Jaona 11:1-57

11  Ary nisy lehilahy iray narary, dia i Lazarosy avy any Betania. Nonina tao amin’io tanàna kely io koa i Maria sy Marta+ rahavaviny.  Io Maria io ilay nanisy menaka manitra ny Tompo+ sy nanamaina ny tongony tamin’ny volon-dohany.+ Anadahiny i Lazarosy, ilay narary.  Koa nampilaza an’i Jesosy ireo anabavin’i Lazarosy hoe: “Tompo ô, marary ilay tsy foinao.”+  Hoy anefa i Jesosy raha nandre izany: “Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ho voninahitr’Andriamanitra,+ mba homem-boninahitra ny Zanak’Andriamanitra.”  Tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy i Jesosy,  kanefa mbola nijanona roa andro tany amin’izay nisy azy ihany izy rehefa reny fa narary i Lazarosy.  Taorian’izay, dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Andao indray ho any Jodia.”  Hoy anefa ny mpianany: “Raby+ ô, vao haingana ange ny Jodianina no nitady hitora-bato anao e!+ Dia hankany indray ve ianao?”  Fa namaly i Jesosy hoe: “Tsy adiny roa ambin’ny folo moa no mazava ny andro? Raha misy mandeha amin’ny antoandro,+ dia tsy midona amin-javatra izy, satria hitany ny fahazavan’izao tontolo izao. 10  Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina,+ dia midona amin-javatra izy, satria ny fahazavana tsy ao anatiny.” 11  Nilaza izany izy, ary hoy indray izy avy eo: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.”+ 12  Dia hoy ny mpianany: “Tompo ô, ho sitrana izy raha matory.” 13  Ny fahafatesany anefa no nolazain’i Jesosy, fa ireo kosa nihevitra hoe ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso. 14  Tamin’izay, dia notsorin’i Jesosy hoe: “Maty+ i Lazarosy. 15  Ary noho ny aminareo, dia faly aho satria tsy tany, mba hinoanareo. Fa andao isika ho any aminy.” 16  Niteny tamin’ny mpianatra hafa i Tomasy, ilay atao hoe Ikambana, ka nilaza hoe: “Andao koa isika handeha, mba hiara-maty aminy.”+ 17  Koa tonga àry i Jesosy, ka hitany fa efa efatra andro i Lazarosy no tao am-pasana.+ 18  Akaikin’i Jerosalema i Betania, telo kilaometatra eo ho eo no nanelanelana azy. 19  Koa nisy Jiosy maro tonga hampionona+ an’i Marta sy Maria noho ny nahafatesan’ny anadahiny. 20  Ren’i Marta fa ho avy i Jesosy, ka lasa nitsena azy izy. Fa i Maria+ kosa mbola nipetraka tao an-trano ihany. 21  Dia hoy i Marta tamin’i Jesosy: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.+ 22  Ary na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa homen’Andriamanitra anao izay rehetra angatahinao.”+ 23  Hoy i Jesosy: “Hitsangana+ ny anadahinao.” 24  Dia hoy i Marta: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty+ amin’ny andro farany.” 25  Koa hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.+ Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.+ 26  Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy.+ Mino izany ve ianao?” 27  Hoy izy: “Eny, Tompo ô! Mino aho fa ianao no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga eo amin’izao tontolo izao.”+ 28  Dia lasa i Marta rehefa avy nilaza izany, ka niantso an’i Maria rahavaviny, ary nilaza taminy mangingina hoe: “Ao ny Mpampianatra,+ ary antsoiny ianao.” 29  Dia nitsangana haingana i Maria raha nandre izany, ka lasa nankany amin’i Jesosy. 30  Mbola tsy tonga tao an-tanàna anefa i Jesosy, fa mbola teo amin’ilay nitsenan’i Marta azy. 31  Rehefa nahita an’i Maria nitsangana avy hatrany sy lasa nandeha ireo Jiosy niaraka taminy tao an-tranony+ sy nampionona azy, dia nanaraka azy satria noheveriny fa nandeha hitomany tany am-pasana+ izy. 32  Nony tonga teo amin’i Jesosy i Maria, dia niankohoka avy hatrany teo amin’ny tongony raha vao nahita azy, ka nanao hoe: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.”