Jeremia 29:1-32

29  Nandefa taratasy avy teto Jerosalema i Jeremia mpaminany, ho an’ny sisa amin’ireo anti-panahin’ny vahoaka natao sesitany, sy ho an’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka manontolo, izay nentin’i Nebokadnezara niala teto Jerosalema, ka nataony sesitany any Babylona.+  Tamin’izay dia efa tsy teto Jerosalema intsony i Jekonia+ Mpanjaka sy ny andriambavy+ sy ny tandapa, mbamin’ny andrianan’i Joda sy Jerosalema+ sy ireo mpanao asa tanana ary ireo mpanorina manda fiarovana.+  Ary nampitondraina an’i Elasa zanak’i Safana+ sy Gemaria zanak’i Hilkia ilay taratasy, satria nirahin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda ho any Babylona izy roa lahy, mba hankany amin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Izao no voalazan’ilay taratasy:  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, amin’ny olona rehetra nalefako sesitany+ avy tao Jerosalema ho any Babylona:  ‘Manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy.+  Manambadia ka miteraha zazalahy sy zazavavy.+ Akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka zazalahy sy zazavavy. Ary aoka hihabetsaka ianareo fa tsy hihavitsy.  Dia katsaho izay hampiadana an’ilay tanàna nandefasako sesitany anareo. Mivavaha amin’i Jehovah ho an’ilay tanàna, satria raha miadana io dia hiadana koa ianareo.+  Izao mantsy no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Aza avela hamitaka anareo ny mpaminany sy ny mpisikidy eo aminareo.+ Ary aza mihaino ny nofiny, izay tantarainy aminareo.+  Fa ‘maminany lainga aminareo amin’ny anarako izy, nefa tsy naniraka azy aho’,+ hoy i Jehovah.”’” 10  “Fa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hitsinjo anareo aho rehefa tapitra ny fitopolo taona nijanonanareo tany Babylona,+ dia hotanterahiko aminareo ny fampanantenako, ka haveriko eto amin’ity toerana ity ianareo.’+ 11  “‘Fa fantatro tsara ny zavatra efa noeritreretiko hatao aminareo’,+ hoy i Jehovah. ‘Mieritreritra ny hanome anareo fiadanana aho fa tsy loza,+ mba hahatonga anareo hanana ny hoavinareo sy hanana fanantenana.+ 12  Dia hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, ary hihaino anareo aho.’+ 13  “‘Hitady ahy tokoa ianareo ka hahita ahy,+ satria hitady ahy amin’ny fonareo manontolo ianareo.+ 14  Ary hataoko izay hahitanareo ahy’,+ hoy i Jehovah, ‘ka hangoniko daholo izay babo eo aminareo ary hovoriko avy any amin’ny firenena rehetra sy ny toerana rehetra nanaparitahako anareo ianareo’,+ hoy i Jehovah. ‘Dia haveriko any amin’ilay toerana nialanareo ianareo, na dia nalefako sesitany aza.’+ 15  “Hoy anefa ianareo: ‘Nanendry mpaminany ho anay atỳ Babylona i Jehovah.’ 16  “Fa izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy amin’ny mponina rehetra ato amin’ity tanàna ity, dia ireo rahalahinareo tsy natao sesitany+ niaraka taminareo: 17  ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Handefasako sabatra+ sy mosary+ ary areti-mandringana+ izy ireo hamely azy, ary hataoko toy ny aviavy lo tsy azo hanina fa ratsy loatra.”’+ 18  “‘Dia henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ireo. Hataoko mangovitra ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita an’izay hanjo azy.+ Hataoko fanozonana sy higagam-bahoaka ary hampisioka olona izy ireo, ka holatsaina any amin’ny firenena rehetra hanaparitahako azy.+ 19  Tsy nohenoin’izy ireo mantsy ny teniko izay nampitondraiko an’ireo mpaminany mpanompoko’, hoy i Jehovah. ‘Nifoha maraina mihitsy aho mba haniraka azy ireny.’+ “‘Tsy nihaino anefa ianareo’,+ hoy i Jehovah. 20  “Henoy kosa ny tenin’i Jehovah, ry vahoaka natao sesitany,+ izay nalefako avy teto Jerosalema mba ho any Babylona.+ 21  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, momba an’i Ahaba zanak’i Kolaia sy momba an’i Zedekia zanak’i Mahaseia, izay samy maminany lainga amin’ny anarako:+ ‘Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona izy roa lahy, ka hovonoiny eo imasonareo.+ 22  Koa hanonona azy roa lahy ny olon’i Joda rehetra natao sesitany any Babylona rehefa manozona, ka hanao hoe: “Enga anie ianao ka hataon’i Jehovah hoatran’i Zedekia sy Ahaba,+ izay nodoran’ny mpanjakan’i Babylona tao anaty afo!”+ 23  Nanao hadalana teo amin’ny Israely+ mantsy izy roa lahy. Nanitsakitsa-bady izy ireo ka naka vadin’olona+ ary naminany lainga tamin’ny anarako rehefa nilaza zavatra tsy nandidiako azy.+ “‘“Izaho no mahalala izany sy vavolombelon’izany”,+ hoy i Jehovah.’” 24  “Ary izao no holazainao amin’i Semaia+ avy any Nehelama: 25  ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Noho ianao nandefa taratasy tamin’ny anaranao,+ ho an’ny olona rehetra eto Jerosalema sy ho an’i Zefania+ mpisorona zanak’i Mahaseia ary ho an’ny mpisorona rehetra, nanao hoe: 26  ‘Efa notendren’i Jehovah ho mpisorona hisolo an’i Joiada mpisorona ianao, mba ho mpiandraikitra ambony ao an-tranon’i Jehovah,+ ka hisambotra an’izay olona toy ny adala+ sy manao hoatran’ny mpaminany, ary hangeja azy amin’ny boloky hazo sy ny gadra hazo.+ 27  Koa nahoana ianao no tsy niteny mafy an’i Jeremia avy any Anatota+ izay manao hoatran’ny mpaminany eo aminareo?+ 28  Nandefa taratasy tatỳ aminay atỳ Babylona mantsy izy, hilaza hoe: “Mbola haharitra ela izy ity! Koa manorena trano ka mipetraha ao. Manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy,+ ...”’”’” 29  Dia novakin’i Zefania+ mpisorona tamin’i Jeremia mpaminany ilay taratasy. 30  Koa tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah hoe: 31  “Mandefasa taratasy any amin’ny olona rehetra any an-tsesitany,+ manao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah momba an’i Semaia avy any Nehelama: “Koa satria naminany taminareo i Semaia nefa tsy nirahiko, ka nahatonga anareo hatoky lainga,+ 32  dia izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hitodika manokana amin’i Semaia+ avy any Nehelama sy amin’ny taranany aho.’+ “‘“‘Tsy hisy amin’ny taranany honina eto amin’ity firenena ity,+ ary tsy hahita ny zava-tsoa hataoko ho an’ny oloko izy’,+ hoy i Jehovah, ‘satria fikomiana an-kitsirano tamin’i Jehovah no nambarany.’”’”+

Fanamarihana