Isaia 58:1-14

58  “Miantsoantsoa faran’izay mafy, fa aza miahotrahotra mihitsy.+ Ataovy mafy toy ny feon’anjombona ny feonao, ka lazao amin’ny oloko ny fikomiany,+ ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany.  Izaho, hono, no tadiaviny isan’andro, ary ny fahalalana ny lalako, hono, no mahafinaritra azy.+ Toy ny hoe firenena manao ny marina izy ireo, ary toy ny hoe tsy mahafoy ny rariny avy amin’Andriamaniny,+ ka mangataka ahy foana hitsara ara-drariny, ary manatona an’ilay Andriamanitra mahafinaritra azy,+ sady manao hoe:  “‘Fa nahoana no tsy jerenao izahay rehefa mifady hanina,+ ary tsy raharahainao+ rehefa mampahory tena?’+ “Mahafinaritra anareo erỳ ny andro ifadianareo hanina, nefa sady terenareo hiasa ihany ireo miasa mafy ho anareo.+  Hiady sy hifanditra ary hifamely totohondry amin-kabibiana no antony ifadianareo hanina.+ Rehefa mifady hanina ve ianareo dia mihevitra fa fotoana andrenesana ny feonareo any amin’ny avo izany?  Tokony ho toy izao ataonareo izao ve ny fifadian-kanina ekeko, dia andro ampahorian’ny olona ny tenany,+ sy anondrehany loha toy ny harefo, ary atoriany eo ambony gony sy lavenona?+ Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahan’i Jehovah?+  “Moa ve tsy izao ny fifadian-kanina ekeko: Ny mamaha ny gadra vy izay napetaka noho ny tsy rariny,+ sy mamaha ny tadin’ny zioga,+ sy manafaka ny ampahorina,+ ary manapaka ny zioga rehetra?+  Tsy izao koa ve izany: Ny mizara ny mofonao amin’ny noana,+ sy mampiantrano ny ory sy ny tsy manan-kialofana,+ sy mampitafy an’izay hitanao mitanjaka,+ ary tsy miafina amin’ireo mpiray firenena aminao?+  “Raha izany no ataonao, dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavanao,+ ary ho sitrana haingana ianao.+ Handeha eo alohanao ny fahamarinanao,+ ary ho vodilaharana mpiaro anao ny voninahitr’i Jehovah.+  Raha miantso ianao, dia hamaly anao i Jehovah. Ary raha miantso vonjy ianao,+ dia hilaza izy hoe: ‘Intỳ aho!’ “Raha tsy manisy zioga amin’olona intsony ianao,+ ary tsy manondrotondro intsony amin’ny rantsantananao,+ sady tsy milaza zava-dratsy,+ 10  ary raha toa ka omenao ho an’ny noana ny zavatra irinao,+ sady ataonao afa-po ny ory, dia hamirapiratra ao anatin’ny haizina ny fahazavanao ary ho toy ny mitataovovona ny haizim-pitonao.+ 11  Hitarika anao foana+ i Jehovah,+ ka hanome fahafaham-po anao na dia any amin’ny tany karakaina aza,+ sady hanatanjaka ny taolanao.+ Dia ho toy ny tanimboly azon-drano tsara ianao,+ sady ho toy ny loharano mamoaka rano tsy mamitaka. 12  Noho ny aminao, dia haorin’ny olona indray ny toerana efa rava hatry ny ela.+ Ary hatsanganao indray ny fototra efa nisy hatramin’ny taranaka nifandimby.+ Koa ianao dia hantsoina hoe mpanampina ny banga,+ sy mpamerina amin’ny laoniny ny lalana izay hisy trano honenana. 13  “Raha manaja ny sabata ianao, ka avilinao tsy hanao izay sitrakao ny tongotrao amin’ny androko masina,+ ary raha toa ny sabata ka ataonao hoe tena fahafinaretana sy andro masin’i Jehovah, eny, andro omem-boninahitra,+ ka omenao voninahitra fa tsy manao izay tianao ianao na mitady izay sitrakao na miteniteny foana, 14  dia ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah+ ianao. Hampandehaniko eny amin’ny toerana avo ambonin’ny tany+ koa ianao, sady havelako hihinana ny vokatra avy amin’ny lovan’i Jakoba razanao.+ Fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.”+

Fanamarihana