Isaia 6:1-13

6  Tamin’ny taona nahafatesan’i Ozia+ Mpanjaka no nahitako an’i Jehovah+ nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana+ avo sy manerinerina. Ary nameno ny tempoly ny rebareban’akanjony.+  Nisy serafima nijoro teo amboniny.+ Samy nanana elatra enina avy izy ireo, ka ny roa nanaronany ny tarehiny,+ ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.  Ary nanao antso nifamalivaly izy ireo hoe: “Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika!+ Ahitana taratry ny voninahiny ny zava-drehetra mameno ny tany.”  Dia nihovotrovotra ny tolàna teo amin’ny tokonana, noho ny feon’ilay niantso, ary feno setroka+ ilay trano.  Koa hoy aho: “Lozako! Maty aho fa olona maloto molotra,+ sady mitoetra eo amin’ny vahoaka maloto molotra,+ nefa izaho nahita an’ilay Mpanjaka, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.”+  Ary nanidina nankeo amiko ny iray tamin’ireo serafima. Teny an-tanany dia nisy vainafo+ nalainy teo amin’ny alitara,+ tamin’ny alalan’ny tandra.  Dia nokasihiny ny vavako,+ sady niteny izy hoe: “Efa nikasika ny molotrao ity, ka afaka ny fahadisoanao ary voavela ny fahotanao.”+  Ary reko ny feon’i Jehovah nanao hoe: “Iza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?”+ Dia namaly aho hoe: “Intỳ aho iraho!”+  Ary hoy izy: “Mandehana ka lazao amin’ity firenena ity hoe: ‘Handre foana ianareo, nefa tsy hahazo ny hevitr’izany, ary hijery foana ianareo, nefa tsy hahazo fahalalana mihitsy.’+ 10  Ataovy donto ny fon’ity vahoaka ity,+ ataovy lalodalovana ny sofiny,+ ary ataovy miraikitra ny masony, mba tsy hahitan’ny masony, na handrenesan’ny sofiny, na hahalalan’ny fony, na hiverenany ka hahazoany fanasitranana.”+ 11  Ary hoy aho: “Mandra-pahoviana, Jehovah ô?”+ Dia hoy izy: “Mandra-paharavan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina intsony, sady tsy hisy olona intsony ao amin’ireo trano, ary ho lao ny tany,+ 12  sy mandra-panaisotr’i Jehovah ny olona ka handefasany azy any lavitra, ary mandra-pahalao ny afovoan’ny tany.+ 13  Mbola hisy ampahafolony ihany anefa ho tavela ao,+ ary hatsipy ao anaty afo indray izany, toy ny hazobe sy hazo goavam-be, izay mbola misy fototra+ ihany rehefa kapaina.+ Ary ho taranaka masina ilay fotony.”+

Fanamarihana