Isaia 56:1-12

56  Izao no nolazain’i Jehovah: “Manaova ny rariny sy ny fahamarinana.+ Fa efa ho avy ny famonjeko,+ ary efa haharihary ny fahamarinako.+  Sambatra ny olona mety maty izay manao izany,+ sy ny zanak’olombelona mifikitra amin’izany,+ sady mitandrina ny sabata ka tsy manazimbazimba azy,+ ary mifehy ny tanany tsy hanao izay ratsy.+  Aoka ny hafa firenena izay miandany amin’i Jehovah tsy hilaza hoe:+ ‘Hesorin’i Jehovah tsy ho eo amin’ny olony tokoa aho izao.’+ Aoka koa ny lehilahy novosirina+ tsy hilaza hoe: ‘Indrisy! Hazo maina aho!’”  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Ireo lehilahy novosirina izay mitandrina ny sabatako sy mifidy ny hanao izay sitrako+ ary mifikitra amin’ny fifanekena nataoko,+  dia homeko tsangambato+ sy anarana+ ao an-tranoko+ sy ao anatin’ny mandako. Tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy+ izany. Anarana maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra no homeko azy,+ dia anarana tsy hofoanana mihitsy.+  “Ary ny hafa firenena izay miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy+ sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah+ ka ho mpanompony, eny, izay rehetra mitandrina ny sabata ka tsy manazimbazimba azy, sy mifikitra amin’ny fifanekena nataoko,+  dia hoentiko ho any amin’ny tendrombohitro masina+ koa, ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko.+ Hekena ho eo ambony alitarako+ ny fanatitra+ dorana sy ny sorona+ atolony. Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+  Ary hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, izay manangona an’ireo Israelita efa niparitaka:+ “Ankoatra izay efa voangona, dia hanangona olon-kafa ho eo amin’izy ireo koa aho.”+  Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha, eny, ianareo bibidia rehetra any an’ala, avia hihinana.+ 10  Jamba ireo mpitiliny,+ ka tsy misy mahatsikaritra zavatra.+ Alika moana izy rehetra ka tsy mahavovò,+ fa misefosefo fotsiny sy mandrimandry ary tia matoritory.+ 11  Alika manam-paniriana mafy+ izy ireo, ary tsy mety afa-po.+ Mpiandry ondry tsy manam-pahalalana koa izy.+ Samy mivily manaraka ny lalany avy izy, ka samy maka tombony tsy ara-drariny avy amin’ny faritaniny.+ Hoy izy ireo: 12  “Avia, fa haka divay aho. Andao hisotro toaka mandra-pahamamo.+ Mbola ho toy ny androany koa ny rahampitso, ary mbola ho tsara lavitra mihitsy aza.”+

Fanamarihana