Jakoba 2:1-26
2 Ry rahalahiko, manam-pinoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika sy voninahitsika+ ve ianareo, nefa mizaha tavan’olona?+
2 Raha miditra ao amin’ny fivorianareo,+ ohatra, ny olona iray manao peratra volamena sy akanjo mirenty, ary miditra koa ny mahantra iray maloto akanjo,+
3 dia ilay manao akanjo mirenty no tianareo kokoa,+ ka ilazanareo hoe: “Mipetraha eto amin’ny toerana tsara eto ianao.” Fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe: “Mijoroa eo ihany ianao”, na hoe: “Mipetraha etsy ambany etsy, eo akaikin’ny fitoeran-tongotro.”
4 Raha izany, tsy misy fanavakavahana ve eo aminareo,+ ka lasa mpitsara+ miangatra+ ianareo?
5 Henoy izao, ry rahalahy malala: Tsy ny mahantra+ eo amin’izao tontolo izao ve no nofidin’Andriamanitra hanan-karena+ amin’ny finoana, sy ho mpandova ilay fanjakana nampanantenainy an’ireo tia azy?+
6 Ianareo anefa tsy manome voninahitra ny mahantra. Tsy ny manankarena ve no mampahory+ anareo sy mitaritarika anareo ho any amin’ny fitsarana?+
7 Tsy manevateva+ an’ilay anarana tsara niantsoana anareo+ ve izy?
8 Tena tsara anefa ny ataonareo raha ankatoavinareo hatrany izao mpanjakan’ny lalàna*+ izao, araka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+
9 Raha mbola mizaha tavan’olona foana anefa ianareo+ dia manota, satria asehon’ny lalàna+ fa mpandika lalàna ianareo.
10 Na iza na iza mitandrina ny Lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray monja, dia manjary meloka amin’izy rehetra.+
11 Fa ilay nilaza hoe: “Aza manitsakitsa-bady”,+ no nilaza koa hoe: “Aza mamono olona.”+ Raha tsy manitsakitsa-bady ianao nefa mamono olona, dia lasa mpandika lalàna.
12 Asehoy hatrany eo amin’izay lazainareo sy ataonareo fa hotsarain’ny lalàn’ny olona afaka ianareo.+
13 Hotsaraina tsy misy indrafo izay olona tsy mpamindra fo.+ Fa ny famindram-po dia mandresy ny fitsarana.
14 Inona no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana,+ nefa tsy asehony amin’ny ataony izany?+ Hahavonjy azy ve izany finoana izany?+
15 Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo isan’andro,+
16 nefa misy aminareo milaza aminy hoe: “Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!”, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, inona moa no soa azo avy amin’izany?+
17 Toy izany koa ny finoana, raha tsy aseho amin’ny atao,+ dia maty.
18 Hisy anefa hilaza hoe: “Finoana fotsiny ny anao, fa ny ahy kosa finoana aseho amin’ny atao. Asehoy amiko amin’izao fotsiny ny finoanao, fa izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny ataoko.”+
19 Mino ve ianao fa misy Andriamanitra tokana?+ Tena tsara izany. Ny demonia koa anefa mba mino ka mangovitra.+
20 Mba fantatrao moa, ry adala, fa tsy miasa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao?
21 Tsy nambara ho marina ve i Abrahama raintsika+ noho izay nataony, rehefa avy nanolotra an’i Isaka zanany teo ambony alitara izy?+
22 Hitanao fa ny finoany dia niara-niasa tamin’izay nataony, ary nanjary lavorary ny finoany noho izay nataony.+
23 Tanteraka àry ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe: “I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina izy.”+ Koa nantsoina hoe “naman’i Jehovah” izy.+
24 Hitanareo àry fa hambara ho marina+ ny olona noho izay ataony,+ fa tsy noho ny finoany fotsiny.+
25 Toy izany koa i Rahaba+ mpivaro-tena: Tsy nambara ho marina ve izy noho izay nataony rehefa avy noraisiny tsara ireo iraka, ka nalefany tany amin’ny lalan-kafa?+
26 Eny tokoa, maty ny vatana raha tsy misy aina,*+ ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.+