Jaona 7:53–8:59
Tsy hita ao amin’ireo sora-tanana Kôdeksa Sinaiticus, Kôdeksa Vaticanus, ary ny Kôdeksa Sinaitika Syriàka ny andininy faha-53 ka hatramin’ny toko faha-8 andininy faha-11. Misy fahasamihafany izy ireo, ao amin’ireo soratra grika sy ny dikan-teny samihafa. Toy izao no voalaza ao:
53 Dia samy lasa nody tany an-tranony avy izy ireo.
8 Nandeha tany amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy.
2 Vao nangiran-dratsy anefa ny andro, dia nankao amin’ny tempoly indray izy ka nanatona azy ny rehetra. Dia nipetraka izy, ka nampianatra an’ireo.
3 Ary nisy vehivavy tratra nanitsakitsa-bady nentin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo teo aminy, ka najoron’izy ireo teo afovoany.
4 Dia hoy ireo tamin’i Jesosy: “Mpampianatra ô, tratra nanitsakitsa-bady ity vehivavy ity.
5 Nandidy antsika hitora-bato ny vehivavy toy itony i Mosesy ao amin’ny Lalàna. Fa inona kosa no lazainao?”
6 Mazava ho azy fa mba hamandrihana azy no nilazan’ireo izany, mba hisy hiampangana azy. Niondrika anefa i Jesosy ka nanoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsantanany.
7 Fa mbola nanontany azy ihany ireo, dia nitraka izy ka nanao hoe: “Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.”
8 Dia niondrika indray izy, ka nanoratra teo amin’ny tany.
9 Niala tsirairay anefa izay nandre izany, nanomboka tamin’ny zokiolona, hany ka i Jesosy irery sisa no teo, niaraka tamin’ilay vehivavy natao teo afovoany.
10 Dia nitraka i Jesosy ka nanao hoe: “Nankaiza ry zareo teo, ravehivavy? Tsy nisy nanameloka anao angaha?”
11 Hoy ilay vehivavy: “Tsy nisy, tompoko.” Dia hoy i Jesosy: “Izaho koa tsy manameloka anao. Mandehana, ary aza manohy ny fahotanao intsony.”
12 Koa hoy indray i Jesosy tamin’ireo: “Izaho no fahazavan’izao+ tontolo izao. Izay manaraka ahy, tsy mba handeha ao amin’ny maizina mihitsy,+ fa hanana ny fahazavana manome fiainana.”
13 Dia hoy ny Fariseo taminy: “Ianao mijoro ho vavolombelon’ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.”
14 Fa namaly i Jesosy hoe: “Na dia mijoro ho vavolombelon’ny tenako aza aho, dia marina ny fanambarako,+ satria fantatro izay niaviako sy izay alehako.+ Fa ianareo tsy mahalala izay niaviako sy izay alehako.
15 Ianareo mitsara araka ny fitsaran’olombelona,+ fa izaho kosa tsy mitsara na iza na iza.+
16 Ary raha mitsara aza aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery aho, fa miaraka amiko ny Ray+ izay naniraka ahy.
17 Voasoratra ao amin’ny Lalànareo koa hoe: ‘Marina ny tenin’ny vavolombelona roa.’+
18 Izaho mijoro ho vavolombelon’ny tenako ary ny Ray izay naniraka ahy mijoro ho vavolombeloko.”+
19 Dia hoy ihany ireo: “Aiza ny Rainao?” Ary hoy ny navalin’i Jesosy: “Samy tsy fantatrareo na izaho na ny Raiko.+ Raha nahalala ahy ianareo, dia ho fantatrareo koa ny Raiko.”+
20 Teo amin’ny toerana fitehirizam-bola+ sy zava-tsarobidy no nilazany izany, raha nampianatra tao amin’ny tempoly izy. Fa tsy nisy nisambotra azy,+ satria mbola tsy tonga ny fotoana voatondro+ ho azy.
21 Koa hoy indray izy tamin’ireo: “Andeha aho, ary hitady+ ahy ianareo, kanefa ho faty ao amin’ny fahotanareo ianareo.+ Ary izay alehako tsy azonareo aleha.”
22 Dia hoy ny Jiosy: “Hamono tena angaha izy no manao hoe: ‘Izay alehako tsy azonareo aleha’?”+
23 Koa hoy ihany izy tamin’ireo: “Ianareo avy atỳ ambany, izaho avy any ambony.+ Ianareo avy amin’ity tontolo ity,+ izaho tsy avy amin’ity tontolo ity.+
24 Izany no nilazako taminareo hoe: Ho faty ao amin’ny fahotanareo ianareo.+ Raha tsy inoanareo mantsy fa izaho no izy, dia ho faty ao amin’ny fahotanareo ianareo.”+
