Jeremia 27:1-22

27  Izao no tenin’i Jehovah tonga tamin’i Jeremia, teo am-piandohan’ny fanjakan’i Joiakima* zanak’i Josia,+ mpanjakan’ny Joda:  “Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: ‘Manamboara tady sy zioga+ ka ataovy eo am-bozonao izany.+  Dia alefaso any amin’ny mpanjakan’i Edoma+ sy ny mpanjakan’i Moaba+ sy ny mpanjakan’ny taranak’i Amona+ sy ny mpanjakan’i Tyro+ ary ny mpanjakan’i Sidona+ izany, ka ampitondray an’ireo iraka izay tonga eto Jerosalema mba hihaona amin’i Zedekia mpanjakan’ny Joda.  Asaivo lazain’izy ireo amin’ny tompony hoe: “‘“Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely,+ ary izao koa no holazainareo amin’ny tomponareo:  ‘Izaho no nanao ny tany+ sy ny olombelona+ ary ny biby+ eny ambonin’ny tany, tamin’ny heriko+ lehibe sy ny sandriko nahinjitra,+ ka izay tiako homena azy no nomeko azy.+  Koa efa nomeko an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona+ sady mpanompoko,+ ireo tany rehetra ireo. Ary efa nomeko azy hatramin’ny bibidia mba hanompo azy.+  Hanompo azy+ sy ny zanany ary ny zafikeliny ny firenena rehetra, mandra-pahatongan’ny fotoana haharesy ny taniny.+ Firenena maro sy mpanjaka lehibe no hampanompo azy amin’izay.’+  “‘“‘Hosaziko amin’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana+ ny firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, sy izay tsy mety mampidina ny vozony ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona’, hoy i Jehovah, ‘mandra-pandringako azy tanteraka amin’ny alalan’i Nebokadnezara.’+  “‘“‘Aza mihaino an’ireo mpaminany+ sy mpisikidy sy mpanonofy+ sy ireo mampiasa herin’ny maizina ary ireo mpilalao ody+ eo aminareo, izay milaza hoe: “Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona ianareo!”+ 10  Maminany lainga aminareo izy mba hoentina lavitra ny taninareo ianareo. Koa haparitako ianareo, ary ho faty.+ 11  “‘“‘Fa izay firenena hampidina ny vozony ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona sy hanompo azy, dia avelako hijanona eo amin’ny taniny’, hoy i Jehovah. ‘Koa hamboly sy honina eo izy.’”’”+ 12  Nolazaiko tamin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda daholo koa izao teny+ izao: “Ampidino ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, mba ho velona ianareo.+ 13  Nahoana no ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana+ ianao sy ny vahoakanao, araka izay efa nolazain’i Jehovah tamin’ny firenena tsy manompo ny mpanjakan’i Babylona? 14  Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo hoe: ‘Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona ianareo’,+ fa lainga ny faminaniana lazainy aminareo.+ 15  “‘Fa tsy naniraka an’ireny aho’, hoy i Jehovah, ‘nefa maminany lainga amin’ny anarako izy mba hahatonga ahy hanaparitaka anareo,+ ka ho faty ianareo+ sy ny mpaminany izay maminany aminareo.’”+ 16  Izao no nolazaiko tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka manontolo: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany izay milaza aminareo hoe: “Ho tafaverina tsy ho ela avy any Babylona ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah!”+ Fa lainga ny faminaniana lazainy aminareo.+ 17  Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’i Babylona mba ho velona ianareo.+ Nahoana no ho rava ity tanàna ity?+ 18  Fa raha tena mpaminany izy ireo ary nankinina taminy tokoa ny tenin’i Jehovah, dia aoka izy ireo hiangavy amin’i Jehovah Tompon’ny tafika+ mba tsy ho lasa any Babylona koa ny fitaovana sisa tavela ao an-tranon’i Jehovah sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda ary eto Jerosalema.’ 19  “Izao mantsy no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika momba ireo andry+ sy ny ranomasina+ sy ny kalesy+ ary ny fitaovana sisa tavela ato amin’ity tanàna ity,+ 20  izay navelan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona rehefa nentiny niala teto Jerosalema i Jekonia+ zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, niaraka tamin’ny olona ambony rehetra teto Joda sy Jerosalema, ka nataony sesitany any Babylona,+ 21  fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba ny fitaovana sisa tavela ao an-tranon’i Jehovah sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda ary eto Jerosalema:+ 22  ‘“Hoentina any Babylona ireny+ ary hajanona any mandra-pahatongan’ny andro hahatsiarovako an’ireny”,+ hoy i Jehovah. “Dia hoentiko miakatra avy any ireny, ka haveriko eto amin’ity toerana ity.”’”+

Fanamarihana

Na: “Zedekia”, araka ny dikan-teny syriàka sy arabo ary sora-tanana hebreo telo.