i Jehovah.+ Hampiononiny avokoa ireo toerana rava ao.+ Dia hovany ho tahaka an’i Edena+ ny tany efitra any, ary ho tahaka ny zaridainan’i Jehovah ny lemaka karakaina.+ Hisy fihobiana sy fifaliana ary fisaorana ao, sady ho re ao ny hira fiderana.+  “Mihainoa ahy, ry oloko! Henoy aho, ry fireneko!+ Fa hisy lalàna havoakako,+ ary hapetrako ho fahazavan’ny firenena ny didim-pitsarako.+  Akaiky ny fahamarinako.+ Efa ho avy ny famonjena avy amiko,+ ary hitsara an’ireo firenena+ ny sandriko. Hanantena ahy ireo nosy,+ ary hiandrandra ny sandriko izy ireo.+  “Miandrandrà hijery ny lanitra,+ ary jereo koa ny tany eny ambany! Ny lanitra dia ho potipotika ka hiparitaka toy ny setroka,+ ny tany kosa hanjary ho tonta toy ny akanjo,+ ary ny mponina eo aminy ho faty toy ny moka. Ny famonjeko anefa haharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra,+ ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.+  “Mihainoa ahy ianareo izay efa mahalala ny fahamarinana sy manana ny lalàko ao am-ponareo!+ Aza matahotra ny fanalam-barakan’ny olombelona mety maty, ary aza mihorohoro noho ny fanevatevany.+  Fa hohanin’ny koroka toy ny fihinanany akanjo ireny, ary hohanin’ny koroka mpihinan-damba toy ny fihinanany lamba volonondry.+ Ny fahamarinako kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ny famonjeko ho tonga hatrany amin’ny taranaka tsy hita isa.”+  Mifohaza! Mifohaza! Mitafia hery,+ ry sandrin’i Jehovah!+ Mifohaza toy ny tamin’ny andro fahiny, toy ny tamin’ny andron’ireo taranaka taloha ela be!+ Tsy ianao ve no nanorotoro an’i Rahaba+ sy nanatrobaka an’ilay biby goavam-be any an-dranomasina?+ 10  Tsy ianao ve no nandritra ny ranomasina, dia ny rano lalina be?+ Tsy ianao ve no nanao ny ranomasina lalina ho lalana hiampitan’ireo navotana?+ 11  Hiverina any Ziona amim-pihobiana ireo navotan’i Jehovah,+ ary hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.+ Ho feno hafaliana sy haravoana izy ireo,+ ary handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.+ 12  “Izaho Ilay mampionona anareo.+ “Koa nahoana ianao no matahotra ny olombelona mety maty izay ho faty ihany,+ sy ny zanak’olombelona izay ho toy ny ahitra?+ 13  Ary nahoana ianao no nanadino an’i Jehovah, ilay Mpanao+ anao, Ilay mamelatra ny lanitra+ sy mametraka ny fototry ny tany?+ Koa natahotra foana ianao tontolon’ny andro noho ny fahatezeran’ilay mangeja anao,+ izay toy ny efa vonona handringana anao.+ Ary aiza izao ny fahatezeran’ilay mangeja anao?+ 14  “Hovahana haingana ilay manjoko noho ny rojo vy mamatotra azy,+ mba tsy ho faty izy ka tsy ho latsaka any an-davaka+ ary mba tsy ho ory sakafo.+ 15  “Fa izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampisamboaravoara ny ranomasina mba hampidoboka ny onjany.+ Jehovah Tompon’ny tafika no anarako.+ 16  Hataoko eo am-bavanao ny teniko,+ ary harovako amin’ny aloky ny tanako ianao,+ mba hametrahako ny lanitra+ eo amin’ny toerany sy mba hametrahako ny fototry ny tany+ ary mba hilazako amin’i Ziona hoe: ‘Oloko ianao.’+ 17  “Mifohaza! Mifohaza! Miarena, ry Jerosalema+ izay nisotro tamin’ny kaopin’ny fahatezerana teny an-tanan’i Jehovah.+ Nosotroinao ny tao anatin’ilay kaopy mampivembena, ka notaperinao.+ 18  Tsy nisy nitondra an’i Jerosalema ny zanany+ naterany rehetra, ary tsy nisy nitantana azy+ ny zanany notezainy rehetra. 19  Nanjo anao ireto zavatra roa ireto:+ Fandrobana sy faharavana, ary hanoanana sy sabatra!+ Iza anefa no hangoraka anao?+ Iza no hampionona anao?+ 20  Safotra ny zanakao.+ Miampatra eny an-joron-dalana rehetra eny toy ny ondridia anaty harato izy ireo,+ toy ny hoe nararaka taminy daholo ny fahatezeran’i Jehovah+ sy ny anatra mafy avy tamin’Andriamanitrao.”+ 21  Koa mba henoy izao, ry vehivavy+ ory, izay mamo nefa tsy mamon-divay.+ 22  Izao no nolazain’i Jehovah Tomponao, ilay Andriamanitrao, izay miady+ ho an’ny olony: “Halaiko eny an-tananao ilay kaopy mampivembena.+ Tsy hisotro amin’ilay kaopin’ny fahatezerako intsony ianao.+ 23  Halaiko izany ka hataoko eny an-tanan’ireo manorisory anao+ izay niteny taminao hoe: ‘Miondreha amin’ny tany, mba hiampitanay.’ Tamin’izay dia ny lamosinao no nataonao ho toy ny tany sy lalana ho an’ireo miampita.”+

Fanamarihana