Isaia 55:1-13

55  Ianareo rehetra mangetaheta,+ avia misotro rano!+ Ianareo rehetra tsy manam-bola, avia ka mividiana, ary mihinàna!+ Eny, avia mividy divay+ sy ronono+ tsy andoavam-bola sady tsisy sarany.+  Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy sakafo, ary misasatra amin-javatra tsy mahafa-po?+ Henoy tsara aho, ary mihinàna izay tsara,+ ka aoka ianareo hankafy sakafo matavy.+  Aoka ianareo hanongilan-tsofina+ ka hankatỳ amiko.+ Mihainoa, dia ho velona ianareo.*+ Fa hanao fifanekena aminareo tokoa aho, eny, fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra+ mifanaraka amin’ny hatsaram-panahy feno fitiavana, dia ilay hatsaram-panahy azo itokisana izay naseho tamin’i Davida.+  Natolotro ho vavolombelona+ eo amin’ireo firenena+ izy,+ ary ho filoha+ sy ho mpitarika+ an’ireo firenena.  Firenena tsy fantatrao no hantsoinao,+ ary olona avy amin’ny firenena tsy mahafantatra anao no hihazakazaka hankany aminao,+ noho ny amin’i Jehovah Andriamanitrao,+ sy noho ny amin’Ilay Masin’ny Israely.+ Hataony lasa tsara tarehy mantsy ianao.+  Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita izy.+ Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy.+  Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,+ ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny.+ Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy.+ Ary aoka izy hiverina amin’Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.+  “Fa ny fihevitrareo tsy mba fihevitro,+ ary ny lalako tsy mba lalanareo”,+ hoy i Jehovah.  “Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany,+ ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo,+ sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo.+ 10  Fa toy ny orana sy ny lanezy milatsaka avy any an-danitra, ka tsy miverina any raha tsy mahavonto ny tany, sy mahatonga ny zavatra eo aminy hitsiry sy hahavokatra,+ ary manome masomboly ho an’ny mpamafy sy manome sakafo ho an’ny mpihinana,+ 11  dia ho toy izany ny teny aloaky ny vavako.+ Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko,+ fa hanatanteraka izay sitrako+ ary hahomby amin’izay andefasako azy.+ 12  “Fa amim-pifaliana no handehananareo,+ ary amim-piadanana no hitondrana anareo mody.+ Hifaly sy hihoby eo anatrehanareo ny tendrombohitra sy ny havoana,+ ary hitehaka ny hazo any an-tsaha.+ 13  Hazo zenevrie no haniry+ fa tsy kirihitra feno tsilo, ary hazo mirta fa tsy tsilo.+ Hampahalaza an’i Jehovah izany,+ ka ho famantarana tsy hofoanana mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.