Jaona 6:1-71

6  Lasa nankany ampitan’ny ranomasin’i Galilia na ranomasin’i Tiberiasy, i Jesosy taorian’izany.+  Nisy vahoaka be anefa nanaraka azy foana, noho ny nahitan’ireo ny famantarana nataony tamin’ny marary.+  Ary niakatra teo an-tendrombohitra+ i Jesosy, ka nipetraka teo niaraka tamin’ny mpianany.  Efa akaiky tamin’izay ny Paska,+ fetin’ny Jiosy,  ary nanopy ny masony i Jesosy ka nahita vahoaka be nanatona azy, dia hoy izy tamin’i Filipo: “Aiza isika no hividy mofo hohanin’ireto?”+  Fantany anefa izay efa hataony, fa mba hitsapana an’i Filipo no nilazany izany.  Hoy ny navalin’i Filipo azy: “Na mofo azon’ny denaria roanjato aza tsy ampy hahazoan’ny tsirairay sombiny kely avy.”+  Ary nilaza taminy ny mpianany anankiray, dia i Andrea, rahalahin’i Simona Petera, hoe:  “Intỳ misy zazalahikely manana mofo*+ dimy sy trondro madinika roa. Saingy inona no ho vitan’izany ho an’ireto vahoaka maro be ireto?”+ 10  Hoy i Jesosy: “Asaivo mandry ilika* toy ny rehefa misakafo ny olona.”+ Be ahitra teo, ka dia nandry ilika ny olona, ary dimy arivo teo ho eo ny isan’ny lehilahy.+ 11  Nalain’i Jesosy àry ny mofo, ka rehefa avy nanao vavaka fisaorana izy, dia nizara izany tamin’ireo nipetraka, ary toy izany koa ny trondro madinika, araka izay lanin’izy ireo.+ 12  Rehefa voky ny olona,+ dia hoy izy tamin’ny mpianany: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany mba tsy hisy ho verivery fotsiny.” 13  Nanangona izany àry izy ireo, ka nahafeno harona roa ambin’ny folo ny sombintsombiny avy tamin’ireo mofo dimy, izany hoe ny sisa tsy lanin’ireo nihinana.+ 14  Rehefa hitan’ny olona ny famantarana nataon’i Jesosy, dia hoy ireo: “Tena io mihitsy ilay mpaminany+ ho tonga amin’izao tontolo izao.” 15  Ary rehefa fantatr’i Jesosy fa efa ho avy izy ireo haka azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala+ teo izy ka nankany an-tendrombohitra indray izy irery. 16  Nidina ho any an-dranomasina ny mpianany rehefa hariva ny andro,+ 17  ka niakatra tao an-tsambokely ary niampita ny ranomasina mba ho any Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro, nefa mbola tsy tonga tany amin’izy ireo ihany i Jesosy. 18  Nisamboaravoara koa ny ranomasina, satria nifofofofo mafy ny rivotra.+ 19  Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra anefa izy ireo, dia nahita an’i Jesosy nandeha teo ambony ranomasina, sy nanatona an’ilay sambokely, hany ka natahotra izy ireo.+ 20  Fa hoy i Jesosy: “Izaho ihany ity. Aza matahotra!”+ 21  Koa naniry handray azy ho ao an-tsambokely izy ireo, ary tsy ela dia tonga tany amin’izay tany tian’izy ireo haleha ny sambokely.+ 22  Ny ampitson’iny, dia hitan’ilay vahoaka nijoro teny ampitan’ny ranomasina fa tsy nisy sambokely afa-tsy iray ihany teo, ary tsy niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy, fa ny mpianany ihany no lasa. 23  Nisy sambokely hafa anefa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ilay toerana nihinanan’ireo ny mofo, izay nanaovan’ny Tompo vavaka fisaorana. 24  Koa rehefa hitan’ilay vahoaka fa tsy teo na i Jesosy na ny mpianany, dia niakatra tao an-tsambokely ireo, ary nankany Kapernaomy hitady+ an’i Jesosy. 25  Hitany teny ampitan’ny ranomasina izy, ka hoy ireo taminy: “Raby+ ô, fa oviana ianao no tonga teto?” 26  Dia namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa tsy noho ny nahitanareo famantarana no itadiavanareo ahy, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.+ 27  Aza miasa hahazoana sakafo mety simba,+ fa miasà kosa hahazoana sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay,+ dia ny sakafo homen’ny Zanak’olona anareo. Fa izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase ho mariky ny fankasitrahany azy.”+ 28  Koa hoy ireo taminy: “Inona no tokony hataonay mba hanaovanay ny asan’Andriamanitra?” 29  Dia namaly i Jesosy hoe: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo+ Ilay nirahiny.”+ 30  Hoy ireo: “Inona àry no famantarana+ ataonao mba ho hitanay ka hinoanay anao? Inona no asa ataonao? 31  Ny razantsika mantsy nihinana ny mana+ tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy any an-danitra no nomeny hohanin’izy ireo.’”+ 32  Hoy àry i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.+ 33  Ilay midina avy any an-danitra sy manome fiainana ho an’izao tontolo izao mantsy no mofon’Andriamanitra.” 34  Dia hoy ireo: “Omeo izany mofo izany foana izahay, Tompo ô!”