Jaona 3:1-36

3  Nisy lehilahy iray anisan’ny Fariseo. Nikodemosy+ no anarany ary mpitondra teo amin’ny Jiosy izy.  Tonga tao amin’i Jesosy izy rehefa alina,+ ka nanao hoe: “Raby+ ô, fantatray fa mpampianatra+ avy amin’Andriamanitra ianao,+ satria tsy misy mahavita ireny famantarana+ nataonao ireny raha tsy Andriamanitra no momba azy.”+  Dia namaly i Jesosy hoe:+ “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra+ ny olona raha tsy ateraka indray.”+  Hoy i Nikodemosy: “Hataon’ny olona ahoana indray no hateraka rehefa antitra izy? Fa angaha moa izy afaka miditra indray ao an-kibon-dreniny mba hateraka?”  Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraky ny rano+ sy ny fanahy.+  Izay nateraky ny nofo dia nofo, ary izay nateraky ny fanahy dia fanahy.+  Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray+ ianareo.  Mitsoka any amin’izay tiany ny rivotra,*+ ary renao ny feony, saingy tsy fantatrao hoe avy aiza izy, na ho aiza. Dia toy izany koa izay rehetra ateraky ny fanahy.”+  Hoy ny navalin’i Nikodemosy: “Hatao ahoana no hahatonga izany?” 10  Hoy i Jesosy: “Mpampianatra ny Israely ianao, ka ahoana no tsy ahalalanao izany?+ 11  Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa izay fantatray no lazainay ary izay efa hitanay no ambaranay,+ fa ianareo kosa tsy nandray ny fanambaranay.+ 12  Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo nefa tsy inoanareo, ahoana moa no hinoanareo raha ny zavatra any an-danitra no lazaiko aminareo?+ 13  Ankoatra izany, dia tsy nisy niakatra tany an-danitra+ afa-tsy ilay nidina avy any,+ dia ny Zanak’olona.+ 14  Tahaka ny nanandratan’i Mosesy an’ilay bibilava+ tany an-tany efitra no tsy maintsy anandratana koa ny Zanak’olona,+ 15  mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.+ 16  “Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra+ an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana+ mba tsy ho ringana+ izay rehetra maneho finoana+ azy, fa hanana fiainana mandrakizay.+ 17  Tsy ny hanameloka+ an’izao tontolo izao no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany ho amin’izao tontolo izao, fa ny hamonjy+ izao tontolo izao kosa amin’ny alalany. 18  Tsy homelohina izay maneho finoana ny Zanaka,+ fa izay tsy maneho finoana azy kosa dia efa voaheloka, satria tsy naneho finoana ny anaran’ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra.+ 19  Izao no fototry ny fanamelohana: Tonga teo amin’izao tontolo izao ny mazava,+ saingy naleon’ny olona ny haizina toy izay ny mazava,+ satria ratsy ny ataony. 20  Fa izay zatra manao ratsy+ dia mankahala ny mazava, sady tsy manatona ny mazava sao hibaribary ny ataony.+ 21  Izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava+ mba haseho izay ataony, ka ho hita fa natao araka ny sitrapon’Andriamanitra izany.” 22  Nankany amin’ny faritr’i Jodia i Jesosy sy ny mpianany taorian’izany, ary nijanona kelikely tany niaraka tamin’ny mpianany izy, sady nanao batisa.+ 23  I Jaona+ koa anefa nanao batisa tao Ainona akaikin’i Saleima, satria nisy rano+ be tao, ary tonga foana ny olona ka natao batisa.+ 24  Mbola tsy naiditra am-ponja i Jaona tamin’izay.+ 25  Nitarika adihevitra tamin’ny Jiosy iray momba ny fidiovana,+ ny mpianatr’i Jaona. 26  Tonga teo amin’i Jaona àry izy ireo ka nanao hoe: “Raby ô, hitanao moa ilay lehilahy niaraka taminao teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana iny, dia ilay nambaranao iny?+ Manao batisa izy ary mankany aminy daholo ny olona.”+ 27  Hoy ny navalin’i Jaona: “Tsy misy afaka mahazo na inona na inona, raha tsy nomena azy avy tany an-danitra izany.+ 28  Ianareo mihitsy no vavolombelona fa efa nilaza aho hoe: ‘Tsy izaho no Kristy,+ fa nirahina hialoha azy+ fotsiny aho.’ 29  Izay manana ny ampakarina no mpampakatra.+ Na izany aza, dia faly be ny naman’ny mpampakatra rehefa mitsangana ka mandre ny feon’ny mpampakatra. Ary efa feno ankehitriny izany fifaliako izany.+ 30  Tsy maintsy mitombo iny olona iny, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.” 31  Izay avy any ambony dia ambonin’ny hafa rehetra.+ Izay avy amin’ny tany dia avy amin’ny tany, ary milaza zavatry ny tany.+ Izay avy any an-danitra dia ambonin’ny hafa rehetra.+ 32  Izay hitany sy reny no ambarany,+ nefa tsy misy manaiky ny fanambarany.+ 33  Izay nanaiky ny fanambarany dia nanisy tombo-kase manambara fa marina Andriamanitra.+ 34  Milaza ny tenin’Andriamanitra ilay nirahiny,+ satria tsy mba kahihitra+ Andriamanitra rehefa manome ny fanahiny. 35  Ny Ray tia+ ny Zanaka ka nomeny ho eo am-pelatanany ny zava-drehetra.+ 36  Izay maneho finoana+ ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay.+ Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana,+ fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.