Isaia 66:1-24

66  Izao no nolazain’i Jehovah: “Ny lanitra no seza fiandrianako,+ ary ny tany no fitoeran-tongotro.+ Koa trano manao ahoana no azonareo atao ho ahy,+ ary toerana manao ahoana no honenako?”+  “Nataon’ny tanako ireo zava-drehetra ireo, ka nanjary nisy daholo”,+ hoy i Jehovah. “Ny olona toy izao no tsinjoviko: Ny ory sy ny torotoro fo+ ary ireo mangovitra noho ny teniko.+  “Izay mamono omby, dia toy ny mamono olona ho faty.+ Izay manao sorona ondry, dia toy ny mively hatok’alika mba hahafaty azy.+ Izay manolotra fanomezana, dia toy ny manolotra ran-kisoa.+ Izay manolotra ditin-kazo manitra+ ho fahatsiarovana, dia toy ny milaza tsodrano avy amin’ny herin’ny maizina.+ Izy ireo ihany no mifidy ny lalan-kalehany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko tompoiny.+  Izaho kosa hifidy fomba hampijaliana azy ireo,+ ary hataoko mihatra aminy ny zavatra atahorany.+ Niantso aho mantsy nefa tsy nisy namaly, ary niteny aho nefa tsy nisy nihaino.+ Nanao izay ratsy teo imasoko foana izy ireo, ary ny zavatra tsy sitrako no nofidiny.”+  Aoka hihaino an’izao tenin’i Jehovah izao ianareo izay tora-kovitra noho ny teniny:+ “Ireo rahalahinareo izay mankahala anareo+ sy manilika anareo noho ny anarako,+ no nilaza hoe: ‘Homem-boninahitra anie i Jehovah!’+ Ary hiseho Andriamanitra ka ho faly ianareo,+ fa izy ireo kosa ho menatra.”+  Misy tabataba avy ao an-tanàna, ary misy feo avy ao an-tempoly!+ Izany dia feon’i Jehovah izay mamaly ny fahavalony araka ny sahaza azy.+  Mbola tsy nihetsi-jaza akory ravehivavy dia teraka.+ Mbola tsy nanaintaina akory izy dia tera-dahy.+  Iza no efa nandre zavatra toy izany?+ Iza no efa nahita zavatra toy izany?+ Hisy tany+ ho teraka ao anatin’ny iray andro+ ve? Sa hisy firenena+ hatao indray miteraka?+ I Ziona anefa vao nihetsi-jaza dia niteraka an’ireo zanany lahy.  “Izaho ve no hamaky ny ranon-dohany, dia izaho indray no hisakana azy tsy hihetsi-jaza?”,+ hoy i Jehovah. “Izaho ve no mahatonga azy hihetsi-jaza, dia izaho indray no hisakana azy tsy hamoaka ny zanany?”, hoy ny Andriamanitrao. 10  Mifalia sy miravoravoa miaraka amin’i Jerosalema,+ ianareo rehetra tia azy.+ Miravoravoa fatratra miaraka aminy, ianareo rehetra malahelo azy.+ 11  Ho afa-po amin’ny fampiononany tanteraka mantsy ianareo, sady ho finaritra tanteraka amin’ny voninahiny, toy ny zaza afa-po sy finaritra eo am-pinonoana amin-dreniny.+ 12  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Hataoko mikoriana eo aminy toy ny renirano ny fiadanana,+ ary ny voninahitry ny firenena ho toy ny riaka be.+ Dia hinono ianareo.+ Hosakelehina koa ianareo, ary hosafosafoina eo am-pofoana.+ 13  Hampiononiko foana ianareo,+ toy ny lehilahy ampiononin-dreniny foana. Hahazo fampiononana tokoa ianareo noho ny amin’i Jerosalema.+ 14  Dia hahita tokoa ianareo ka ho ravoravo ny fonareo,+ ary hihamatanjaka toy ny ahitra mitsimoka+ ny taolanareo.+ Ary ny tanan’i Jehovah dia hatao fantatry ny mpanompony,+ fa ny fahavalony kosa homelohiny.”+ 15  “Iny i Jehovah fa manatona toy ny afo,+ ary toy ny tafio-drivotra ny kalesiny,+ mba hampiharany ny fahatezerany sy ny fahavinirany ary ny lelafon’ny fananarany mafy.+ 16  Ho toy ny afo mandevona i Jehovah rehefa hampihatra didim-pitsarana amin’ny nofo rehetra, ka hampiasa ny sabany.+ Ary ho be dia be tokoa ny voavonon’i Jehovah.+ 17  Ho ringana daholo izay manamasina sy manadio ny tenany mba hankanesana any amin’ireo zaridaina,+ ho eo andamosin’ilay sampy eo afovoany, ary izay mihinana henan-kisoa+ sy zava-maharikoriko ary voalavo”,+ hoy i Jehovah. 18  “Koa satria fantatro ny ataon’izy ireo+ sy ny eritreriny,+ dia ho avy aho mba hanangona ny firenena rehetra sy ny samy hafa fiteny rehetra.+ Ary ho tonga ireny ka hahita ny voninahitro.”+ 19  “Dia hanangana famantarana eo aminy aho.+ Ary ny sasany amin’ireo sisa miangana dia halefako any amin’ireo firenena,+ izany hoe any Tarsisy+ sy Pola ary Loda+ izay mpampiasa tsipìka, sy any Tobala sy Javana+ izay nosy+ lavitra, dia any amin’ireo firenena mbola tsy nandre momba ahy na nahita ny voninahitro.+ Ary tsy maintsy hanambara ny voninahitro eo amin’ireo firenena izy ireo.+ 20  Dia halain’izy ireo daholo avy any amin’ny firenena rehetra ny rahalahinareo,+ ka hatolony ho fanomezana ho an’i Jehovah,+ ary hoentiny amin’ny soavaly sy kalesy sy sarety mitafo sy ramole ary ramevavavy+ haingam-pandeha, mba hiakatra ho any Jerosalema tendrombohitro masina”,+ hoy i Jehovah. “Izany dia toy ny itondran’ny zanak’Israely fanomezana ao anaty vilia madio hankany an-tranon’i Jehovah.”+ 21  “Avy amin’izy ireo koa no hakako izay ho mpisorona sy Levita”, hoy i Jehovah. 22  “Fa maharitra eo anatrehako ny lanitra vaovao+ sy ny tany vaovao+ izay foroniko,+ ary toy izany koa no haharetan’ny taranakareo+ sy ny anaranareo”,+ hoy i Jehovah. 23  “Koa manomboka amin’ny tsinam-bolana ka hatramin’ny tsinam-bolana, ary manomboka amin’ny sabata ka hatramin’ny sabata, dia ho tonga hiankohoka eo anatrehako+ ny olona rehetra”, hoy i Jehovah. 24  “Ary hivoaka izy ireo ka hitazana ny fatin’ireo olona nandika ny lalàko.+ Fa tsy ho faty ny olitra eny amin’ireny, ary tsy hovonoina ny afony.+ Dia ho zava-maharikoriko amin’ny olona rehetra ireny.”+

Fanamarihana