25 Dia hoy ireo: “Iza àry ianao e?” Hoy i Jesosy: “Tsy misy antony tokony hiresahako aminareo akory!
26 Manan-javatra maro holazaina momba anareo aho ary manan-javatra maro hotsaraina. Marina ilay naniraka ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.”+
27 Tsy azon’izy ireo fa niresaka taminy momba ny Ray izy.
28 Dia hoy i Jesosy: “Rehefa asandratrareo+ ny Zanak’olona+ vao ho fantatrareo fa izaho no izy.+ Ary tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho,+ fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.+
29 Ary miaraka amiko ilay naniraka ahy, fa tsy nandao ahy ho irery izy, satria manao izay sitrany foana aho.”+
30 Koa maro no nino azy+ rehefa niteny izany izy.
31 Hoy ihany i Jesosy tamin’ny Jiosy nino azy: “Raha tsy miala amin’ny teniko+ ianareo dia tena mpianatro tokoa,
32 ary ho fantatrareo ny marina,+ ary ny marina hanafaka+ anareo.”
33 Dia hoy ireo: “Taranak’i Abrahama+ ange izahay e, ary mbola tsy andevon’iza na iza mihitsy.+ Koa nahoana ianao no milaza hoe: ‘Ho afaka ianareo’?”
34 Ary namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa andevon’ny ota ireo zatra manota.+
35 Ary ny andevo tsy mitoetra mandrakariva ao an-trano, fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva ao.+
36 Tena ho afaka àry ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.+
37 Fantatro fa taranak’i Abrahama ianareo. Mitady hamono ahy anefa ianareo,+ satria tsy mahazo vahana ao am-ponareo+ ny teniko.
38 Izay efa hitako tamin’ny Raiko+ no lazaiko,+ ary ianareo manao izay efa renareo tamin’ny rainareo.”
39 Ary hoy ireo: “I Abrahama no rainay.”+ Dia hoy i Jesosy: “Ataovy àry ny asan’i Abrahama raha zanak’i Abrahama ianareo.+
40 Mitady hamono ahy anefa ianareo, dia izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra.+ Tsy mba nanao izany i Abrahama.+
41 Ianareo manao ny asan’ny rainareo.” Hoy ireo: “Tsy teraka avy tamin’ny fijangajangana izahay. Iray ihany ny Rainay,+ dia Andriamanitra.”
42 Hoy i Jesosy: “Tokony ho tia ahy ianareo raha Andriamanitra no Rainareo,+ satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nahatongavako eto.+ Tsy tonga araka ny nahim-poko velively aho, fa Izy no naniraka ahy.+
43 Nahoana no tsy azonareo izay lazaiko? Satria tsy zakanareo ny mihaino ny teniko.+
44 Ianareo avy amin’ny Devoly+ rainareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao.+ Mpamono olona hatrany am-piandohana izy,+ ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.+
45 Tsy mino ahy kosa ianareo,+ satria milaza ny marina aho.
46 Iza aminareo no afaka manaporofo fa nanota aho?+ Ary raha milaza ny marina aho, nahoana no tsy inoanareo?
47 Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra.+ Izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo.”+
48 Dia hoy ny Jiosy: “Tsy marina ve ny voalazanay fa Samaritanina+ tokoa ianao sady misy demonia?”+
49 Ary namaly i Jesosy hoe: “Tsy misy demonia aho, fa manome voninahitra ny Raiko,+ fa ianareo kosa tsy manome voninahitra ahy.
50 Tsy mitady voninahitra ho an’ny tenako anefa aho,+ fa misy Iray mitady izany sady mitsara.+
51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba ho faty mihitsy izy.”+
52 Hoy ny Jiosy: “Fantatray tokoa izao fa misy demonia ianao.+ Efa maty i Abrahama,+ ary maty koa ny mpaminany,+ nefa ianao milaza hoe: ‘Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy handia+ fahafatesana mihitsy izy.’
53 Ianao angaha lehibe noho+ i Abrahama rainay, izay efa maty? Efa maty koa ny mpaminany.+ Fa manao anao ho iza moa ianao e?”
54 Dia namaly i Jesosy hoe: “Tsinontsinona ny voninahitro raha manome voninahitra ny tenako aho. Ny Raiko no manome voninahitra ahy,+ dia izy izay lazainareo fa Andriamanitrareo.
55 Tsy fantatrareo anefa izy,+ fa izaho mahalala azy.+ Raha milaza aho fa tsy mahalala azy, dia mpandainga tahaka anareo koa. Fantatro anefa izy, ary mitandrina ny teniny aho.+
56 Ravoravo erỳ i Abrahama rainareo noho ny fanantenana hahita ny androko,+ ary nahita izy ka ravoravo.”+
57 Dia hoy ny Jiosy: “Mbola tsy dimampolo taona akory ianao, koa efa nahita an’i Abrahama ve?”
58 Hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa mbola tsy ary akory i Abrahama, dia efa nisy aho.”+
59 Dia naka vato hitorahana azy izy ireo,+ kanefa niafina i Jesosy ary niala tao amin’ny tempoly.