Jeremia 24:1-10

24  Nisy fahitana nasehon’i Jehovah tamiko: Aviavy roa harona napetraka teo anoloan’ny tempolin’i Jehovah. Naseho tamiko izany, taorian’ny nanaovan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sesitany an’i Jekonia+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianan’ny Joda sy ny mpanao asa tanana+ ary ny mpanorina manda fiarovana, rehefa nentiny avy any Jerosalema ho any Babylona izy ireo.+  Aviavy tena tsara toy ny aviavy vokatra voalohany+ no tao amin’ilay harona iray, fa aviavy tena ratsy kosa no tao amin’ilay iray, ka tsy azo hanina satria ratsy loatra.  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Inona no hitanao, ry Jeremia?” Dia hoy aho: “Aviavy! Tena tsara ireo aviavy tsara, fa tena ratsy kosa ireo aviavy ratsy, ka tsy azo hanina satria ratsy loatra.”+  Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Israely: ‘Tsara toa an’ireo aviavy tsara ireo no fahitako ny mponin’i Joda natao sesitany, izay noroahiko niala teto amin’ity toerana ity ka nalefako any amin’ny tanin’ny Kaldeanina.+  Dia hitsinjo azy ireo ny masoko,+ ary hampodiko eto amin’ity tany ity izy ireo,+ ka haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako.+  Ary homeko fo mahalala ahy izy ireo+ mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah. Dia ho oloko izy ireo+ ary izaho ho Andriamaniny, satria hiverina amiko amin’ny fony manontolo izy ireo.+  “‘Ary toy ny atao amin’ireo aviavy ratsy, izay tsy azo hanina satria ratsy loatra’,+ hoy i Jehovah, ‘no hataoko amin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda, sy ireo andrianany, sy ny mponina sisa eto Jerosalema izay tavela eto amin’ity tany ity,+ ary ireo mipetraka any Ejipta.+  Hataoko mangovitra ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita ny manjo azy ireo. Hataoko mahita loza koa izy ireo any amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany,+ ka holatsaina sy ho lasa teny fanarabiana sy ho teny fanesoana+ ary ho fanozonana+ any amin’ny toerana rehetra hanaparitahako azy.+ 10  Handefasako sabatra+ sy mosary+ ary areti-mandringana+ izy ireo hamely azy, mandra-paharipany tanteraka tsy ho eo amin’ilay tany nomeko azy sy ny razany.’”+

Fanamarihana