Jaona 1:1-51
1 Tany am-piandohana+ ny Teny,+ ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra,+ ary ny Teny dia andriamanitra.+
2 Niaraka tamin’Andriamanitra+ izy tany am-piandohana.+
3 Tamin’ny alalany no nisian’ny zava-drehetra,+ ary raha tsy noho izy dia tsy nisy na zavatra iray monja aza.
Ny zavatra nisy
4 tamin’ny alalany dia ny fiainana,+ ary ny fiainana no fahazavana+ ho an’ny olona.
5 Mamirapiratra ao anatin’ny haizina ny fahazavana,+ nefa tsy maharesy azy ny haizina.
6 Nisy lehilahy iray nirahina ho solontenan’Andriamanitra:+ Jaona no anarany.+
7 Tonga ho vavolombelona+ hanambara ny fahazavana izy,+ mba ho amin’ny alalany no inoan’ny karazan’olona rehetra.+
8 Tsy i Jaona ilay fahazavana,+ fa nirahina ho vavolombelona+ hanambara ilay fahazavana fotsiny izy.
9 Efa ho tonga eo amin’izao tontolo izao ilay tena fahazavana+ izay manazava+ ny karazan’olona rehetra.+
10 Teo amin’izao tontolo izao izy,+ ary tamin’ny alalany no nisian’izao tontolo izao,+ nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao.
11 Tonga tany amin’ny taniny izy, nefa tsy nandray azy ny olona tany aminy.+
12 Fa izay rehetra tena nandray azy+ dia nomeny fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra,+ satria nino ny anarany.+
13 Ary nateraka izy ireo, nefa tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na koa ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.+
14 Tonga nofo àry ny Teny,+ ary nonina teo amintsika, ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra tahaka ny an’ny zanaka lahitokan’ny+ ray. Feno hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy fahamarinana+ izy.
15 Nanambara momba azy i Jaona, ary niantsoantso tokoa izy, eny, izy ilay nilaza hoe: “Ilay ho avy ao aoriako no nialoha ahy, satria efa nisy talohako izy.”+
16 Feno+ hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy fahamarinana izy, ka nahazo avy tamin’izany isika rehetra, dia hatsaram-panahy tsy manam-paharoa miampy hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.+
17 Koa satria nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ny Lalàna,+ dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy kosa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ sy ny fahamarinana.+
18 Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana,+ fa ilay hany andriamanitra nateraka,+ izay eo an-tratran’ny+ Ray, no nanazava ny aminy.+
19 Izao no fanambaran’i Jaona rehefa naniraka mpisorona sy Levita avy any Jerosalema ny Jiosy mba hanontany azy hoe: “Iza moa ianao?”+
20 Niaiky izy fa tsy nanda, ary nitsotra hoe: “Tsy Kristy aho.”+
21 Dia nanontany azy izy ireo hoe: “Iza àry e? I Elia+ ve?” Ary hoy izy: “Tsy izy aho.” “Ianao ve Ilay Mpaminany?”+ Fa hoy ny navaliny: “Tsia!”
22 Noho izany, dia hoy ireo: “Iza àry ianao e? Lazao aminay mba hisy valin-teny hoentinay any amin’izay naniraka anay! Inona no lazainao momba anao?”+
23 Dia hoy izy: “Izaho ilay miantso mafy any an-tany efitra hoe: ‘Ataovy mahitsy ny lalana halehan’i Jehovah’, araka ny nolazain’i Isaia mpaminany.”+
24 Ary iraka avy tamin’ny Fariseo ireo,
25 ka nanontany azy hoe: “Koa nahoana àry ianao no manao batisa+ raha tsy ianao no Kristy na Elia na Ilay Mpaminany?”
