Jeremia 31:1-40

31  “Amin’izany fotoana izany”, hoy i Jehovah, “dia ho Andriamanitry ny foko rehetran’ny Israely aho, ary izy ireo ho oloko.”+  Izao no nolazain’i Jehovah: “Rehefa nankany amin’ilay tany nialany sasatra+ ny Israely, dia nahazo sitraka tany an-tany efitra+ ireo olona tsy matin-tsabatra.”  Niseho tamiko avy lavitra i Jehovah, ka nilaza hoe: “Fitiavana mandritra ny fotoana tsy voafetra no itiavako anao.+ Izany no antony nisarihako anao, ka ny hatsaram-panahiko feno fitiavana no nentiko nanintonana anao.+  Haoriko indray anefa ianao ka ho voaorina,+ ry Israely virjiny ô! Mbola hitondra ny ampongatapakao indray ianao, ka hivoaka handihy sahala amin’ny olona mifaly.+  Ary mbola hanao tanimboaloboka eny an-tendrombohitr’i Samaria ianao.+ Hamboly ny mpamboly ka hanomboka hihinana ny vokatra.+  Fa ho avy ny andro hiantsoantsoan’ny mpiambina eny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima hoe: ‘Mitsangàna, andao hiakatra any Ziona, any amin’i Jehovah Andriamanitsika!’”+  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Hobio amim-pifaliana i Jakoba, ary mihorakoraha eo alohan’ireo firenena.+ Ambarao izany!+ Dia manaova fiderana, ary milazà hoe: ‘Jehovah ô, mba vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’ny Israely!’+  Hoentiko avy any amin’ilay tany any avaratra izy ireo,+ ka hangoniko avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.+ Ho eo daholo na ny jamba na ny malemy tongotra na ny vehivavy bevohoka na ny efa mihetsi-jaza.+ Fiangonana lehibe izy ireo rehefa hiverina eto.+  Hiverina amin-dranomaso izy ireo,+ ary hitalaho famindram-po rehefa entiko. Hampandehaniko eny amin’ny lohasaha falehan-driaka misy rano izy ireo,+ sy eny amin’ny lalana tsara tsy hahatafintohina azy. Fa ho Rain’ny+ Israely aho, ary i Efraima kosa ho lahimatoako.”+ 10  Henoy ny tenin’i Jehovah, ry firenena, ary ambarao any amin’ireo nosy lavitra izany,+ ka lazao hoe: “Ilay nampiely ny Israely ihany no hanangona azy,+ ka hikarakara azy toy ny mpiandry ondry mikarakara ny andian’ondriny.+ 11  Fa hanavotra an’i Jakoba i Jehovah,+ ka hanafaka azy avy eo am-pelatanan’ilay mahery noho izy.+ 12  Dia ho avy tokoa izy ireo ka hihoby eny amin’ny havoanan’i Ziona.+ Ary ho miramirana izy ireo noho ny hatsaran-toetran’i Jehovah+ sy noho ny varimbazaha sy ny divay+ vaovao sy ny menaka sy ny zanaky ny ondry aman’osy ary ny zanak’omby.+ Ho toy ny tanimboly azon-drano tsara+ izy ireo, ka tsy ho osa intsony.”+ 13  “Amin’izany fotoana izany, dia hifaly sy handihy ny virjiny, ary hanao toy izany daholo koa ny tovolahy sy ny lahiantitra.+ Hovako ho fifaliana ny fahoriany, ary hampiononiko izy ireo. Hampifaliko izy ireo mba ho afaka ny alahelony.+ 14  Hataoko manaram-po amin-javatra matavy ny mpisorona,+ ary ny oloko hataoko vokin’ny hatsaran-toetrako”,+ hoy i Jehovah. 15  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Misy feo re any Rama,+ dia fitomaniana sy fidradradradrana.+ Mitomany an’ireo zanany+ mantsy i Rahely,+ ary tsy mety hampiononina izy,+ satria tsy eo intsony ireny.’”+ 16  Izao no nolazain’i Jehovah: “‘Aza midradradradra intsony ary aza mandrotsaka ranomaso,+ fa hovalian-tsoa izay nataonao’, hoy i Jehovah, ‘ka hiverina avy any amin’ny tanin’ny fahavalo tokoa ireny.’+ 17  “‘Misy fanantenana+ ny hoavinao’, hoy i Jehovah, ‘ka hiverina tokoa ao amin’ny faritra nisy azy ny zanakao.’”+ 18  “Reko tokoa i Efraima nitaraina+ hoe: ‘Nanitsy ahy toy ny fanitsy zanak’omby mbola tsy nofolahina+ ianao, mba hahazoako fanitsiana.+ Ampio hiverina aminao aho, dia hiverina avy hatrany.+ Fa ianao no Jehovah Andriamanitro.+ 19  Niverina taminao aho ka nanenina noho ny ratsy vitako.+ Rehefa nampahafantarina ahy izany, dia nokapohiko ny feko satria nalahelo aho.+ Menatra sy afa-baraka koa aho,+ satria nitondra latsa aho noho izay nataoko fony fahazaza.’”+ 20  “Tsy zanaka tena tiako ve i Efraima, ary zanaka mamin’ny foko?+ Fa toy ny hamafin’ny nanamelohako azy ihany no hahatsiarovako azy.