Jaona 17:1-26

17  Niandrandra ny lanitra+ i Jesosy rehefa avy nilaza izany, ka nanao hoe: “Ray ô, tonga ny fotoana. Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao.+  Fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra izy+ mba hanomezany fiainana mandrakizay+ ho an’izay rehetra nomenao azy.+  Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay,+ dia ilainy ny mianatra hahalala+ anao, ilay hany tena Andriamanitra,+ sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.+  Efa nanome voninahitra+ anao aho teto an-tany, satria vitako ny asa nasainao nataoko.+  Koa ankehitriny, Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.+  “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao.+ Anao izy ireo ka nomenao ahy, ary efa notandremany ny teninao.  Efa fantany izao fa avy taminao ny zava-drehetra nomenao ahy.  Ny teny nomenao ahy mantsy no nomeko azy ireo,+ ary noraisiny ka fantany tokoa fa avy taminao aho sady solontenanao.+ Nino izy fa ianao no naniraka ahy.+  Mangataka aminao ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao+ aho fa ho an’ireo nomenao ahy, satria anao ireo 10  ary anao koa izay rehetra ananako, ary ahy izay anananao,+ ary efa nomem-boninahitra teo amin’izy ireo aho. 11  “Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony aho, fa izy ireo kosa no eto+ ary izaho ho any aminao. Ray Masina ô, arovy izy ireo+ noho ny amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy.+ 12  Raha mbola teo aminy aho, dia niaro azy+ noho ny amin’ny anaranao izay nomenao ahy, eny, efa narovako izy ireo, ka tsy nisy ringana na iray aza,+ afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana,+ mba hahatanteraka ny Soratra Masina.+ 13  Ho any aminao anefa aho izao, ary milaza izany eo amin’izao tontolo izao aho, amin’izay dia ho feno ny fifaliako izy ireo.+ 14  Efa nomeko azy ny teninao. Halan’izao+ tontolo izao anefa izy, satria tsy anisan’izao tontolo izao, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.+ 15  “Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy.+ 16  Tsy anisan’izao tontolo izao izy,+ tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.+ 17  Mba hamasino+ amin’ny alalan’ny fahamarinana izy ireo, fa ny teninao+ no fahamarinana.+ 18  Toy ny nanirahanao ahy ho amin’izao tontolo izao, no hanirahako azy koa ho amin’izao tontolo izao.+ 19  Ary ho azy ireo no anamasinako ny tenako, mba hanamasinana+ azy ireo koa amin’ny alalan’ny fahamarinana. 20  “Tsy ho an’ireto ihany anefa no angatahako fa ho an’izay mino ahy noho ny teniny,+ 21  mba ho iray izy rehetra,+ tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao,+ mba ho tafaray amintsika koa izy ireo,+ ka hinoan’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy.+ 22  Efa nomeko azy ireo koa ilay voninahitra nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika koa izy ireo.+ 23  Izaho tafaray aminy ary ianao tafaray amiko, mba ho iray tanteraka izy ireo,+ ka ho fantatr’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao ahy. 24  Ray ô, mba tiako hiaraka amiko any amin’izay misy ahy ireo nomenao ahy,+ mba hahitany ny voninahitro izay nomenao ahy, satria ianao efa tia ahy talohan’ny nanorenana+ izao tontolo izao.+ 25  Ray ô, marina+ ianao, ary tsy mahalala anao izao tontolo izao,+ fa izaho efa mahalala anao, ary ireto koa efa mahalala fa ianao no naniraka ahy.+ 26  Efa nampahafantariko azy ny anaranao,+ ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”+

Fanamarihana