Jeremia 32:1-44

32  Tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah, tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia mpanjakan’ny Joda,+ izany hoe tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Nebokadrezara.+  Teo am-panaovana fahirano an’i Jerosalema ny tafiky ny mpanjakan’i Babylona tamin’izany fotoana izany,+ fa i Jeremia mpaminany kosa nogadraina tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina,+ izay teo amin’ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda.  Nogadrain’i Zedekia mpanjakan’ny Joda mantsy izy.+ Ary hoy i Zedekia taminy: “Nahoana ianao no maminany+ hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity ka ho azony.+  Ary tsy ho afa-mandositra an’ireo Kaldeanina i Zedekia mpanjakan’ny Joda, fa hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona, ka hiresaka mivantana aminy sy hifanatri-maso aminy.”’+  ‘Hoentiny any Babylona i Zedekia, ka hijanona any mandra-pahatongan’ny fotoana hitsinjovako azy’,+ hoy i Jehovah. ‘Tsy ho resinareo ny Kaldeanina, na dia hiady aminy foana aza ianareo’?”+  Ary hoy i Jeremia: “Tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  ‘Ho avy atỳ aminao i Hanamela zanak’i Saloma rahalahin-drainao, hiteny hoe: “Vidio ho anao ilay sahako ao Anatota,+ satria ianao no manan-jo hanavotra sy hividy azy.”’”+  Taorian’izany, dia tonga tokoa i Hanamela zanaky ny rahalahin-draiko, araka ny tenin’i Jehovah, ka nankao amiko tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina.+ Ary hoy izy tamiko: “Mba vidio, azafady, ilay sahako ao Anatota,+ any amin’ny tanin’i Benjamina,+ fa ianao no manan-jo handova, ary ianao koa no manan-jo hanavotra azy. Vidio ho anao ilay izy.” Dia fantatro fa izay ilay tenin’i Jehovah.+  Koa novidiko tamin’i Hanamela+ zanaky ny rahalahin-draiko ilay saha tao Anatota.+ Nolanjaiko ny vola homena azy,+ dia sekely fito sy farantsa volafotsy folo. 10  Dia nanao taratasy fifanekena+ sy nanisy tombo-kase+ an’ilay izy aho, ary naka vavolombelona,+ ka nandanja+ ny vola tamin’ny mizana. 11  Avy eo, dia nalaiko ilay taratasy fifampivarotana, izany hoe ilay nasiana tombo-kase araka ny didy sy ny lalàna,+ sy ilay iray navela hisokatra. 12  Dia nomeko an’i Baroka+ zanak’i Neria,+ zanak’i Mahaseia, ilay taratasy fifampivarotana, eny, nomeko azy teo anatrehan’i Hanamela zanaky ny rahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ireo vavolombelona nanoratra tao amin’ilay taratasy,+ ary teo anatrehan’ny Jiosy rehetra nipetraka teo amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina.+ 13  Dia hoy aho tamin’i Baroka teo anatrehan’ireo: 14  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Raiso ireto taratasy fifanekena ireto, dia ilay taratasy fifampivarotana nasiana tombo-kase sy ilay navela hisokatra,+ ka ataovy ao anaty vilany tany mba haharitra andro maro.’ 15  Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina eto amin’ity tany ity.’”+ 16  Rehefa avy nomeko an’i Baroka+ zanak’i Neria+ ilay taratasy fifampivarotana, dia nivavaka+ tamin’i Jehovah aho hoe: 17  “Indrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony ô!+ Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao+ lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.+ Tsy misy zava-mahagaga tsy vitanao.+ 18  Ianao no maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’olona an’arivony,+ sy mamaly ny fahadisoan’ny ray ho eo an-tratran’ny zanany mandimby azy.+ Ianao no tena Andriamanitra, Ilay lehibe+ sy mahery.+ Jehovah Tompon’ny tafika+ no anaranao.+ 19  Manana fikasana+ lehibe ianao, ary maro ny asa vitanao.+ Mibanjina an’izay rehetra ataon’ny zanak’olombelona ny masonao,+ mba hamalianao ny tsirairay araka izay ataony sy araka ny vokatry ny asany.+ 20  Ianao no nanao famantarana sy fahagagana tany Ejipta mandraka androany. Nanao toy izany koa ianao teto amin’ny Israely sy teo amin’ny olona,+ mba hampahalaza ny anaranao, toy ny amin’izao andro izao.+ 21  Ianao no namoaka ny Israely olonao avy tany Ejipta,+ tamin’ny alalan’ny famantarana sy fahagagana+ sy tanana mahery sy sandry nahinjitra, ary tamin-javatra tena nampahatahotra.+ 22  “Tatỳ aoriana, dia nomenao azy ireo ity tany ity. Efa nianiana tamin’ny razany mantsy ianao fa hanome azy+ tany tondra-dronono sy tantely.+ 23  Dia niditra teto amin’ity tany ity izy ireo ka naka azy.+ Tsy nankatò ny teninao anefa izy ireo sady tsy nanaraka ny lalànao.+ Tsy nanao izay rehetra nandidianao koa izy ireo,+ ka nataonao nihatra taminy izao loza rehetra izao.