Jaona 10:1-42

10  “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra eo amin’ny vavahadin’ny+ valan’ondry, fa mananika any an-toeran-kafa dia mpangalatra sy mpandroba.+  Fa izay miditra eo amin’ny vavahady+ kosa no mpiandry+ ondry.+  Izy no vohan’ny mpiandry vavahady,+ ary mihaino ny feony ny ondry.+ Dia antsoiny amin’ny anarany avy ny ondriny, ka tarihiny hivoaka.  Koa rehefa tafavoakany daholo ny ondriny rehetra, dia mandeha eo alohan’ireo izy, ary ny ondry manaraka+ azy satria fantatr’ireo ny feony.+  Tsy hanaraka olona tsy fantany mihitsy ireo, fa handositra+ azy kosa satria tsy fantany ny feony.”+  Nilaza izany fanoharana izany taminy i Jesosy. Tsy azon’izy ireo anefa izay nolazain’i Jesosy taminy.+  Dia hoy indray i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izaho no vavahadin’ondry.+  Mpangalatra sy mpandroba izay rehetra naka ny toerako,+ nefa tsy nihaino azy ny ondry.+  Izaho no vavahady.+ Izay miditra eo amiko dia ho voavonjy, ary hiditra sy hivoaka izy ary hahita tanimbilona.+ 10  Ny mpangalatra+ tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana.+ Fa izaho kosa tonga mba hananany fiainana, eny, hananany fiainana maharitra. 11  Izaho no mpiandry+ tena tsara. Ny mpiandry tena tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondry.+ 12  Ny mpikarama+ kosa, noho izy tsy mba mpiandry sy tsy tompon’ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha mahita amboadia manatona, ka rombahin’ny amboadia sy aparitany ny ondry.+ 13  Mandositra izy satria mpikarama,+ ka tsy raharahainy ny ondry.+ 14  Izaho no mpiandry tena tsara ary fantatro ny ondriko,+ ary ny ondriko koa mahalala ahy,+ 15  toy ny ahafantaran’ny Ray ahy sy ahafantarako ny Ray.+ Ary foiko ho an’ny ondry ny aiko.*+ 16  “Manana ondry hafa+ tsy ao amin’ity vala ity+ aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy,+ ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.+ 17  Izao no itiavan’ny Ray ahy:+ Satria afoiko ny aiko+ mba hahazoako azy indray. 18  Tsy misy manaisotra ny aiko amiko fa izaho no mahafoy azy araka ny nahim-poko. Manana fahefana hamoy azy aho, ary manana fahefana hahazo azy indray.+ Izany no didy+ voaraiko avy tamin’ny Raiko.” 19  Dia nisara-kevitra+ indray ny Jiosy noho izany teny izany. 20  Ary maro no nanao hoe: “Misy demonia izy,+ sady adala. Koa nahoana ianareo no mihaino azy?” 21  Fa hoy ny sasany: “Tsy tenin’olona misy demonia izany. Ny demonia angaha afaka mampahiratra ny mason’ny jamba?” 22  Ary tonga ny fetin’ny fitokanana tany Jerosalema. Ririnina tamin’izay, 23  ary nandeha tao amin’ny tempoly i Jesosy, tao amin’ny lala-mitafon’i* Solomona.+ 24  Dia nitangoronan’ny Jiosy izy, ary hoy ireo: “Mandra-pahoviana ianao no hampisalasala anay? Tsory+ aminay raha ianao no Kristy.”+ 25  Dia namaly i Jesosy hoe: “Efa nolazaiko taminareo, saingy tsy mino ianareo. Ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko no porofo manamarina ahy.+ 26  Tsy mino anefa ianareo, satria tsy anisan’ny ondriko.+ 27  Ny ondriko+ mantsy mihaino ny feoko, ary izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.+ 28  Dia omeko fiainana mandrakizay izy,+ ary tsy ho ringana mihitsy+ sady tsy hisy handrombaka azy etỳ an-tanako.+ 29  Izay nomen’ny Raiko+ ahy dia sarobidy noho ny zavatra hafa rehetra,+ ary tsy misy maharombaka azy eny an-tanan’ny Ray.+ 30  Ary izaho sy ny Ray dia iray* ihany.”+ 31  Dia naka vato hitorahana azy indray ny Jiosy.+ 32  Hoy i Jesosy: “Asa tsara maro avy tamin’ny Ray no nasehoko taminareo, koa iza amin’ireo no itorahanareo vato ahy?” 33  Hoy ny navalin’ny Jiosy azy: “Tsy noho ny asa tsara no itorahanay vato anao, fa noho ny teny fanevatevana,+ satria olona ihany ianao nefa manao ny tenanao ho andriamanitra.”+ 34  Dia hoy i Jesosy: “Tsy voasoratra ao amin’ny Lalànareo+ ve hoe: ‘Hoy aho: “andriamanitra ianareo”’?+ 35  Koa raha antsoiny hoe ‘andriamanitra’+ ireo nomelohin’ny tenin’Andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina,+ 36  nahoana aho, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, no lazainareo hoe manevateva an’Andriamanitra satria aho nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra+ aho? 37  Aza mino ahy raha tsy manao ny asan’ny+ Raiko aho. 38  Fa raha manao izany kosa aho, na tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa kosa noho ny asa ataoko,+ mba hahafantaranareo ary mbola hahafantaranareo hatrany fa ny Ray dia tafaray amiko, ary izaho tafaray amin’ny Ray.”+ 39  Dia nitady hisambotra azy indray ireo,+ nefa niala izy ka tsy azony.+ 40  Nankany ampitan’ny Reniranon’i Jordana indray izy, ho any amin’ilay toerana nanaovan’i Jaona batisa+ tamin’ny voalohany, ary nijanona tany. 41  Nisy olona maro tonga teo aminy, ka nilaza hoe: “Tsy mba nanao famantarana i Jaona na iray aza. Marina daholo anefa izay rehetra nolazainy momba ity lehilahy ity.”+ 42  Ary maro no nino an’i Jesosy tany.+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Andry maro no manohana ny tafony.
Na: “tafaray.” Gr.: hen, izay midika hoe miara-miasa amim-piraisan-tsaina.