Isaia 52:1-15

52  Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao,+ ry Ziona ô! Anaovy ny akanjonao tsara tarehy,+ ry Jerosalema tanàna masina+ ô! Fa tsy hankao aminao intsony ny tsy mifora sy ny tsy madio.+  Ahintsano ny vovoka amin’ny tenanao,+ ry Jerosalema ô, ary miarena ka mipetraha! Vahao ny tady mamatotra ny vozonao, ry Ziona zanakavavy voababo.+  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Maimaim-poana no nivarotana anareo,+ ka tsy handoavam-bola koa ny hanavotana anareo.”+  Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Nidina tany Ejipta ny oloko tamin’ny voalohany mba hivahiny tany.+ Ary nampahory azy ireo tsy amin’antony i Asyria.”  “Inona àry no tsy maintsy hataoko, raha izany no izy?”, hoy i Jehovah. “Fa nalaina maimaim-poana ny oloko,+ nihorakoraka mandrakariva ireo nanjaka taminy”,+ hoy i Jehovah, “ary nohamavoina foana ny anarako,+ tontolon’ny andro.  Koa hahafantatra ny anarako ny oloko,+ amin’izany andro izany, satria izaho Ilay miteny,+ eny, Izaho.”  Tsara tarehy erỳ ny tongotr’ilay+ mitondra vaovao tsara mandeha eny an-tendrombohitra,+ ilay manambara fiadanana,+ ilay mitondra vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa,+ ilay manambara famonjena,+ ka miteny amin’i Ziona hoe: “Lasa mpanjaka ny Andriamanitrao!”+  Injay fa manandratra ny feony+ ny mpitilinao.+ Miara-mihoby izy ireo, fa hahita mazava tsara ny masony+ rehefa mampody an’izay nonina tao Ziona i Jehovah.+  Mifalia sy miaraha mihoby, ry toerana rava ao Jerosalema!+ Fa nampionona ny olony i Jehovah,+ sady nanavotra an’i Jerosalema.+ 10  Nampiharihary ny sandriny masina teo anatrehan’ny firenena rehetra i Jehovah,+ ary hahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany efatra.+ 11  Mialà, mialà, mivoaha avy ao,+ ary aza mikasika an’izay maloto!+ Mivoaha avy ao aminy,+ ary aoka hadio ianareo izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah.+ 12  Fa tsy hisahotaka ianareo rehefa hivoaka avy ao, ary tsy handositra rehefa handeha.+ Fa i Jehovah no handeha eo alohanareo,+ ary ilay Andriamanitry ny Israely no ho vodilaharana mpiaro anareo.+ 13  Ho malina+ ny mpanompoko+ rehefa manao zavatra. Hahazo toerana ambony izy, ary hasandratra ka homena voninahitra lehibe.+ 14  Nosimbana mihoatra noho ny an’ny olon-kafa rehetra ny endriny,+ ary nosimbana mihoatra noho ny an’ny zanak’olombelona rehetra ny bikany.+ Koa nidanàka ny maro rehefa nahita azy,+ 15  nefa mbola hahagaga ny firenena maro toy izany koa izy.+ Hitampim-bava ireo mpanjaka+ hahita azy, satria zavatra mbola tsy notantaraina tamin’izy ireo no ho hitany, ary zavatra mbola tsy reny no hoeritreretiny.+

Fanamarihana