Isaia 65:1-25

65  “Manaiky hotadiavin’izay+ tsy manontany ahy+ aho, ary manaiky ho hitan’izay tsy mitady ahy.+ Hoy aho amin’ny firenena izay tsy miantso ny anarako:+ ‘Intỳ aho! Intỳ aho!’+  “Mamelatra ny tanako mandrakariva amin’ny vahoaka mafy loha+ aho, dia amin’ireo mandeha amin’ny lalan-dratsy,+ araka izay saim-pantany,+  eny, ireo mampahatezitra+ ahy foana imasoimaso,* sady manao sorona eny an-jaridaina+ sy manolotra setroka ho sorona+ eny ambonin’ny biriky,  sy mipetraka eny amin’ny fasana+ sy mijanona mandritra ny alina ao amin’ny trano rantsankazo fiambenana, sy mihinana henan-kisoa+ sy manisy ron’ny zava-maloto+ ao am-biliany,  ary milaza hoe: ‘Mijanòna eny! Aza manatona ahy, sao hifindra aminao ny fahamasinako.’+ Setroka eo am-bavoroko anefa ireny,+ sady afo mirehitra mandrakariva.+  “Efa voasoratra eo anatrehako+ izany. Tsy hangina+ aho, fa hanome ny valin’ny nataon’ireny.+ Hataoko ao amin’ny tratran’akanjony izany,+  noho ny fahadisoany sy ny fahadisoan’ny razany”,+ hoy i Jehovah. “Nanolotra setroka ho sorona teny an-tendrombohitra izy ireo, ary nanala baraka ahy+ teny an-kavoana.+ Koa hamatra ny karamany ao an-tratran’akanjony+ aho aloha.”  Izao no nolazain’i Jehovah: “Raha misy divay vaovao+ eo amin’ny sampahom-boaloboka, dia miteny ny olona hoe: ‘Aza simbana io+ fa misy fitahiana.’+ Hanao toy izany koa aho noho ny amin’ny mpanompoko, mba tsy handringanana azy rehetra.+  Hanome taranaka avy amin’i Jakoba aho,+ ary homeko avy amin’i Joda ny mpandova ny tendrombohitro.+ Ho lasa fananan’ny olom-boafidiko ilay tany,+ ary honina ao ny mpanompoko.+ 10  I Sarôna+ dia ho lasa kijana ho an’ny ondry,+ ary ny lemaka ivan’i Akora+ ho toeram-pialan-tsasatra ho an’ny ombin’ny oloko izay nitady ahy.+ 11  “Ianareo no mahafoy an’i Jehovah,+ sy manadino ny tendrombohitro masina,+ sy manomana latabatra ho an’ny andriamanitry ny Vintana,*+ ary mameno ny kaopy amin’ny divay misy fangarony ho an’ny andriamanitry ny Lahatra.+ 12  Dia hatolotro ho amin’ny sabatra ianareo,+ ka hiankohoka hovonoina ianareo rehetra.+ Niantso aho+ mantsy, fa tsy namaly ianareo. Niteny aho, fa tsy nihaino ianareo.+ Nanao izay ratsy teo imasoko foana ianareo,+ ary ny zavatra tsy sitrako no nofidinareo.”+ 13  Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ny mpanompoko hihinana,+ fa ianareo kosa ho noana.+ Ny mpanompoko hisotro,+ fa ianareo kosa hangetaheta.+ Ny mpanompoko hifaly,+ fa ianareo kosa ho menatra.+ 14  Ny mpanompoko hihoby noho ny fifalian’ny fony,+ fa ianareo kosa hitaraindraina noho ny alahelom-po ary hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.+ 15  Ny hany sisa ho tavela avy aminareo dia ny anaranareo izay hampiasain’ny olom-boafidiko rehefa mianiana* izy. Ary hamono anareo tsirairay i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ Fa ny mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.+ 16  Koa izay mangataka fitahiana eny ambonin’ny tany dia hangataka fitahiana avy amin’ilay Andriamanitra mendri-pitokisana,+ ary izay mianiana eny ambonin’ny tany dia hianiana amin’ny anaran’ilay Andriamanitra mendri-pitokisana,+ satria hohadinoina sy hafenina tsy ho hitan’ny masoko ny fahoriana taloha.+ 17  “Fa hamorona lanitra vaovao+ sy tany vaovao+ aho. Dia tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.+ 18  Koa miravoravoa+ sy mifalia mandrakizay noho ny amin’izay hoforoniko.+ Fa hamorona an’i Jerosalema ho antom-pifaliana aho, ary ny vahoakany ho antom-piravoana.+ 19  Koa hifaly amin’i Jerosalema aho, ary hiravoravo amin’ny oloko.+ Ary tsy ho re ao aminy intsony ny fitomaniana sy ny fitarainana.”+ 20  “Tsy hisy intsony ny zaza minono ho velona andro vitsivitsy monja,+ na ny lahiantitra tsy mahatapitra ny androny.+ Fa mbola tanora ihany izay maty na dia zato taona aza izy. Ary ny mpanota kosa na efa zato taona aza, dia hozonina.+ 21  Hanao trano ny olona ka honina ao,+ ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany.+ 22  Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. Fa ho tahaka ny halavan’ny androm-piainan’ny hazo ny androm-piainan’ny oloko,+ ary hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.+ 23  Tsy ho very maina ny fisasarany,+ ary tsy hiteraka zaza hiharan’ny loza tampoka+ izy. Fa taranaka tahin’i Jehovah+ izy ireo sy ny taranany.+ 24  Koa mbola tsy miantso izy ireo dia efa hamaly aho,+ ary mbola eo am-pitenenana izy dia efa henoko.+ 25  “Ny amboadia+ sy ny zanak’ondry hiara-komana,+ ny liona hihina-mololo hoatran’ny omby,+ ary ny bibilava kosa dia vovoka no ho sakafony.+ Ary tsy handratra+ na hanimba eran’ny tendrombohitro masina+ ireny”, hoy i Jehovah.

Fanamarihana

A.b.t.: “eo anatrehan’ny tavako.”
Na: “andriamanitra mahatsara vintana.”
Izany hoe manozona.