Isaia 64:1-12

64  Raha mba notriarinao mantsy ny lanitra ka nidina ianao,+ ary nihovotrovotra teo anatrehanao ny tendrombohitra,+  —toy ny mitranga rehefa misy afo mandoro ny kirihitra, sy rehefa mampangotraka ny rano ny afo—mba hampahafantarana ny anaranao amin’ny fahavalonao,+ sy hahatonga ny firenena hitebiteby eo anatrehanao!+  Nidina ianao rehefa nanao zava-mahatalanjona,+ nefa tsy azonay antenaina izany zavatra izany. Nihovotrovotra teo anatrehanao ny tendrombohitra.+  Ary hatrizay hatrizay dia tsy nisy nandre+ na nihaino na nahita maso Andriamanitra hafa ankoatra anao,+ dia Andriamanitra manao zavatra ho an’izay miandry azy lalandava.+  Tsenainao izay mifaly sy manao ny marina,+ dia izay mahatsiaro anao foana ka manaraka ny lalanao.+ Tezitra ianao+ rehefa nanota foana+ izahay, eny, tezitra ela be noho ny fahotanay. Koa ho voavonjy ihany ve izahay?+  Dia nanjary toy ny olona maloto izahay rehetra, ary toy ny akanjo voaloton’ny fadimbolana+ ny rariny rehetra ataonay. Halazo toy ny ravinkazo+ izahay rehetra, ary hipaoka anay toy ny rivotra ny fahadisoanay.+  Tsy misy miantso ny anaranao,+ sady tsy misy mitsangana mba hifikitra aminao. Fa afeninao tsy ho hitanay ny tavanao,+ ary ataonao mitsonika+ izahay vokatry ny fahadisoanay.  Ankehitriny, Jehovah ô, dia ianao no Rainay.+ Tanimanga izahay,+ ary ianao no Mpanefy+ anay. Asan’ny tananao avokoa izahay.+  Aza tezitra mafy loatra, Jehovah ô,+ ary aza tsarovana mandrakizay ny fahadisoanay.+ Olonao daholo ange izahay e!+ 10  Nanjary tany efitra ireo tanànanao+ masina. Lasa tany efitra koa i Ziona,+ ary nanjary lao i Jerosalema.+ 11  Lasa zavatra fandoro+ ilay tranonay masina tsara tarehy,+ izay nanaovan’ny razanay ny fiderana anao.+ Ary rava ny zava-tsarobidy tsirairay nanananay.+ 12  Mbola tsy hanao zavatra foana ve ianao eo anatrehan’izany,+ ry Jehovah ô? Mbola tsy hihetsika ihany ve ianao ka hamela anay hiaritra fahoriana faran’izay mafy?+

Fanamarihana