Jaona 13:1-38

13  Fantatr’i Jesosy talohan’ny fetin’ny Paska fa tonga ny fotoana+ hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray.+ Ary tia ny mpianany izay eo amin’izao tontolo izao izy,+ eny, tiany hatramin’ny farany ireo.  Mbola teo am-pisakafoana hariva izy ireo, ary efa nataon’ny Devoly tao am-pon’i Jodasy Iskariota,+ zanak’i Simona, ny hamadika azy.+  Efa fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanome ny zava-drehetra ho eo an-tanany,+ sady avy tamin’Andriamanitra izy ka hankany amin’Andriamanitra.+  Koa raha mbola teo am-pisakafoana izy ireo, dia nitsangana izy, ka nametraka ny akanjony ivelany. Dia naka servieta izy, ka nafatony teo amin’ny andilany.+  Avy eo, dia nasiany rano tao anaty koveta ary nanomboka nanasa ny tongotry+ ny mpianatra izy, ka nanamaina izany tamin’ilay servieta nafatony teo amin’ny andilany.  Koa tonga teo amin’i Simona Petera izy, fa hoy i Petera: “Tompo ô, ianao ve no hanasa ny tongotro?”+  Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Izay ataoko dia tsy azonao izao, fa ho azonao rehefa avy eo.”+  Hoy i Petera: “Sanatria! Tsy hanasa ny tongotro ianao.” Fa namaly i Jesosy hoe: “Raha tsy hosasako ianao+ dia tsy misy iombonanao amiko.”  Dia hoy i Simona Petera: “Tompo ô, tsy ny tongotro ihany àry fa ny tanako sy ny lohako koa.” 10  Fa hoy i Jesosy: “Izay efa avy nandro+ dia tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ary efa madio ianareo, saingy tsy ianareo rehetra.” 11  Fantany mantsy ilay hamadika azy,+ ka izany no nilazany hoe: “Tsy ianareo rehetra no madio.” 12  Rehefa voasasany ny tongotr’ireo, dia nanaovany ny akanjony ivelany, ary nandry ilika indray izy mba hisakafo, ka nilaza hoe: “Fantatrareo ve izay nataoko taminareo teo? 13  Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’+ sy ‘Tompo’,+ ary marina ny anareo satria izany tokoa aho.+ 14  Koa izaho, na dia Tompo sy Mpampianatra aza, nanasa ny tongotrareo,+ dia mba tokony hifanasa tongotra koa ianareo.+ 15  Fa modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.+ 16  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, na izay irahina noho ilay naniraka azy.+ 17  Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.+ 18  Tsy ianareo rehetra no lazaiko amin’izany, fa fantatro ireo nofidiko.+ Fa izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina+ hoe: ‘Ilay niara-nihinana ny mofoko tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.’+ 19  Manomboka izao dia milaza aminareo mialoha aho,+ ka amin’izay, rehefa mitranga tokoa izany, dia hino ianareo fa izaho no izy. 20  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay mandray ny irahiko dia mandray ahy.+ Ary izay mandray ahy kosa, dia mandray ilay naniraka ahy koa.”+ 21  Ory dia ory izy rehefa avy nilaza izany, ka izao no nambarany: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa hamadika ahy ny iray aminareo.”+ 22  Dia nifampijery ny mpianatra, ka very hevitra nieritreritra hoe iza no nolazainy.+ 23  Ary ny anankiray tamin’ny mpianany, dia ilay tian’i Jesosy,+ no nandry ilika teo akaikin’ny tratrany. 24  Ary i Simona Petera nanao fihetsika tamin’ny lohany mba hiantsoana azy, ka nanao taminy hoe: “Teneno hoe iza izany lazainy izany?” 25  Koa niankina teo an-tratran’i Jesosy ilay mpianatra tiany, ka nanao taminy hoe: “Iza izany, Tompo ô?”+ 26  Dia namaly i Jesosy hoe: “Ilay homeko ny sombi-mofo atsoboko ao anaty vilia no izy.”+ Ary natsobony ny sombi-mofo ka nomeny an’i Jodasy, zanak’i Simona Iskariota. 27  Taorian’ny nanomezana ilay sombi-mofo, dia niditra tao amin’i Jodasy i Satana.+ Koa hoy i Jesosy taminy: “Ataovy haingana izay ataonao.” 28  Tsy nisy nahalala ny antony nilazany izany anefa ireo nihinana. 29  Nisy aza nihevitra hoe: Koa satria i Jodasy no nitana ny boatim-bola,+ dia nilaza taminy i Jesosy hoe: “Vidio izay ilaintsika amin’ny fety”, na tokony hanao fanomezana ho an’ny mahantra+ i Jodasy. 30  Nivoaka avy hatrany àry izy nony nahazo ilay sombi-mofo. Ary efa alina ny andro tamin’izay.+ 31  Rehefa tafavoaka i Jodasy, dia hoy i Jesosy: “Omem-boninahitra ny Zanak’olona izao,+ ary izy no anomezam-boninahitra an’Andriamanitra. 32  Ary Andriamanitra mihitsy no hanome voninahitra azy,+ eny, hanome voninahitra azy avy hatrany izy. 33  Kely sisa no iarahako aminareo, ry zanako+ malalako. Hitady ahy ianareo, ary lazaiko aminareo koa ankehitriny izay nolazaiko tamin’ny Jiosy hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha.’+ 34  Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo+ no tokony mba hifankatiavanareo koa.+ 35  Raha mifankatia ianareo,+ dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” 36  Hoy i Simona Petera: “Fa ho aiza ianao, Tompo ô?” Hoy i Jesosy: “Izay alehako tsy azonao anarahana ahy ankehitriny, fa hanaraka ahy ihany ianao any aoriana.”+ 37  Dia hoy i Petera: “Tompo ô, fa nahoana aho no tsy afaka manaraka anao ankehitriny? Na ny aiko aza hafoiko noho ianao.”+ 38  Hoy ny navalin’i Jesosy: “Hahafoy ny ainao* noho ny amiko ve ianao? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa mbola tsy maneno akory ny akoho dia efa handa ahy intelo ianao.”+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.