Jeremia 26:1-24
26 Izao no teny tonga avy tamin’i Jehovah, teo am-piandohan’ny fanjakan’i Joiakima+ zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:
2 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Mitsangàna eo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah.+ Ho avy hiankohoka ao an-tranon’i Jehovah mantsy ny mponin’ny tanàna rehetran’ny Joda, ka lazao aminy ny teny rehetra asaiko holazainao.+ Aza misy anesorana na iray aza.+
3 Hihaino ihany angamba izy ireo, ka samy hiala amin’ny lalan-dratsiny.+ Dia hanenenako ny loza noeritreretiko hamelezana azy ho valin’ny ratsy nataony.+
4 Ary lazao amin’izy ireo hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy manaraka ny lalàna+ nomeko anareo,+
5 sy tsy mihaino ny tenin’ny mpaminany mpanompoko izay nirahiko ho any aminareo, ary nifoha maraina mihitsy aza aho mba haniraka azy ireny, nefa tsy nihaino ianareo,+
6 dia hataoko sahala amin’ilay tao Silo ity trano ity,+ ary ity tanàna ity kosa hataoko ho fanozonana ho an’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’”’”+
7 Nandre an’i Jeremia niteny an’ireo teny ireo tao an-tranon’i Jehovah, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka manontolo.+
8 Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremia daholo ny teny nasain’i Jehovah nolazainy tamin’ny vahoaka manontolo, dia nosamborin’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka manontolo izy, ka hoy ireo: “Ho faty tokoa ianao anio!+
9 Nahoana ianao no maminany amin’ny anaran’i Jehovah hoe: ‘Ho sahala amin’i Silo+ ity trano ity, ary ity tanàna ity ho rava ka tsy hisy mponina intsony’?” Dia nitangoronan’ny olona rehetra i Jeremia tao an-tranon’i Jehovah.
10 Nahare izany teny izany ny andrianan’ny Joda avy eo, ka niakatra avy any amin’ny tranon’ny mpanjaka mba hankany amin’ny tranon’i Jehovah.+ Ary nipetraka teo amin’ny fidirana amin’ilay vavahady vaovao tamin’ny tranon’i Jehovah+ izy ireo.
11 Dia hoy ny mpisorona sy ny mpaminany tamin’ireo andriana sy ny vahoaka manontolo: “Mendrika ny homelohina ho faty+ ity lehilahy ity, satria naminany fa hisy loza hanjo an’ity tanàna ity. Ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre izany.”+
12 Dia hoy i Jeremia tamin’ny andriana rehetra sy ny vahoaka manontolo: “I Jehovah no naniraka ahy hilaza ny faminaniana rehetra renareo teo,+ momba an’ity trano ity sy ity tanàna ity.
13 Koa ahitsio ny lalanareo sy ny fanaonareo,+ ka ankatoavy ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Jehovah ny loza efa nolazainy hamelezana anareo.+
14 Ary efa eo am-pelatananareo aho izao,+ ka ataovy amiko izay hitanareo fa tsara sy mety.+
15 Saingy izao: Raha mamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro tsara fa olona tsy manan-tsiny no hovonoinareo, ka hivesatra trosan-dra ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina ato,+ satria i Jehovah mihitsy ange no naniraka ahy hilaza ny teny rehetra renareo teo e!”+
16 Dia hoy ny andriana+ sy ny vahoaka manontolo tamin’ireo mpisorona sy mpaminany: “Tsy mendrika ny homelohina ho faty ity lehilahy ity,+ satria tamin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.”+
17 Nisy anti-panahy tao amin’ilay tany koa nitsangana, ka niteny tamin’ny fiangonana manontolo hoe:+
18 “Naminany tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’ny Joda+ i Mika+ avy any Moreseta,+ ka nilaza tamin’ny mponin’i Joda rehetra hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Hasaina toy ny saha+ i Ziona ary ho lasa korontam-bato miavosa i Jerosalema.+ Ary ny tendrombohitra misy ny Tranon’Andriamanitra dia ho toy ny toerana avo any an’ala.”’+
19 Namono an’i Mika ve i Hezekia mpanjakan’ny Joda sy ny olon’i Joda rehetra tamin’izay? Tsy natahotra an’i Jehovah ve i Hezekia ary nampitony an’i Jehovah,+ ka nanenenan’i Jehovah ny loza efa nolazainy hamelezana azy ireo?+ Koa mitady loza lehibe ho an’ny tenantsika isika raha mamono an’i Jeremia.+
20 “Nisy lehilahy hafa koa naminany tamin’ny anaran’i Jehovah, dia i Oria zanak’i Semaia avy any Kiriata-jearima.+ Naminany izy fa hisy loza hanjo an’ity tanàna ity sy ity tany ity, sahala amin’izay rehetra nolazain’i Jeremia.
21 Nahare ny tenin’i Oria i Joiakima+ Mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ary ny andrianany rehetra. Koa nitady hamono azy ho faty ny mpanjaka.+ Natahotra+ i Oria raha vao nahare izany, ka nandositra nankany Ejipta.
22 Naniraka olona hankany Ejipta anefa i Joiakima Mpanjaka, ka nandefa an’i Elnatana zanak’i Akbora,+ niaraka tamin’ny lehilahy vitsivitsy.
23 Koa nalain’ireo avy tany Ejipta i Oria, ary nentiny tany amin’i Joiakima Mpanjaka, izay namono azy tamin’ny sabatra+ sy nanipy ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka.”
24 Narovan’i Ahikama+ zanak’i Safana+ koa i Jeremia, mba tsy hatolotra hovonoin’ny vahoaka.+