Jeremia 13:1-27

13  Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Mandehana, ataovy izay hahazoanao fehikibo vita amin’ny lamba rongony, ka afehezo eo amin’ny andilanao. Aza entina any anaty rano anefa ilay izy.”  Dia nataoko izay hahazoana ilay fehikibo, araka ny tenin’i Jehovah, ka nataoko teo amin’ny andilako.  Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’i Jehovah, nanao hoe:  “Alaivo ilay fehikibo eo amin’ny andilanao, ary mitsangàna ka mandehana any amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ary afeno any ilay izy, ao an-tsefatsefaky ny harambato.”  Dia lasa aho ka nafeniko teo amoron’i Eofrata ilay izy, araka ny nandidian’i Jehovah ahy.  Rehefa afaka andro maro anefa dia hoy i Jehovah tamiko: “Mitsangàna ka mandehana any amin’ny reniranon’i Eofrata ary alaivo ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.”  Dia nankany amoron’i Eofrata aho ka nandavaka, ary nalaiko tao amin’ilay toerana nanafenako azy ilay fehikibo, ka io fa efa simba ilay izy, sady tsy azo natao na inona na inona intsony!  Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hosimbako toy izany koa ny fireharehan’i Joda+ sy ny fireharehana tafahoatra ananan’i Jerosalema. 10  Ho sahala amin’io fehikibo tsy azo atao na inona na inona io koa ity vahoaka ratsy toetra ity, izay mandà tsy hankatò ny teniko,+ sy mandeha araka ny ditran’ny fony,+ ary manaraka andriamani-kafa mba hanompo an’ireny sy hiankohoka eo anatrehany.’+ 11  ‘Fa toy ny fehikibo mifatotra amin’ny andilan’ny olona, dia toy izany koa fa nataoko nifamatotra tamiko ny taranak’Israely manontolo sy ny taranak’i Joda manontolo’,+ hoy i Jehovah. ‘Amin’izay izy ireo dia ho oloko+ sy ho voninahitro+ sy ho fiderana ahy ary ho ravaka ho ahy. Tsy nankatò anefa izy ireo.’+ 12  “Lazao amin’izy ireo izao teny izao: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Natao hofenoina divay ny siny lehibe+ rehetra.”’ Dia tsy maintsy hilaza aminao izy ireo hoe: ‘Tsy efa fantatray angaha moa fa natao hofenoina divay ny siny lehibe rehetra?’ 13  Koa izao avaly azy ireo: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hataoko mamo+ ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity sy ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,+ sy ireo mpisorona sy mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema. 14  Ary hataoko mifandona izy ireo ka hifamotika ny ray sy ny zanany”,+ hoy i Jehovah. “Tsy hangoraka aho na halahelo, na hamindra fo aminy ka hoe tsy handringana azy.”’+ 15  “Mihainoa ka aoka ianareo hanongilan-tsofina. Aza manambony tena,+ fa i Jehovah no miteny.+ 16  Omeo voninahitra i Jehovah Andriamanitrareo,+ dieny mbola tsy mahatonga haizina izy+ ary dieny mbola tsy mifamingana eny an-tendrombohitra ny tongotrareo rehefa maizimaizina ny andro.+ Dia hanantena ny hisian’ny mazava tokoa ianareo,+ kanjo haizim-be no hataony tonga,+ ary hovany ho haizim-pito+ aza izany. 17  Raha tsy mihaino izany ianareo,+ dia hitomany ao amin’ny miafina aho noho ny fireharehanareo, eny, hikoriana tokoa ny ranomasoko. Ary handrotsaka ranomaso ny masoko,+ satria ho lasa babo ny andian’ondrin’i+ Jehovah. 18  “Lazao amin’ny mpanjaka sy ny andriambavy+ hoe: ‘Mipetraha eo ambany,+ satria ho latsaka avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.’+ 19  Nakatona ireo tanàna any atsimo mba tsy hisy hamoha. Natao sesitany ny fokon’i Joda manontolo. Eny, natao sesitany daholo izy ireo.+ 20  “Tazano ireo olona tonga avy any avaratra,+ ka jereo. Aiza ilay andian’ondry nomeny anao, dia ireo ondry tsara tarehy?+ 21  Inona no holazainao rehefa hitodika manokana aminao izy,+ nefa ianao no nampianatra azy noho izy namanao akaiky hatrany am-boalohany?+ Tsy hanaintaina mafy toy ny vehivavy mihetsi-jaza efa hiteraka+ ve ianao? 22  Ary hiteny anakampo+ ianao hoe: ‘Nahoana àry no manjo ahy izao?’+ Satria be ny fahadisoanao ka nesorina tsy hanarona ny fitanjahanao ny akanjonao.+ Ary noratraratraina ny voditongotrao. 23  “Mahavita manova ny volon-kodiny ve ny Kosita?+ Ary mahavita manova ny pentimpentina eo aminy ve ny leopara?+ Raha izany, dia mahavita manao ny tsara ianareo, izay nampianarina hanao ratsy.+ 24  Koa haparitako+ toy ny mololo entin’ny rivotra mitsoka avy any an-tany efitra+ izy ireo. 25  Izany no anjaranao avy amiko,+ eny, anjara voarefy ho anao”, hoy i Jehovah, “satria nanadino ahy+ ianao ary lainga no natokisanao.+ 26  Dia hingaiko hatreny amin’ny tavanao ny akanjonao, ka ho hitan’ny olona ny zavatra mahafa-baraka anao,+ 27  sy ny fanitsakitsaham-bady ataonao,+ sy ny filanao+ lehilahy, ary ny fitondran-tenanao baranahiny tamin’ianao nivaro-tena. Hitako ny zava-maharikoriko nataonao teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha.+ Lozanao, ry Jerosalema ô! Tsy hadio ianao.+ Mandra-pahoviana ianao no ho toy izany?”+

Fanamarihana