Isaia 63:1-19

63  Iza iny tonga avy any Bozran’i+ Edoma+ iny, izay manao akanjo marevaka, sady manao fitafiana be voninahitra ary mamindra amin-kery lehibe? “Tsy iza fa izaho, Ilay miteny araka ny fahamarinana,+ Ilay manan-kery lehibe hamonjena.”+  Nahoana no mena ny fitafianao, ary nahoana ny akanjonao no toy ny an’ny mpanitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazam-boaloboka?+  “Izaho irery no nanitsakitsaka ny voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy,+ fa tsy nisy niaraka tamiko ny olona avy tamin’ny vahoaka. Dia nanitsakitsaka an’ireny tao anatin’ny fahatezerako+ aho, ary nanosihosy azy tao anatin’ny fahavinirako.+ Koa nipitipitika teny amin’ny akanjoko ny rany nifantsitsitra,+ ka voalotoko daholo ny akanjoko.  Fa efa ato am-poko ny andro famaliana,+ ary efa tonga ny taona ho an’ireo navotako.  Koa nijery foana aho, fa tsy nahita mpanampy. Dia gaga aho fa tsy nisy nanome tanana ahy.+ Koa ny sandriko no nampiasaiko hamonjena,+ ary ny fahavinirako+ no nanampy ahy.  Dia nohitsakitsahiko tao anatin’ny fahatezerako ny olona ka nataoko mamon’ny fahavinirako,+ ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany nifantsitsitra.”+  Holazaiko ny hatsaram-panahy feno fitiavana asehon’i Jehovah.+ Hidera an’i Jehovah koa aho araka izay rehetra nataon’i Jehovah tamintsika,+ dia ny halehiben’ny hatsaran-toetra nasehony tamin’ny taranak’Israely+ noho ny famindram-pony+ sy araka ny haben’ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.  Dia hoy izy: “Oloko tokoa ireo,+ sady zanaka tsy hivadika.”+ Koa nanjary Mpamonjy an’ireo izy.+  Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo,+ ary ny iraka manokana nalefany no namonjy azy ireo.+ Noho ny fitiavany sy ny fangorahany no nanavotany azy,+ sy nibatany azy, ary nitondrany azy foana fahiny.+ 10  Nikomy anefa izy ireo,+ ka nanao izay hampalahelo ny fanahiny masina.+ Koa nanjary fahavalon’izy ireo izy+ ka niady taminy.+ 11  Dia nahatsiaro ny andro fahiny ny olony sady nahatsiaro an’i Mosesy mpanompony, ka niteny hoe: “Aiza Ilay nitondra azy ireo niakatra avy tany an-dranomasina,+ niaraka tamin’ny mpiandry ny andian’ondriny?+ Aiza Ilay nametraka tao aminy ny fanahiny masina?+ 12  Aiza Ilay nandefa ny sandriny+ tsara tarehy teo ankavanan’i Mosesy, eny, Ilay nanasaraka ny rano teo anoloan’izy ireo,+ mba hampahalaza ny anarany+ mandritra ny fotoana tsy voafetra? 13  Aiza Ilay nampandeha azy ireo namakivaky ny rano manonja, mba hahatonga azy ireo tsy ho tafintohina fa ho toy ny soavaly mikarenjy any an-tany efitra?+ 14  Toy ny idinan’ny biby eny amin’ny lemaka, no anomezan’ny fanahin’i Jehovah fitsaharana+ ho azy ireo.” Toy izany no nitarihanao ny olonao, mba hahabe voninahitra ny anaranao.+ 15  Mitazàna avy any an-danitra,+ ary mijere avy eny amin’ny fonenanao avo izay sady masina no tsara tarehy.+ Aiza ny zotom-ponao+ sy ny herinao manontolo? Tsy mba mangotikotika ve ny ao anatinao ao?+ Aiza ny famindram-ponao?+ Nosakananao tsy ho tonga aminay ireny.+ 16  Fa ianao no Rainay.+ Na tsy fantatr’i Abrahama aza izahay ary na tsy fantatr’i Israely aza, dia ianao no Rainay, Jehovah ô! Ianao no Mpanavotra anay hatrizay hatrizay, ary izany no anaranao.+ 17  Jehovah ô, nahoana ianao no mampaniasia anay tsy handeha amin’ny lalanao? Nahoana ianao no manamafy ny fonay tsy hatahotra anao?+ Miverena noho ny amin’ny mpanomponao, dia ilay foko lovanao.+ 18  Fotoana fohy ihany ny olonao masina+ no nanan-javatra. Dia nohitsakitsahin’ny fahavalonay ny toeranao masina.+ 19  Nanjary toy ny olona tsy nofehezinao izahay nandritra ny fotoana ela, sady toy ny olona tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao.+

Fanamarihana