26 Fa namaly i Jaona hoe: “Izaho manao batisa amin’ny rano, fa eo aminareo+ kosa misy olona iray mitsangana, izay tsy fantatrareo.+
27 Izy ilay ho avy ao aoriako, nefa tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho.”+
28 Tany Betania no nitrangan’izany, teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa.+
29 Hitany nanatona azy i Jesosy ny ampitson’iny, ka hoy izy: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra+ izay manaisotra ny fahotan’izao+ tontolo izao!+
30 Izy ilay nolazaiko hoe: Misy olona ho avy ao aoriako, nefa efa nialoha ahy izy, satria efa nisy talohako.+
31 Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa ny mba hampisehoana azy amin’ny Israely no anaovako batisa amin’ny rano.”+
32 Ary nanome porofo koa i Jaona, ka nanambara hoe: “Hitako nidina toy ny voromailala avy tany an-danitra ny fanahy, ka nitoetra teo amboniny.+
33 Izaho aza tsy nahalala azy akory, fa Ilay naniraka ahy+ hanao batisa amin’ny rano mihitsy no nilaza tamiko hoe: ‘Izay olona hitanao idinan’ny fanahy sy itoerany, dia izy ilay manao batisa amin’ny fanahy masina.’+
34 Efa hitako izany, ka nanaporofo aho fa izy no Zanak’Andriamanitra.”+
35 Ny ampitson’iny indray koa, raha mbola niara-nijoro tamin’ny mpianany roa lahy i Jaona,
36 dia nahita an’i Jesosy nandalo izy, ka nanao hoe: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!”+
37 Nandre ny teniny ireo mpianatra roa lahy ireo, ary nanaraka an’i Jesosy.
38 Nitodika i Jesosy, ary nahita azy ireo nanaraka azy, ka nanao taminy hoe: “Inona no tadiavinareo?” Hoy ireo: “Raby—na Mpampianatra, raha adika—aiza ianao no mipetraka?”
39 Hoy izy: “Avia, dia ho hitanareo.”+ Nandeha àry izy roa lahy ka nahita izay nipetrahany, ary nipetraka tao aminy ny androtr’iny. Tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.
40 I Andrea,+ rahalahin’i Simona Petera ny iray tamin’ireo roa lahy nandre ny tenin’i Jaona ka nanaraka an’i Jesosy.
41 Nahita an’i Simona rahalahiny, aloha i Andrea, ka nanao hoe: “Efa hitanay ny Mesia!”+—na Kristy,+ raha adika.
42 Nentiny tany amin’i Jesosy izy, ary hoy i Jesosy rehefa nahita+ azy: “Ianao no Simona+ zanak’i Jaona,+ ary ianao hatao hoe Kefasy”—izay adika hoe Petera.+
43 Ary te ho any Galilia i Jesosy ny ampitson’iny. Nahita an’i Filipo+ àry izy, ka nanao hoe: “Andao hanara-dia ahy.”+
44 I Filipo dia avy any Betsaida,+ avy ao amin’ny tanànan’i Andrea sy Petera.
45 Nahita an’i Natanaela+ i Filipo, ka nilaza hoe: “Efa hitanay ilay olona voasoratr’i Mosesy ao amin’ny Lalàna+ sy voasoratry ny mpaminany,+ dia i Jesosy, zanak’i Josefa+ avy any Nazareta.”
46 Hoy anefa i Natanaela: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?”+ Fa hoy i Filipo: “Avia ange jereo e!”
47 Ary hitan’i Jesosy fa nanatona azy i Natanaela, ka hoy izy momba azy: “Izany ka tena Israelita, sady olona tsy misy fitaka.”+
48 Fa hoy i Natanaela: “Ahoana no ahafantaranao ahy?” Dia namaly i Jesosy hoe: “Efa hitako ianao talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, tamin’ianao teo ambany aviavy.”
49 Ary hoy i Natanaela: “Raby ô, Zanak’Andriamanitra+ ianao! Mpanjakan’ny+ Israely ianao!”
50 Fa hoy i Jesosy: “Ny nilazako taminao ve hoe hitako teo ambany aviavy ianao no mahatonga anao hino? Mbola hahita zavatra lehibe noho izany ianao.”
51 Hoy koa izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ho hitanareo ny lanitra misokatra, sy ny anjelin’Andriamanitra+ hiakatra sy hidina mankatỳ amin’ny Zanak’olona.”+