Isaia 7:1-25

7  Ary tamin’ny andron’i Ahaza+ zanak’i Jotama zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, dia niakatra hiady tamin’i Jerosalema i Rezina+ mpanjakan’i Syria sy Peka+ zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Israely. Tsy naharesy azy anefa izy ireo.+  Ary nisy nilaza tamin’ny taranak’i Davida hoe: “Miantehitra amin’i Efraima+ i Syria.” Dia nipararetra ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoakany, eny, nipararetra toy ny hazo any an’ala tsofin’ny rivotra.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Isaia: “Mandehana re ianao sy Seara-jasoba+ zanakao lahy e, ka tsenao eo amin’ny faran’ny lakandranon’ilay+ dobo ambony i Ahaza, eo amin’ilay lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.+  Dia lazao aminy hoe: ‘Mitandrema tsara, ary aza manahy.+ Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao+ noho ny amin’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, eny, noho ny amin’ny fahatezerana mafin’i Rezina mpanjakan’i Syria sy ny zanak’i Remalia.+  Fa efa niray tetika hanisy ratsy anao i Syria miaraka amin’i Efraima sy ny zanak’i Remalia, ka nanao hoe:  “Andao hiakatra hamely an’i Joda, ka handrava azy sy hanagorobaka ny mandany sy hamabo azy, ary hanendry mpanjaka hafa hanjaka ao, dia ny zanak’i Tabela.”+  “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Tsy ho tanteraka izany, ary tsy hitranga.+  Fa i Damaskosy no lohan’i Syria, ary i Rezina no lohan’i Damaskosy. Rehefa afaka dimy amby enimpolo taona monja, dia ho rava tsy ho firenena intsony i Efraima.+  I Samaria+ no lohan’i Efraima, ary ny zanak’i Remalia+ no lohan’i Samaria. Koa raha tsy mety mino ianareo, dia tsy haharitra ela.”’”+ 10  Hoy koa i Jehovah tamin’i Ahaza: 11  “Mangataha famantarana avy amin’i Jehovah Andriamanitrao,+ ka ataovy lalina be toy ny toeran’ny maty* izany, na avo toy ny lanitra.” 12  Hoy anefa i Ahaza: “Tsy hangataka aho, sady tsy hitsapa toetra an’i Jehovah.” 13  Dia hoy ilay mpaminany: “Mba henoy kely izao, ry taranak’i Davida ô! Tsy ampy anareo angaha ny manasatra olona, no mbola manasatra an’Andriamanitro koa ianareo?+ 14  Koa hanome famantarana ho anareo i Jehovah: Ho bevohoka ny tovovavy+ ka hiteraka zazalahy,+ ary ny anarany hataony hoe Imanoela. 15  Raha mbola tsy hain’ilay zazalahy akory ny mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara,+ dia efa hihinana dibera sy tantely izy. 16  Fa raha mbola tsy hainy akory ny mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara,+ dia efa hilaozana tanteraka ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra mafy anao ireo.+ 17  Ary hataon’i Jehovah ho tonga aminao+ sy ny vahoakanao ary ny ankohonan-drainao ny andro izay mbola tsy nisy toa azy, hatramin’ny fotoana nisarahan’i Efraima tamin’i Joda+ ka hatramin’izao, dia ny andro hanafihan’ny mpanjakan’i Asyria.+ 18  “Ary amin’izany andro izany i Jehovah dia hisioka an’ireo lalitra any amin’ny faran’ireo lakandranon’i Neily any Ejipta sy ireo tantely+ any amin’ny tanin’i Asyria.+ 19  Dia ho tonga ireny, ka samy hitoetra eny amin’ny lohasaha falehan-driaka misy hantsam-be, sy any an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin’ny kirihitra feno tsilo rehetra, ary eny amin’ny toerana rehetra misy rano fisotroam-biby.+ 20  “Amin’izany andro izany, dia hampiasain’i Jehovah hanaratana ny loha sy ny volon-tongotra ny hareza nohofana tany amin’ny faritry ny Renirano,+ dia ny mpanjakan’i Asyria.+ Hesorina tanteraka amin’iny koa ny volombava.+ 21  “Amin’izany andro izany, dia vantotr’ombivavy iray sy ondry roa no harovan’ny olona tsy ho faty.+ 22  Noho ny habetsahan’ny ronono, dia hihinana dibera ny olona, satria tsy hisy afa-tsy dibera sy tantely+ no hohanin’izay sisa miangana eo amin’ilay tany. 23  “Amin’izany andro izany, dia tsilo sy ahidratsy fotsiny no haniry eny amin’ny toerana rehetra+ nisy foto-boaloboka arivo, izay nitentina farantsa volafotsy arivo.+ 24  Hitondra zana-tsipìka sy tsipìka izay olona hankany,+ satria ho rakotra tsilo sy ahidratsy ilay tany manontolo. 25  Ary tsy halehanao intsony ny tendrombohitra rehetra izay efa nisy niava tamin’ny angady, noho ny tahotrao ny tsilo sy ahidratsy. Dia ho lasa toerana hamelana ny omby hikarenjy izany, sady hohitsakitsahin’ny ondry.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.