Jaona 4:1-54
4 Ary fantatry ny Tompo fa ren’ny Fariseo hoe maro kokoa noho ny an’i Jaona ny mpianatra azon’i Jesosy sy nataony batisa.+
2 Tsy i Jesosy anefa no nanao batisa fa ny mpianany.
3 Koa niala tany Jodia izy ka nankany Galilia indray.
4 Tsy maintsy hamakivaky an’i Samaria+ anefa izy,
5 ka tonga tao amin’ny tanàna samaritanina atao hoe Sykara, akaikin’ilay tany nomen’i Jakoba an’i Josefa zanany.+
6 Tao, raha ny marina, no nisy ny fantsakan’i Jakoba.+ Reraky ny dia i Jesosy, ka nipetraka teo amin’ilay fantsakana. Tokony ho tamin’ny ora fahenina* tamin’izay.
7 Tonga hantsaka ny vehivavy samaritanina iray, ary hoy i Jesosy taminy: “Mba omeo rano aho hosotroiko.”
8 Fa lasa nividy hanina tany an-tanàna ny mpianany.
9 Dia hoy ilay vehivavy samaritanina: “Jiosy ianao, koa nahoana no mangataka amiko rano hosotroina, nefa izaho vehivavy samaritanina?”—Fa tsy mifandray amin’ny Samaritanina ny Jiosy.+—
10 Dia hoy i Jesosy: “Raha mba fantatrao mantsy ny fanomezana+ maimaim-poana avy amin’Andriamanitra, sy ilay+ milaza aminao hoe: ‘Mba omeo rano aho hosotroiko’, dia ianao no ho nangataka taminy, ka ho nomeny rano velona.”+
11 Hoy ravehivavy: “Tsy manana fanovozana ianao, tompoko, sady lalina ny lavadrano, koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
12 Ianao angaha lehibe noho+ i Jakoba razanay, izay nanome anay ity lavadrano ity, sady izy sy ny zanany ary ny biby fiompiny no nisotro teto?”
13 Ary namaly i Jesosy hoe: “Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray,
14 fa izay rehetra misotro ny rano homeko azy kosa tsy hangetaheta intsony mihitsy.+ Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano+ ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.”+
15 Koa hoy ravehivavy: “Omeo izany rano izany aho, tompoko, mba tsy hangetaheta na hiverimberina hantsaka eto intsony.”
16 Dia hoy izy: “Mandehana, antsoy ny vadinao ary mankanesa atỳ.”
17 “Tsy manambady aho”, hoy ny navaliny. Dia hoy i Jesosy: “Marina ny teninao hoe: ‘Tsy manambady aho.’
18 Fa efa nanana vady dimy ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy miara-mipetraka aminao izao. Koa marina izany voalazanao izany.”
19 Dia hoy ravehivavy: “Fantatro izao fa mpaminany+ ianao, tompoko.
20 Ny razanay nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity,+ nefa ianareo milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.”+
21 Hoy i Jesosy: “Minoa ahy ianao, ravehivavy fa ho avy ny fotoana ka tsy ho eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema+ no hivavahanareo+ amin’ny Ray.
22 Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo,+ fa izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray, satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.+
23 Na izany aza, ho avy ny fotoana, ary tonga izany ankehitriny, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy+ sy ny fahamarinana.+ Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy.+
24 Andriamanitra dia Fanahy,*+ ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”+
25 Hoy ravehivavy: “Fantatro fa ho avy ny Mesia,+ izay atao hoe Kristy,+ ary rehefa tonga izy, dia hambarany mazava amintsika ny zava-drehetra.”
26 Hoy i Jesosy: “Izaho izay miresaka aminao izao no izy.”+
27 Tamin’izay no tonga ny mpianany ka gaga, satria niresaka tamim-behivavy izy. Mazava ho azy fa tsy nisy niteny taminy hoe: “Inona no tadiavinao?” na hoe: “Nahoana ianao no niresaka taminy?”
