Jeremia 15:1-21

15  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Na i Mosesy+ sy Samoela+ aza no hijoro eto anatrehako, dia tsy hamindra fo amin’ity vahoaka ity aho.*+ Horoahiko tsy ho eto anatrehako izy ireo mba handeha.+  Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Handeha ho aiza anefa izahay?’, dia izao avaly azy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Ho any amin’ny loza mahafaty daholo izay natao ho an’ny loza mahafaty! Ho any amin’ny sabatra kosa izay natao ho an’ny sabatra! Ho any amin’ny mosary, ireo natao ho an’ny mosary!+ Ary ho any amin’ny fahababoana, ireo natao ho amin’ny fahababoana!”’+  “‘Handefa loza karazany efatra aho hamelezana azy ireo’,+ hoy i Jehovah, ‘dia ny sabatra izay hamono azy, ny alika izay hitaritarika azy, ary ny voro-manidina+ sy ny bibidia izay hihinana sy handringana azy.  Hataoko mangovitra ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo azy,+ noho ny amin’i Manase zanak’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, sy noho izay nataony tao Jerosalema.+  Fa iza no mba hiantra anao, ry Jerosalema ô? Ary iza no hangoraka anao?+ Iza no mba hivily hanontany hoe manahoana ianao?’  “‘Ianao no nahafoy ahy’,+ hoy i Jehovah. ‘Tsy mitsahatra ny mihemotra ianao.+ Koa haninjitra ny tanako hamely anao aho, ka handringana anao.+ Efa sasatry ny manenina aho.+  Hokororohiko amin’ny fikororohana+ izy ireo, eo amin’ireo vavahady ao amin’ilay tany. Ary hataoko fongana tokoa ny zanany.+ Haringako ny oloko satria tsy niala tamin’ny fanaony.+  Lasa maro noho ny fasika any an-dranomasina ny fahitako ny mpitondratenany. Na dia mitataovovonana+ aza ny andro, dia hitondra mpandroba aho hanafika ny reny sy ny zanany lahy tanora. Hataoko mivadi-po sy mivarahontsana tampoka izy ireo.+  Mihaosa ny vehivavy niteraka fito ary misefosefo.+ Na mbola antoandro aza dia milentika ny masoandrony,+ ka menatra sy mangaihay.’ ‘Ary hatolotro ho fatin-tsabatra eo anatrehan’ny fahavalony ny sisa amin’izy ireo’,+ hoy i Jehovah.” 10  Lozako,+ ry Neny, ny niterahanao ahy, fa iadian’ny olona sy ilan-dry zareo ady foana aho manerana an’ity tany ity.+ Tsy mba nampisambo-bola azy ireo aho, ary tsy nampisambo-bola ahy izy ireo, nefa manozona ahy izy rehetra.+ 11  Dia hoy i Jehovah: “Tena hanasoa anao aho.+ Hifampiraharaha amin’ny fahavalonao aho+ mba hiarovana anao, amin’ny fotoanan’ny loza+ sy amin’ny fotoam-pahoriana. 12  Misy mahapotipotika vy ve, dia ny vy avy any avaratra? Ary misy mahapotipotika varahina ve? 13  Homeko maimaim-poana+ ho an’ny mpandroba ny fanananao sy ny harenanao,+ noho ny fahotana rehetra nataonao nanerana ny faritaninao. 14  Hataoko lasan’ny fahavalonao ireny, ka hoentiny any amin’ny tany tsy fantatrao.+ Fa nirehitra ny afom-pahatezerako,+ eny, nirehitra handoro anareo!” 15  Fantatrao ny manjo ahy.+ Mba tsarovy aho,+ Jehovah ô, ka tsinjovy, ary valio ny mpanenjika ahy.+ Tsy mora tezitra ianao, nefa aza avela ho faty aho na izany aza.+ Tsarovy fa noho ny aminao no itondrako latsa.+ 16  Hitako ny teninao ka nohaniko.+ Maharavoravo ahy ny teninao+ sady mahafaly ny foko.+ Fa antsoina amin’ny anaranao aho,+ ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!+ 17  Tsy miara-mipetraka amin’ireo mpinamana be vazivazy+ aho, ary tsy mba mifalifaly.+ Mipetraka irery kosa aho noho ny tananao,+ satria hafatra fanamelohana no nankininao tamiko.+ 18  Nahoana no tsy mety tapitra ny fanaintainako,+ ary tsy misy fanafany intsony ny ratra tamin’ny kapoka nahazo ahy?+ Tsy mety sitrana ilay izy. Nanjary toy ny zavatra namitaka ahy no fiheverako anao,+ toy ny rano tsy azo itokisana.+ 19  Koa izao no nolazain’i Jehovah: “Raha hiverina amiko ianao, dia hataoko izay hiverenanao amiko,+ ka hitsangana eto anatrehako ianao.+ Ary ho mpitondra teniko ianao, raha mamoaka zava-tsarobidy avy amin’izay tsy misy dikany. Hiverina aminao ny vahoaka, fa ianao kosa tsy hiverina aminy.” 20  “Ataoko toy ny manda varahina voaro mafy ianao ho an’ity vahoaka ity.+ Tsy maintsy hiady aminao ireny, nefa tsy haharesy anao.+ Fa momba anao aho, mba hamonjy sy hanafaka anao”,+ hoy i Jehovah. 21  “Hanafaka anao eo an-tanan’ny ratsy fanahy aho,+ ary hanavotra anao eo am-pelatanan’ny olon-dozabe.”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.