Jaona 15:1-27
15 “Izaho no tena voaloboka,+ ary ny Raiko no mpamboly.+
2 Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny daholo.+ Ary izay mamoa kosa rantsanany hadio+ mba hamoa bebe kokoa.+
3 Efa madio ianareo, noho ny teny nolazaiko taminareo.+
4 Aoka ianareo ho tafaray foana amiko, dia ho tafaray aminareo koa aho.+ Tsy afaka mamoa irery ny sampam-boaloboka, raha tsy tafaray amin’ny voaloboka. Tsy afaka mamoa koa ianareo, raha tsy tafaray foana amiko.+
5 Izaho no voaloboka ary ianareo no sampany. Izay tafaray foana amiko, ary izaho tafaray aminy, no mamoa be.+ Tsy afaka manao na inona na inona mihitsy mantsy ianareo, raha misaraka amiko.
6 Raha misy miala amiko, dia toy ny sampany ariana eny ivelany izy ka malazo. Ary angonin’ny olona ireny ka atsipiny ao anaty afo, ary may.+
7 Angataho izay tianareo fa ho tonga aminareo izany, raha tafaray foana amiko ianareo ka mitoetra ao am-ponareo ny teniko.+
8 Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.+
9 Tahaka ny itiavan’ny Ray ahy+ no itiavako anareo. Koa aza miala amin’ny fitiavako.
10 Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko+ toy ny itandremako ny didin’ny Ray+ sy tsy ialako amin’ny fitiavany.
11 “Lazaiko aminareo izany mba ho ao aminareo koa ny fifaliako, ary mba ho feno ny fifalianareo.+
12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo.+
13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy* ho an’ny namany.+
14 Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.+
15 Tsy antsoiko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony. Fa antsoiko hoe namana kosa ianareo,+ satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.+
16 Tsy ianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo. Ary nanendry anareo aho mba handehananareo sy hamokaranareo hatrany,+ eny, hamokaranareo voa izay haharitra eo foana. Amin’izay, dia homen’ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo aminy amin’ny anarako.+
17 “Izany zavatra izany no andidiako anareo mba hifankatiavanareo.+
18 Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo.+
19 Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao.+ Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo,+ fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.+
20 Tadidio ny teny nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.+ Ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny teninareo koa.
21 Noho ny anarako anefa no hanaovany izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany ilay naniraka ahy.+
22 Raha ohatra ka tsy tonga aho ary tsy niteny taminy, dia tsy ho nanan-keloka izy.+ Izao anefa izy tsy manana fialan-tsiny ny amin’ny helony.+
23 Izay mankahala ahy dia mankahala ny Raiko.+
24 Tsy ho nanan-keloka izy,+ raha tsy nataoko teo aminy ny asa mbola tsy nataon’iza na iza.+ Sady nahita ahy anefa izy izao no nankahala ahy sy ny Raiko koa.+
25 Fa mitranga izany mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: ‘Mankahala ahy tsy amin’antony izy ireo.’+
26 Ho tonga ny mpanampy, izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray.+ Rehefa tonga izy io, izany hoe ny fanahin’ny fahamarinana avy amin’ny Ray, dia hanome porofo momba ahy.+
27 Ary ianareo indray avy eo no hanome porofo momba ahy,+ satria ianareo efa niaraka tamiko hatrany am-boalohany.
Fanamarihana
^ Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.