+ 35  Hoy i Jesosy: “Izaho no mofon’aina. Izay manatona ahy tsy mba ho noana mihitsy, ary izay maneho finoana ahy tsy hangetaheta intsony mihitsy.+ 36  Efa nilaza taminareo anefa aho hoe: Efa nahita ahy ianareo, nefa tsy mino.+ 37  Izay rehetra omen’ny Ray ahy dia hanatona ahy, ary izay manatona ahy tsy mba horoahiko mihitsy,+ 38  satria tsy ny hanao ny sitrapoko no nidinako avy any an-danitra,+ fa ny hanao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.+ 39  Ary izao no sitrapon’ilay naniraka ahy: Tsy tokony havelako hisy ho very izay rehetra nomeny ahy, fa tokony hatsangako amin’ny maty+ kosa amin’ny andro farany. 40  Fa izao no sitrapon’ny Raiko: Tokony hahazo fiainana mandrakizay+ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany.”+ 41  Nimenomenona taminy àry ny Jiosy noho izy nilaza hoe: “Izaho no mofo nidina avy any an-danitra”,+ 42  ka hoy ireo:+ “Tsy i Jesosy zanak’i Josefa+ ve io e? Fantatsika ny ray aman-dreniny, koa nahoana izy izao no milaza hoe: ‘Nidina avy any an-danitra aho’?” 43  Hoy ny navalin’i Jesosy azy: “Aza mimenomenona ianareo! 44  Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray+ izay naniraka ahy; ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany.+ 45  Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Ary hampianarin’i Jehovah izy rehetra.’+ Koa izay nandre tamin’ny Ray ka nianatra taminy, dia manatona ahy.+ 46  Tsy nisy nahita ny Ray,+ afa-tsy ilay avy amin’Andriamanitra. Izy no nahita ny Ray.+ 47  Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay mino no manana fiainana mandrakizay.+ 48  “Izaho no mofon’aina.+ 49  Nihinana ny mana+ ny razanareo tany an-tany efitra, nefa maty ihany. 50  Ity kosa no mofo nidina avy any an-danitra mba ho afaka hihinana azy ny olona, ka tsy ho faty. 51  Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra. Raha misy mihinana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko+ ho fiainan’izao tontolo izao.”+ 52  Dia nifanditra ny Jiosy, ka nanao hoe: “Hataon’io lehilahy io ahoana ny hanome ny nofony hohanintsika?” 53  Koa hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy mihinana ny nofon’ny+ Zanak’olona sy misotro ny rany+ ianareo, dia tsy manana fiainana+ ao anatinareo. 54  Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny maty+ amin’ny andro farany. 55  Fa tena sakafo ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. 56  Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia tafaray foana amiko, ary izaho koa tafaray aminy.+ 57  Velona+ ny Ray izay naniraka ahy, ary velona aho noho ny Ray. Dia toy izany koa izay mihinana ahy, ho velona izy noho ny amiko.+ 58  Ity no mofo nidina avy any an-danitra. Tsy tahaka ny razanareo izay nihinana nefa maty ihany, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.”+ 59  Izany no nolazainy rehefa nampianatra vahoaka tafavory tany Kapernaomy izy. 60  Ary maro tamin’ny mpianany izay nandre izany no nanao hoe: “Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?”+ 61  Fantatr’i Jesosy tany an-tsainy tany anefa fa nimenomenona momba izany ny mpianany, ka hoy izy: “Manafintohina+ anareo ve izany? 62  Koa hanao ahoana re raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nisy azy teo aloha+ ianareo e? 63  Ny fanahy no manome fiainana,+ fa ny nofo tsy mahasoa mihitsy. Ny teny nolazaiko taminareo dia avy amin’ny fanahy+ ary manome fiainana.+ 64  Misy aminareo anefa tsy mino.” Hatrany am-piandohana mantsy dia efa fantatr’i Jesosy hoe iza avy no tsy nino, ary iza ilay hamadika azy.+ 65  Hoy koa izy: “Izany no nilazako taminareo hoe: Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany.”+ 66  Maro tamin’ny mpianany àry no nihemotra,+ ka tsy niara-nandeha taminy intsony.+ 67  Dia hoy i Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: “Ianareo koa ve mba te hiala?” 68  Dia namaly i Simona Petera+ hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay?+ Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.+ 69  Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.”+ 70  Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy tokoa aho,+ nefa ny anankiray aminareo dia mpanendrikendrika.”+ 71  Niresaka momba an’i Jodasy izy, dia ilay zanak’i Simona Iskariota. Izy io mantsy no hamadika+ azy, nefa dia anisan’ny roa ambin’ny folo lahy.

Fanamarihana

Mofo vita amin’ny vary orza no resahina eto.
Jereo Mt 8:11 f.a.p.