Isaia 57:1-21

57  Maty ny olo-marina,+ nefa tsy misy miraharaha+ an’izany. Nangonina ho any amin’ny toeran’ny maty ny olona tsara fanahy sy be fitiavana,+ nefa tsy misy mahafantatra akory hoe noho ny fisian’ny loza no nanangonana ny olo-marina.+  Mahita fiadanana+ izy. Samy hiala sasatra+ eo amin’ny farafara vato+ ireo mifikitra amin’ny fahitsiana.+  “Miakara etỳ+ ianareo zanaky ny vehivavy mpilaza ny hoavy,+ taranaky ny mpanitsakitsa-bady sy taranaky ny vehivavy mpivaro-tena!+  Falifaly+ maneso an’iza ianareo? Manondro molotra sy mitranga lela amin’iza ianareo?+ Ianareo ve tsy zanaky ny fandikan-dalàna sy taranaky ny lainga,+  ary manaitra filana eny akaikin’ireo hazobe+ sy eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra,+ sady manao sorona ankizy any amin’ny lohasaha falehan-driaka, eny anelanelan’ny harambato?+  “Ny vato malama eny amin’ny lohasaha falehan-driaka no anjaranao.+ Ireny no anjaranao.+ Ary ireny no nandrarahanao fanatitra zava-pisotro,+ sy nanoloranao fanomezana. Zavatra toy izany ve no hampiononako ny tenako?+  Teny amin’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandriananao.+ Teny koa ianao no niakatra hanolotra sorona.+  Nametrahanao ny marika fahatsiarovana+ nataonao, tao ambadiky ny varavarana sy ny tolàna. Nanalavitra ahy ianao, ary niala akanjo ka niakatra teny am-pandriananao izay efa nataonao malalaka.+ Ary nanao fifanekena tamin’ireny ianao mba hahazoanao tombontsoa. Tianao ny niray fandriana tamin’ireny,+ ary nibanjina ny filahiana ianao.  Dia nidina nitondra menaka tany amin’i Meleka ianao, ary be dia be ny menaka fanosorana nentinao.+ Nalefanao lavitra foana koa ny irakao, ka nampidininao hatrany amin’ny Fasana*+ ny raharaha momba anao. 10  Nandehandeha be ianao, ary izany no nandanianao ny herinao.+ Tsy mba niteny ianao hoe: ‘Tsy misy antenaina intsony!’ Nahatsapa ho nahazo hery indray ianao+ ka tsy narary.+ 11  “Nihorohoro noho ny amin’iza ianao, ary natahotra an’iza+ ka nandainga?+ Tsy izaho no tsaroanao,+ ary tsy nandatsaka am-po na inona na inona ianao.+ Tsy efa nangina foana ve aho, ary tsy nafeniko ve ny nataonao?+ Na izaho aza anefa tsy natahoranao.+ 12  Koa hambarako izay lazainao fa mba fahamarinanao+ sy asanao,+ ary tsy hahasoa anao ireny.+ 13  Rehefa miantso vonjy ianao, dia tsy hamonjy anao ny zavatra nangoninao+ fa ho lasan’ny rivotra avokoa.+ Fofonaina fotsiny dia hipaoka an’ireny. Fa izay mialoka amiko+ kosa handova ny tany, ary ho lasa fananany ny tendrombohitro masina.+ 14  Dia hisy hiteny hoe: ‘Manamboara lalana! Manamboara lalana! Karakarao ny lalana!+ Esory ny sakantsakana rehetra eny amin’ny lalan’ny oloko.’”+ 15  Fa izao no nolazain’ilay Avo, eny, Ilay Misandratra,+ izay mitoetra mandrakizay+ ary masina ny anarany:+ “Any amin’ny avo sy any amin’ny toerana masina aho no mitoetra,+ ary koa eo amin’ireo torotoro fo sy manetry tena,+ mba hamelombelona ny sain’ireo* manetry tena sy ny fon’ireo torotoro fo.+ 16  Fa tsy hiady mandritra ny fotoana tsy voafetra aho, ary tsy ho tezitra foana mandrakizay.+ Fa ho reraka noho ny amiko ny sain’ny olona ary koa ny zavamiaina+ nataoko.+ 17  “Nanao fahadisoana izy satria naka tombony tsy ara-drariny.+ Koa tezitra aho ka namely azy. Nanafina ny tavako+ aho tamin’izany hatezerako izany. Mbola nikomy+ foana anefa izy ka nanaraka izay sitraky ny fony. 18  Hitako anefa ny nataony, ka nanasitrana azy aho+ ary nitarika azy+ sy nanome fampiononana+ ho azy sy ireo vonton’alahelo+ teo aminy.” 19  “Izaho no mamorona ny vokatry ny molotra.+ Hisy fiadanana ho an’izay lavitra sy akaiky,+ ary hanasitrana azy aho”,+ hoy i Jehovah. 20  “Ny ratsy fanahy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony, ary mamoaka ahidranomasina sy fotaka ny ranon’ilay ranomasina. 21  Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy”,+ hoy ny Andriamanitro.

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
‘saina.’ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.