Isaia 9:1-21

9  Ny haizina ao amin’ilay tany anefa, dia tsy ho toy ny tamin’ny fotoam-pahoriana, tamin’ny andro fahiny izay nanaovana tsinontsinona ny tanin’i Zebolona sy ny tanin’i Naftaly.+ Tatỳ aoriana dia nomem-boninahitra ihany ny tanin’izy ireo,+ izany hoe ilay lalana amoron-dranomasina any amin’ny faritr’i Jordana, dia i Galilian’ireo hafa firenena.+  Koa nahita hazavana lehibe+ ny olona nandeha tao amin’ny haizina, ary niposahan’ny hazavana ireo nitoetra tao amin’ny tanin’ny haizim-pito.+  Nataonao be mponina ilay firenena,+ ary nataonao lehibe ny fifaliany.+ Nifaly teo anatrehanao izy ireo, toy ny olona mifaly amin’ny fotoam-pijinjana+ sy toy ireo mifaly eo am-pizarana zavatra azo babo.+  Fa toy ny tamin’ny andron’ny Midianina,+ dia hopotipotehinao ny zioga nentin’izy ireo,+ sy ny tsorakazo nikapohana ny sorony, eny, ny tehina nampiasain’ireo nanery azy hiasa.+  Hatao kitay+ ny baotin’ireo olona mirodorodo+ mampihovotrovotra ny tany, sy ny lamba fitafiny mihosin-dra.  Fa misy zaza teraka ho antsika,+ zazalahy no homena antsika,+ ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana.+ Ny anarany dia hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga,+ Andriamanitra Mahery,+ Ray Mandrakizay,+ Andrianan’ny Fiadanana.+  Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany+ ary tsy hisy farany koa ny fiadanana,+ eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io,+ ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampitoetra azy, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.+  Nandefa teny fanamelohana an’i Jakoba i Jehovah, ary nihatra tamin’i Israely izany.+  Ary hahalala izany ny vahoaka manontolo,+ dia i Efraima sy ny mponin’i Samaria,+ noho izy ireo nirehareha sy nanivaiva, ka nilaza hoe:+ 10  “Biriky no rava, fa vato voapaika+ kosa no hanorenanay. Aviavidia+ no nokapaina, fa hazo sedera kosa no hanoloanay azy.” 11  Hasandratr’i Jehovah hamely azy ny fahavalon’i Rezina, ary hampirisihiny ny fahavalon’ny Israely,+ 12  dia i Syria avy any atsinanana+ sy ny Filistinina avy any aoriana,+ izay nanoka-bava handrapaka ny Israely.+ Noho izany faharatsiana rehetra izany, dia tsy mitony mihitsy ny fahatezerany, fa mbola maninjitra ny tanany ihany Izy.+ 13  Tsy niverina tamin’Ilay namely azy ny vahoaka,+ sady tsy nitady an’i Jehovah+ Tompon’ny tafika. 14  Koa hotapahin’i Jehovah tsy ho eo amin’ny Israely, ao anatin’ny iray andro,+ ny loha+ sy ny rambo+ mbamin’ny tsimoka sy ny harefo. 15  Ny olo-manan-kaja efa zokiolona no loha,+ ary ny mpaminany milaza lainga no rambo.+ 16  Ny mpitarika an’ity vahoaka ity ihany no mampirenireny azy,+ ka very hevitra ireo olona tarihina.+ 17  Koa tsy ho faly amin’ny tovolahin’izy ireo i Jehovah,+ sady tsy hamindra fo amin’ny kamboty ray sy ny mpitondratena. Fa mpivadi-pinoana+ daholo izy ireo sady mpanao ratsy, ary miboiboika hadalana ny vava rehetra. Noho izany faharatsiana rehetra izany, dia tsy mitony mihitsy ny fahatezerany, fa mbola maninjitra ny tanany+ ihany Izy. 18  Midedadeda toy ny afo+ ny faharatsiana, ka hataony kila ny tsilo sy ny ahidratsy.+ Ho azony koa ny kirihitrala,+ ka hataony misavoana toy ny setroka+ mitambolimbolina. 19  Mirehitra ny tany noho ny fahatezeran’i Jehovah Tompon’ny tafika, ary hatao kitay ny olona.+ Tsy hisy haneho fangorahana na amin’ny rahalahiny aza.+ 20  Hotetehiny ny ao ankavanana nefa ho noana ihany izy, ary hohaniny ny ao ankavia nefa tsy ho voky izy.+ Samy hihinana ny nofon-tsandriny izy ireo,+ 21  ka i Manase hihinana an’i Efraima, ary i Efraima hihinana an’i Manase. Ary hiara-mamely an’i Joda izy ireo.+ Noho izany faharatsiana rehetra izany, dia tsy mitony mihitsy ny fahatezerany, fa mbola maninjitra ny tanany ihany Izy.+

Fanamarihana