Jeremia 14:1-22
14 Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia, momba ny hain-tany:+
2 Misaona i Joda,+ milofika ireo vavahadiny+ ka midaboka amin’ny tany.+ Miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.+
3 Irahin’ny olo-manan-kaja hantsaka rano ny madinika.+ Dia tonga teny amin’ny lakandrano ireny nefa tsy nahita rano,+ ka niverim-potsiny. Koa menatra+ sy diso fanantenana ary misaron-doha+ ireny.
4 Menatra koa ny mpamboly ka misaron-doha,+ fa potika ny tany satria tsy nisy oram-be nilatsaka teo amin’ilay tany.+
5 Na ny serfavavy eny an-tsaha aza mahafoy ny zanany vao teraka, satria tsy misy ahi-maitso.
6 Ny zebra+ kosa mijanona eny amin’ny havoana mangadihady. Misefosefo toy ny fanaon’ny alikadia izy. Reraka ny masony satria tsy misy zavamaniry.+
7 Na dia miampanga anay aza ny fahadisoanay, Jehovah ô, dia aoka hanao zavatra ianao noho ny anaranao,+ fa efa imbetsaka izahay no nivadika taminao.+ Taminao izahay no nanota.+
8 Ry fanantenan’ny Israely ô,+ ry Mpamonjy azy+ amin’ny fotoam-pahoriana,+ nahoana no dia manjary toy ny mpivahiny eto amin’ity tany ity ianao, ary toy ny mpanao dia lavitra izay mivily eto mba hatory indray alina monja?+
9 Nahoana ianao no manjary toy ny olona very hevitra, sy tahaka ny lehilahy matanjaka tsy afa-mamonjy?+ Ianao anefa no eo aminay,+ Jehovah ô, ary antsoina amin’ny anaranao izahay.+ Aza dia afoy re izahay e!
10 Izao no nolazain’i Jehovah momba an’ity vahoaka ity: “Tia mirenireny izy ireo+ ary tsy mahatombina mihitsy fa te handeha foana ny tongony,+ hany ka tsy ankasitrahan’i Jehovah izy ireo.+ Koa hotsarovany ny fahadisoan’izy ireo, ary hataony ampamoaka izy noho ny fahotany.”+
11 Ary hoy i Jehovah tamiko: “Aza mivavaka ho an’ity vahoaka ity, ary aza mangataka izay hahasoa azy.+
12 Tsy hihaino ny fitarainany aho na dia mifady hanina aza izy.+ Ary na manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra varimbazaha aza izy, dia tsy hankasitraka izany aho.+ Fa horinganiko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ireo.”+
13 Dia hoy aho: “Indrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Izao no lazain’ny mpaminany amin’izy ireo: ‘Tsy ho azon-tsabatra ianareo, ary tsy hisy mosary hahazo anareo, fa tena fiadanana kosa no homeko anareo eto amin’ity toerana ity.’”+
14 Ary hoy i Jehovah tamiko: “Mandainga ireo mpaminany maminany amin’ny anarako ireo,+ fa tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy.+ Ny faminaniana lazainy aminareo mantsy dia fahitana sandoka, filazana ny hoavy amin’ny alalan’ny sikidy, zava-poana,+ ary fitaka noforomporonin’ny sainy.+
15 Maminany amin’ny anarako ireo mpaminany ireo nefa tsy nirahiko. Milaza izy ireo fa tsy hisy sabatra na mosary hamely an’ity tany ity. Koa izao no nolazain’i Jehovah momba azy ireo: ‘Sabatra sy mosary mihitsy no handripaka an’ireo mpaminany ireo.+
16 Ary ny olona izay nanambarany ny faminaniany kosa hatsipy eny an-dalamben’i Jerosalema, satria ho fatin’ny mosary sy ny sabatra. Koa tsy hisy handevina ny fatin’ireny sy ny fatin’ny vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy.+ Ary hataoko mihatra aminy ihany ny loza notadiaviny.’+
17 “Lazao amin’izy ireo izao teny izao: ‘Aoka handrotsaka ranomaso andro aman’alina ny masoko ka tsy hijanona mihitsy,+ fa voa mafy ny oloko zanakavavy virjiny,+ ary tena maratra be noho ny kapoka nahazo azy.+
18 Raha mivoaka hankeny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako!+ Ary raha miditra ao an-tanàna aho, dia ireo marary vokatry ny mosary no hitako!+ Fa samy mivenjivenjy any amin’ny tany tsy fantany+ ny mpaminany sy ny mpisorona.’”
19 Efa nolavinao tanteraka ve i Joda?+ Efa nankahalainao ve i Ziona?+ Nahoana no nokapohinao izahay ka tsy mety sitrana intsony?+ Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nisy zava-tsoa. Nanantena fotoam-panasitranana izahay, kanjo horohoro no niseho!+
20 Jehovah ô, miaiky ny ratsy vitanay izahay, ary miaiky fa nanao fahadisoana ny razanay.+ Nanota taminao izahay.+
21 Aza atao tsinontsinona izahay noho ny anaranao.+ Aza hamavoina ny seza fiandriananao be voninahitra.+ Mba tsarovy re, ary aza mivadika amin’ny fifanekena nataonao taminay e!+
22 Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy ilana azy+ tompoin’ireo firenena? Mahay mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny?+ Tsy Ianao ve no mahavita izany, ry Jehovah Andriamanitray ô?+ Koa ianao no antenainay, satria ianao no nanao izany rehetra izany.+