Jakoba 1:1-27

1  Jakoba,+ mpanompon’Andriamanitra+ sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo, miarahaba ny foko roa ambin’ny folo+ any am-pielezana.+  Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany.+  Fantatrareo mantsy fa miteraka fiaretana ny finoanareo vita sedra.+  Avelao hamita ny asany anefa ny fiaretana, mba ho lavorary*+ sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.+  Koa raha misy aminareo tsy ampy fahendrena,+ aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra,+ fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny.+ Dia homena azy izany.+  Aoka anefa izy hangataka amim-pinoana hatrany,+ ary tsy hisalasala mihitsy,+ fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina entin’ny rivotra+ ka atopatopany.  Aoka tsy hanantena handray na inona na inona avy amin’i Jehovah izany olona izany,+  fa olona misalasala+ izy, miovaova+ amin’izay rehetra ataony.  Fa aoka hifaly ny rahalahy mahantra satria misandratra,+ 10  ary ny manankarena+ satria mietry. Ho levona toy ny vonin’ny ahitra+ mantsy ny manankarena. 11  Fa rehefa miposaka ny masoandro izay mandefa hafanana mandoro, dia malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny ary levona ny hatsaran-tarehiny. Halazo toy izany koa ny manankarena eo amin’izay ataony.+ 12  Sambatra izay olona miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana,+ satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana,+ izay nampanantenain’i Jehovah an’ireo tia azy foana.+ 13  Rehefa misy fitsapana,+ dia aoka izy tsy hilaza hoe: “Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.” Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa. 14  Tsapaina anefa ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany.+ 15  Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana,+ ary ny fahotana kosa rehefa tanterahina, dia miteraka fahafatesana.+ 16  Aza manaiky ho voafitaka ianareo,+ ry rahalahy malala. 17  Avy any ambony+ ny fanomezana+ tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana* eny amin’ny lanitra+ izany. Tsy miovaova toy ny fihodinan’ny aloka izy.+ 18  Niteraka antsika tamin’ny tenin’ny fahamarinana izy,+ satria izany no sitrapony,+ mba ho anisan’ny voaloham-bokatra+ amin’ny zavaboariny isika. 19  Fantaro izao, ry rahalahy malala: Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny,+ tsy ho mora tezitra,+ 20  fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahavitana izay marina+ eo imason’Andriamanitra. 21  Koa esory ny fitondran-tena mahamenatra rehetra sy izay zavatra tsy ilaina, dia ny faharatsiana.+ Ary ekeo amim-pahalemem-panahy ny teny,+ izay afaka mamonjy ny ainareo,*+ ka amboleo ao am-ponareo. 22  Aoka kosa ianareo ho mpankatò ny teny,+ fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany, ka hamita-tena amin’ny fiheveran-diso.+ 23  Raha misy mpihaino ny teny fa tsy mpankatò,+ dia toy ny olona mijery ny tarehiny eo amin’ny fitaratra izy. 24  Mijery ny tenany izy dia lasa, ary hadinony avy hatrany hoe manao ahoana izy. 25  Fa izay mijery tsara ny lalàna tonga lafatra+ mitondra fahafahana, ary maharitra amin’izany, ka tonga mpankatò ny teny+ fa tsy mpihaino manadino, dia ho sambatra+ izy rehefa mankatò. 26  Raha misy olona mihevi-tena ho mpivavaka+ nefa tsy manisy lamboridy ny lelany,+ fa mbola mamitaka ny fony ihany izy,+ dia zava-poana ny fivavahana arahin’izany olona izany.+ 27  Izao no fivavahana madio+ sady tsy misy loto+ eo imason’Andriamanitra Raintsika: Ny mikarakara ny kamboty+ sy ny vehivavy mpitondratena+ amin’ny fahoriany,+ ary ny miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao+ tontolo izao.+

Fanamarihana

Na: “feno.”
Masoandro sy volana ary kintana.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.