Jeremia 17:1-27

17  “Voasoratra amin’ny penina vy+ ny fahotan’ny Joda, sady vita sokitra amin’ny fantsika diamondra, eo amin’ny fon’izy ireo+ sy eo amin’ny tandroky ny alitarany.+  Tadidin’ny taranany ny alitara sy ny tsato-kazo masina nataon’izy ireo teny akaikin’ny hazo midoroboka, teny amin’ny havoana avo,+  ary teny an-tendrombohitra. Homeko ho an’ny mpandroba ny fanananao sy ny harenanao rehetra.+ Homeko azy koa ny toerana avo naorinao, satria nanota ianao tany amin’ny faritaninao rehetra.+  Ary nafoinao an-tsitrapo ny lova nomeko anao.+ Koa hasaiko manompo ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao.+ Tezitra aho ka narehitra toy ny afo ianareo,+ ary hirehitra mandritra ny fotoana tsy voafetra izany afo izany.”  Izao no nolazain’i Jehovah: “Voaozona izay olona matoky olona+ sy miantehitra amin’ny sandry nofo,+ ka miala amin’i Jehovah ny fony.+  Ho toy ny hazo tokana any amin’ny lemaka karakaina izy, ka na tonga aza ny soa, dia tsy mba hahita izany izy.+ Honina any amin’ny faritra ngazana any an-tany efitra izy, any amin’ny tanin-tsira tsy misy mponina.+  Hotahina kosa izay olona matoky an’i Jehovah sy mametraka ny fitokisany amin’i Jehovah.+  Ho toy ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, izay mampisandrahaka ny fakany eny akaikin’ny renirano. Tsy hihontsina akory izy na tonga aza ny hafanana, fa hirobona foana ny raviny.+ Ary tsy hanahy izy na dia amin’ny taona isian’ny hain-tany+ aza fa hamoa foana.  “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.+ Iza no mahalala ny aminy? 10  Izaho Jehovah no mandinika ny fo+ sy mamantatra ny voa,+ mba hamaliako ny tsirairay araka izay ataony+ sy araka ny vokatry ny asany.+ 11  Izay olona manangon-karena tsy ara-drariny+ dia toy ny tsipoy manangona atody tsy azy. Hilaozany izany harenany izany raha mbola vao misasaka ny androm-piainany,+ ary ho hita fa adala izy amin’ny farany.”+ 12  Efa nasandratra hatrany am-boalohany ilay seza fiandrianana be voninahitra,+ ary io no toerana masina+ ho antsika. 13  Ho menatra izay rehetra mahafoy anao,+ ry Jehovah, fanantenan’ny Israely+ ô! Hosoratana eo amin’ny tany ny anaran’ireo mivadi-pinoana sy miala aminao,*+ noho izy ireo mahafoy an’i Jehovah, loharanon’ny rano velona.+ 14  Sitrano aho, Jehovah ô, dia ho sitrana.+ Vonjeo aho, dia ho voavonjy,+ fa ianao no deraiko.+ 15  Misy milaza amiko hoe: “Aiza ihany izay tenin’i Jehovah eo?+ Aoka ho tanteraka amin’izay izany!” 16  Izaho kosa anefa tsy maika ny hiala tsy ho mpiandry ny ondrinao. Ary tsy naniry ny hahatongavan’ny andro iavian’ny loza aho. Fantatrao tsara ny teny naloaky ny vavako, ary teo anatrehanao no nilazako izany. 17  Aoka ianao tsy hampisy horohoro ato anatiko.+ Ianao no fialofako amin’ny andro mahory.+ 18  Aoka ho menatra ireo mpanenjika ahy,+ fa izaho kosa tsy mba ho menatra.+ Aoka hihorohoro izy ireo, fa izaho kosa tsy mba hihorohoro. Ataovy tonga aminy ny andro mahory,+ ary ataovy avo roa heny ny fahavoazana mahazo azy.+ 19  Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Mandehana mijoro eo amin’ny vavahadin’ny zana-bahoaka, izay fandalovan’ireo mpanjakan’ny Joda rehefa miditra sy mivoaka, ary eo amin’ny vavahady rehetra ao Jerosalema.+ 20  Ary lazao aminy hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah, ry mpanjakan’ny Joda, sy ianareo olon’i Joda rehetra, ary ny mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ireto vavahady ireto.+ 21  Izao no nolazain’i Jehovah: “Aoka ianareo hitandrina,+ ka aza mitondra entana miditra ny vavahadin’i Jerosalema, rehefa sabata ny andro.+ 22  Aza mitondra entana avy ao an-tranonareo ianareo rehefa sabata ny andro, ary aza manao asa na inona na inona.+ Fa hamasino ny andro sabata, araka izay efa nandidiako ny razanareo.+ 23  Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina,+ fa nanamafy hatoka+ kosa ka tsy nihaino na nandray anatra.”’+ 24  “‘“Raha mankatò ahy an-tsakany sy an-davany ianareo”,+ hoy i Jehovah, “ka tsy mampiditra entana amin’ireo vavahadin’ity tanàna ity rehefa sabata ny andro,+ sady manamasina ny andro sabata ka tsy manao asa na inona na inona,+ 25  dia hisy mpanjaka sy andriana hiditra amin’ireo vavahadin’ity tanàna ity,+ eny, mpanjaka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida.+ Ary hitaingina kalesy sy soavaly izy ireo sy ny andrianany, mbamin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema. Dia honenana mandritra ny fotoana tsy voafetra ity tanàna ity. 26  Ho avy ny olona avy any amin’ireo tanànan’i Joda, sy ny manodidina an’i Jerosalema, sy ny tanin’i Benjamina,+ sy ny faritra iva,+ sy ny faritra be tendrombohitra,+ ary ny avy any Negeba,+ ka hitondra fanatitra ho ao an-tranon’i Jehovah, dia fanatitra dorana manontolo+ sy sorona+ sy fanatitra varimbazaha+ sy ditin-kazo manitra+ ary sorona fisaorana.+ 27  “‘“Fa raha tsy mankatò ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro sabata, fa mbola mitondra entana+ miditra amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ihany na sabata aza ny andro, dia handrehitra afo handoroana an’ireo vavahadiny aho+ ka ho levon’ny afo ireo tilikambo fonenana ao Jerosalema.+ Tsy hovonoina izany afo izany.”’”+

Fanamarihana

Heb.: “amiko”: Mety hanondro an’i Jehovah.