+ 24  Nanorina tovon-tany*+ hanaovana fahirano ny tanàna ny fahavalo mba hamaboana azy.+ Hatolotra eo an-tanan’ireo Kaldeanina miady aminy ny tanàna,+ noho ny loza ateraky ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana.+ Koa tanteraka tokoa izay nolazainao, ary hitanao mihitsy izany.+ 25  Izao anefa no teninao tamiko, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô: ‘Vidio ho anao ilay saha ary aloavy ny vola,+ ka makà vavolombelona.’+ Hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina anefa ange ity tanàna ity e!”+ 26  Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah hoe: 27  “Izaho no Jehovah Andriamanitry ny nofo rehetra.+ Misy zava-mahagaga tsy vitako ve?+ 28  Koa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hatolotro eo an-tanan’ny Kaldeanina sy eo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity, ka ho azony.+ 29  Hiditra ato amin’ity tanàna ity ny Kaldeanina mpanafika azy, ka handrehitra sy handoro azy.+ Hodorany koa ny trano izay nanolorana fanatitra teny an-tampony, izany hoe nanolorana setroka ho sorona ho an’i Bala, sady nandrarahana fanatitra zava-pisotro ho an’andriamani-kafa mba hampahatezitra ahy.’+ 30  “‘Fa nanao izay ratsy teo imasoko efa hatramin’ny fahazazany ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.+ Ary mbola mampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tanany ihany ny taranak’i Israely’,+ hoy i Jehovah. 31  ‘Tsy nanao afa-tsy ny nampahatezitra sy nampahavinitra ahy ity tanàna ity,+ hatramin’ny andro nanorenana azy ka hatramin’izao. Koa hesoriko tsy ho eo anatrehako izy,+ 32  noho ny ratsy rehetra nataon’ny taranak’Israely+ sy ny taranak’i Joda+ mba hampahatezitra ahy.+ Nanao izany ratsy rehetra izany mantsy izy ireo sy ny mpanjakany+ sy ny andrianany+ sy ny mpisorony+ sy ny mpaminaniny+ sy ny olon’i Joda ary ny mponin’i Jerosalema. 33  Nomeny lamosina foana aho, fa tsy natrehiny.+ Tsy nisy nihaino na nandray anatra izy ireo, na dia nampianatra azy aza aho, ary nifoha maraina mihitsy mba hampianatra azy.+ 34  Nataony tao amin’ilay trano niantsoana ny anarako ireo zava-maharikoriko notompoiny, mba handotoana ny tranoko.+ 35  Nanorina an’ireo toerana avo ho an’i Bala,+ ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ koa izy ireo mba handoroana* ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo,+ ho an’i Moleka.+ Tsy nandidy azy hanao izany anefa aho+ ary tsy tao an-tsaiko* akory aza ny hanao izany zava-maharikoriko izany.+ Nanao izany izy ireo mba hahatonga ny Joda hanota.’+ 36  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba ity tanàna ity, izay nolazainareo hoe hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona, ka ho tratran’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana:+ 37  ‘Hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy izy ireo. Tezitra sy vinitra ary nisafoaka+ tokoa aho rehefa nanaparitaka azy. Hampodiko eto amin’ity toerana ity ihany anefa izy ireo, ka hataoko monina tsy manana ahiahy.+ 38  Dia ho oloko izy ireo,+ ary izaho ho Andriamaniny.+ 39  Fo iray no homeko azy ireo,+ ary lalana iray no hasaiko harahiny, mba hatahorany ahy foana. Amin’izay dia hahita soa izy sy ny zanany mandimby azy.+ 40  Hanao fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra amin’izy ireo aho,+ ka tsy handao azy mba hanasoavako azy.+ Dia hataoko ao am-pony ny fahatahorana ahy mba tsy hialany amiko.+ 41  Hahafaly ahy ny hanasoa azy,+ ka hamboleko marina tokoa eto amin’ity tany+ ity izy ireo, ary hataoko amin’ny foko manontolo sy ny heriko* manontolo izany.’” 42  “Fa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Sahala amin’ny nitondrako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ity vahoaka ity no hanatanterahako amin’izy ireo ny zava-tsoa rehetra nolazaiko momba azy.+ 43  Hisy hividy saha tokoa eto amin’ity tany+ ity, na dia hilaza momba azy ity aza ianareo hoe: “Tany lao+ tsy misy olona na biby fiompy ity, sady efa natolotra teo an-tanan’ny Kaldeanina.”’+ 44  “‘Hividy saha amin’ny volany ny olona, ary hanao taratasy fifanekena,+ izay hasiany tombo-kase sy hakany vavolombelona,+ eo amin’ny tanin’i Benjamina+ sy eo amin’ny manodidina an’i Jerosalema+ sy ao amin’ny tanànan’i Joda+ sy ny tanàna eny amin’ny faritra be tendrombohitra sy ny tanàna eny amin’ny faritra iva+ ary ny tanàna any atsimo.+ Hampodiko mantsy ireo babo’,+ hoy i Jehovah.”

Fanamarihana

Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.
A.b.t.: “hampandalovana.”
A.b.t.: “am-poko.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.