28 Navelan’ilay vehivavy àry ny sininy, ary lasa nankany an-tanàna izy ka nanao tamin’ny lehilahy tao hoe:
29 “Avia ange ianareo e! Atsy misy lehilahy nilaza tamiko ny zava-drehetra nataoko. Izy angamba no Kristy!”+
30 Dia nivoaka ny tanàna ireo ka nankeo amin’i Jesosy.
31 Nandritra izay fotoana izay, dia nandrisika azy ny mpianany hoe: “Mihinàna, Raby+ ô!”
32 Hoy anefa izy: “Izaho manan-kanina izay tsy fantatrareo.”
33 Nifanontany àry ny mpianatra hoe: “Fa angaha nisy nitondra zavatra hohaniny teo?”
34 Hoy i Jesosy: “Ny haniko+ dia ny manao ny sitrapon’ilay+ naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.+
35 Tsy voalazanareo ve fa mbola misy efa-bolana vao ho tonga ny fijinjana? Izaho kosa milaza aminareo hoe: Atopazo ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.+ Efa
36 mahazo karama sahady ny mpijinja sady efa mamory ny vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay,+ mba hiara-miravoravo ny mpamafy sy ny mpijinja.+
37 Marina tokoa àry ilay teny hoe: Ny iray mpamafy, ary ny iray kosa mpijinja.
38 Naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo aho. Ny hafa no nisasatra,+ nefa ianareo no nanjary nandray soa tamin’izay nisasarany.”
39 Ary maro ny Samaritanina avy ao amin’io tanàna io no nino+ an’i Jesosy noho ny tenin’ilay vehivavy, izay nanambara hoe: “Nolazainy tamiko daholo ny zava-drehetra nataoko.”+
40 Rehefa tonga teo aminy àry ny Samaritanina, dia nangataka azy mba hijanona teo amin’izy ireo, ka nijanona tao roa andro izy.+
41 Vokatr’izany, dia nisy hafa koa nino noho ny tenin’i Jesosy.+
42 Ary hoy ireo tamin’ilay vehivavy: “Tsy noho ny filazanao intsony izao no inoanay, fa ny tenanay mihitsy no nandre,+ ka fantatray fa io tokoa no mpamonjy+ an’izao tontolo izao.”
43 Niala tao i Jesosy, rehefa afaka roa andro, ka nankany Galilia.+
44 Izy mihitsy anefa no nanambara fa tsy hajaina ny mpaminany raha ao amin’ny taniny.+
45 Rehefa tonga tany Galilia àry izy, dia nandray azy ny Galilianina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety.+ Tany amin’ilay fety koa mantsy izy ireo.+
46 Tonga tany Kana+ any Galilia indray àry izy, dia tany amin’ilay nanovany rano ho divay.+ Ary nisy tandapa iray tao nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.+
47 Ren’io lehilahy io fa niala tany Jodia i Jesosy ary tonga tany Galilia. Koa nandeha tany amin’i Jesosy izy ka nangataka azy hidina hanasitrana ny zanany izay efa ho faty.
48 Hoy anefa i Jesosy: “Tsy hino mihitsy mantsy ianareo raha tsy mahita famantarana+ sy fahagagana.”+
49 Hoy ilay tandapa: “Midìna re, Tompo ô, dieny mbola tsy maty ny zanako.”
50 Hoy i Jesosy: “Mandehana+ fa velona ny zanakao.”+ Nino ny tenin’i Jesosy ilay lehilahy ka lasa nandeha.
51 Raha iny izy mbola teny an-dalana hidina iny anefa, dia nitsena azy ny mpanompony mba hilaza taminy fa velona ny zanany.+
52 Nanontaniany azy ireo àry ny ora nahasitranany, ka hoy ireo: “Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny fanaviana+ taminy.”
53 Fantatr’ilay rainy àry fa tamin’izay ora+ izay indrindra i Jesosy no nilaza taminy hoe: “Velona ny zanakao.” Koa lasa mpino izy sy ny ankohonany manontolo.+
54 Izany no famantarana faharoa+ nataon’i Jesosy fony izy niala tany Jodia ka tonga tany Galilia.