+ 33  Nalahelo mafy i Jesosy tao am-pony tao sady ory dia ory,+ rehefa nahita an’i Maria sy ireo Jiosy niaraka taminy nigogogogo nitomany. 34  Dia hoy izy: “Aiza no nametrahanareo azy?” Hoy ireo: “Tompo ô, andao jereo!” 35  Ary nirotsaka ny ranomason’i Jesosy.+ 36  Koa hoy ny Jiosy: “Lehibe tokoa izany fitiavany azy izany!”+ 37  Hoy anefa ny sasany: “Tsy hain’io lehilahy nampahiratra ny mason’ny+ jamba io ve ny nisakana an’ity iray ity tsy ho faty?” 38  Nalahelo mafy indray i Jesosy tao am-pony tao, ary nankeo amin’ny fasana+ izy, avy eo. Lava-bato ilay izy, ary nisy vato+ niankina taminy. 39  Ary hoy i Jesosy: “Esory ny vato.”+ Fa hoy i Marta, anabavin’ny maty: “Tompo ô, tsy maintsy maimbo izy izao, satria efa efatra andro izay.” 40  Hoy i Jesosy: “Tsy efa nilazako moa ianao fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?”+ 41  Dia nesorin’ireo ilay vato, ary niandrandra ny lanitra+ i Jesosy, ka nanao hoe: “Misaotra anao aho, Ray ô, fa efa nihaino ahy ianao.+ 42  Fantatro fa mihaino ahy foana ianao, fa noho ireto vahoaka+ mijoro manodidina ahy ireto no nilazako izany, mba hinoany fa ianao no naniraka ahy.”+ 43  Rehefa avy nilaza izany izy, dia niantso mafy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!”+ 44  Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty, mbola nisy fehim-paty+ ny tongony aman-tanany, ary nisy fehy lamba ny tarehiny. Hoy i Jesosy tamin’ny olona: “Vahao izy, ka avelao handeha.” 45  Ary maro tamin’ny Jiosy, izay tonga tao amin’i Maria sy nahita izay nataon’i Jesosy, no nino azy.+ 46  Fa ny sasany kosa nankany amin’ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataon’i Jesosy.+ 47  Dia namory ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy+ ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo, ka nanao hoe: “Inona no hataontsika, fa manao famantarana maro iny lehilahy iny?+ 48  Raha avelantsika amin’izao izy, dia hino azy daholo ny rehetra,+ ary ho avy ny Romanina+ ka haka ny tempolintsika*+ sy ny firenentsika.” 49  Hoy anefa ny iray taminy, dia i Kaiafa izay mpisoronabe tamin’izany taona izany:+ “Tsy mahalala na inona na inona ianareo, 50  ary tsy ao an-tsainareo hoe tsara ho anareo raha olona iray no maty+ ho an’ny vahoaka, toy izay ny firenena iray manontolo no ho rava.”+ 51  Tsy araka ny nahim-pony anefa no nilazany izany. Fa satria mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa efa voatendry ho faty ho an’ilay firenena i Jesosy, 52  ary tsy ho an’ilay firenena ihany, fa mba hanangonany ho iray+ koa ireo zanak’Andriamanitra any am-pielezana.+ 53  Nanomboka tamin’izay andro izay àry, dia nikaon-doha hamono an’i Jesosy ireo.+ 54  Tsy nandehandeha an-karihary+ teo amin’ny Jiosy+ intsony àry i Jesosy, fa niala teo ka nankany amin’ny faritra akaikin’ny tany efitra, tao amin’ny tanàna atao hoe Efraima.+ Ary nijanona tao niaraka tamin’ny mpianany izy. 55  Akaiky ny Paskan’ny+ Jiosy, ka olona maro no niakatra avy any ambanivohitra mba ho any Jerosalema alohan’ny Paska, mba hanadio ny tenany araka ny Lalàna.+ 56  Dia nandeha nitady an’i Jesosy ireo. Ary raha mbola nijorojoro tao amin’ny tempoly izy ireo, dia nifanontany hoe: “Ahoana ny hevitrareo? Tsy ho tonga amin’ny fety mihitsy ve izy?” 57  Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo efa nanome baiko fa raha misy mahalala izay misy azy, dia tokony hilaza izany, mba hisamboran’izy ireo azy.

Fanamarihana

A.b.t.: ‘toerantsika.’