+ Koa mangotikotika ny tsinaiko noho ny aminy,+ ka tena hiantra azy aho”,+ hoy i Jehovah. 21  “Manangàna marika famantaran-dalana ho anao, ary mametraha takelaka manondro lalana.+ Diniho tsara ny lalambe hizoranao, dia ilay lalana tokony halehanao.+ Ary miverena, ry Israely virjiny ô! Miverena any amin’ireo tanànanao.+ 22  Mandra-pahoviana ianao no mbola hivily etsy sy eroa,+ ry zanakavavy mpivadika?+ Fa namorona zava-baovao eto an-tany i Jehovah, dia vehivavy iray hihodinkodina eo amin’ny lehilahy tomady mba hahazoana ny fony.” 23  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Rehefa hanangona an’ireo babo aho, dia mbola hisy hiteny ao Joda sy ao amin’ireo tanànany hoe: ‘Hotahin’i Jehovah anie ianao,+ ry fonenana marina+ sy tendrombohitra masina+ ô!’ 24  Honina ao daholo ny mponin’i Joda sy ny olona ao amin’ny tanànany rehetra, anisan’izany ny tantsaha sy ireo mpiompy miara-dia amin’ny andiam-bibiny.+ 25  Hamelombelona ny reraka aho, ary hataoko voky izay rehetra reraky ny hanoanana.”+ 26  Tamin’izay dia nifoha aho, ka nijery. Mamy tamiko ny torimasoko! 27  “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hamafazako voa eo amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, ka olombelona sy biby fiompy no toy ny voa hafafiko.”+ 28  “Nanara-maso azy ireo aho,+ ary vonona hanongotra sy handrodana sy handrava sy handringana ary hanimba azy.+ Fa hanara-maso azy ireo sahala amin’izany koa aho izao, ary vonona hanorina sy hamboly azy”,+ hoy i Jehovah. 29  “Amin’izany andro izany, dia tsy hisy hiteny intsony hoe: ‘Ny ray no nihinana voaloboka manta, nefa ny nifin’ny zanany no madilo.’+ 30  Fa samy ho fatin’ny fahadisoany ihany ny tsirairay.+ Izay mihinana voaloboka manta no hadilo nify.” 31  “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hanaovako fifanekena vaovao+ amin’ny taranak’Israely+ sy ny taranak’i Joda.+ 32  Tsy toy ilay fifanekena nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta+ anefa izany. ‘Nivadika tamin’iny fifanekena nataoko iny mantsy izy ireo,+ na dia izaho aza no vadiny sy tompony’,+ hoy i Jehovah.” 33  “Fa izao no fifanekena+ hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany”,+ hoy i Jehovah: “Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko,+ sady hosoratako ao am-pony.+ Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho oloko.”+ 34  “Samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny intsony izy ireo+ hoe: ‘Mahalalà an’i Jehovah!’+ Fa hahalala ahy izy rehetra, manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra”,+ hoy i Jehovah. “Fa havelako ny fahadisoany, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.”+ 35  Izao no nolazain’i Jehovah, dia Ilay manome ny masoandro mba hanazava amin’ny andro,+ sy manome lalàna+ mifehy ny volana+ sy ny kintana mba hanazava amin’ny alina,+ Ilay mampisamboaravoara ny ranomasina mba hampidoboka ny onjany,+ Ilay antsoina hoe Jehovah Tompon’ny tafika:+ 36  “‘Raha azo foanana tsy ho eo anatrehako ireny lalàna ireny’,+ hoy i Jehovah, ‘dia ho azo foanana tsy ho firenena eo anatrehako mandrakariva koa ny taranak’Israely.’”+ 37  Izao no nolazain’i Jehovah: “‘Raha azo refesina ny lanitra ambony, ary azo karohina ny fototry ny tany,+ dia ho azoko lavina koa ny taranak’Israely manontolo, noho izay rehetra nataon’izy ireo’,+ hoy i Jehovah.” 38  “Ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hanorenana indray ny tanàna+ ho an’i Jehovah, manomboka eo amin’ny Tilikambon’i Hananela+ ka hatrany amin’ny Vavahady An-jorony.+ 39  Mbola hohenjanina hatrany amin’ny havoanan’i Gareba ny tady fandrefesana,+ ary hihodina mandra-pahatonga any Goa. 40  Ho masina eo anatrehan’i Jehovah+ ny faritra rehetra misy ny lemaka iva fanariana faty+ sy lavenona feno menaka,+ mbamin’ny tanimboly mikitohatohatra rehetra hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona,+ ary hatrany amin’ny zoron’ny Vavahadin-tsoavaly,+ manandrify ny fiposahan’ny masoandro. Tsy hongotana izany, ary tsy horavana intsony mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+

Fanamarihana