Jeremia 38:1-28

38  Ary ren’i Sefatia zanak’i Matana, sy Gedalia zanak’i Pasora, sy Jokala+ zanak’i Selemia, ary Pasora zanak’i Malkia+ ny teny nolazain’i Jeremia tamin’ny vahoaka+ manontolo, nanao hoe:  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Izay mijanona ato amin’ity tanàna ity no ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana.+ Fa izay mivoaka ho eny amin’ny Kaldeanina kosa no tsy ho faty, fa ny ainy no ho babony ka ho velona izy.’+  Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hatolotra eo an-tanan’ny tafiky ny mpanjakan’i Babylona tokoa ity tanàna ity ka ho azony.’”+  Ary hoy ireo andriana tamin’ny mpanjaka: “Aoka hovonoina ho faty iny lehilahy iny,+ fa mampiraviravy tanana an’ireo lehilahy mpiady sisa ato an-tanàna sy ny vahoaka manontolo, noho ny nitenenany+ izany taminy. Tsy mitady izay hiadanan’ity firenena ity iny lehilahy iny fa maniry loza kosa.”  Dia hoy i Zedekia Mpanjaka: “Eo am-pelatananareo izy. Tsy misy na inona na inona azon’ny mpanjaka atao ange hanakanana anareo e!”+  Koa nalain’ireo i Jeremia ka nalefany tao amin’ny lavaka fanangonan-dranon’i Malkia+ zanaky ny mpanjaka. Tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ no nisy an’io lavaka io. Dia nampidininy tamin’ny tady i Jeremia. Tsy nisy rano tao fa fotaka fotsiny, ka nanomboka nilentika tao anaty fotaka i Jeremia.+  Ary ren’i Ebeda-meleka Etiopianina,+ izay tandapa tao an-tranon’ny mpanjaka, fa nalefan’ireo tao anaty lavaka fanangonan-drano i Jeremia. Nipetraka teo amin’ny Vavahadin’i Benjamina+ ny mpanjaka tamin’izay.  Koa nivoaka avy tao an-tranon’ny mpanjaka i Ebeda-meleka ka niteny taminy hoe:  “Ry mpanjaka tompoko ô! Ratsy daholo ny zavatra nataon’ireny lehilahy ireny tamin’i Jeremia mpaminany, fa natsipiny ao amin’ny lavaka fanangonan-drano izy mba ho faty+ mosary+ ao. Tsy misy mofo intsony mantsy ato an-tanàna.” 10  Koa nanome baiko an’i Ebeda-meleka Etiopianina ny mpanjaka hoe: “Makà telopolo lahy avy eto mba ho eo ambany fiadidianao, ka ampiakaro avy ao anaty lavaka fanangonan-drano i Jeremia mpaminany dieny mbola tsy maty.”+ 11  Dia nentin’i Ebeda-meleka ireo lehilahy teo ambany fiadidiany ireo, ary nankao an-tranon’ny mpanjaka, tao ambanin’ny efitra fitehirizan-karena,+ izy. Ary naka voro-damba sy tapa-damba tonta tao izy, ka nampidininy tamin’ny tady ho ao amin’i Jeremia tao an-davaka+ izany. 12  Koa hoy i Ebeda-meleka Etiopianina tamin’i Jeremia: “Ataovy ao ambany helikao, azafady, ireny voro-damba sy tapa-damba ireny, sady ataovy eo ambanin’ny tady.” Dia nataon’i Jeremia izany.+ 13  Ary nosintonin’izy ireo tamin’ny tady i Jeremia ka nampiakariny avy tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano. Nijanona tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ i Jeremia taorian’izany. 14  Ary naniraka olona haka an’i Jeremia mpaminany i Zedekia Mpanjaka+ mba ho any aminy, ho eo amin’ny fidirana fahatelo,+ izay ao an-tranon’i Jehovah.+ Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: “Hanontany zavatra anao aho ka aza misy afenina amiko.”+ 15  Ary hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: “Tsy hovonoinao ho faty ve aho raha milaza aminao? Tsy hihaino ahy ianao na dia hanoro hevitra anao aza aho.”+ 16  Dia nianiana tamin’i Jeremia tao amin’ilay toerana miafina i Zedekia Mpanjaka hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, izay nanome aina+ antsika, dia tsy hamono anao aho ary tsy hanolotra anao eo an-tanan’ireo mifofo ny ainao.”+ 17  Ary hoy i Jeremia tamin’i Zedekia: “Izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitry ny tafika,+ Andriamanitry ny Israely:+ ‘Raha mivoaka tokoa ho eny amin’ireo andrianan’ny mpanjakan’i Babylona+ ianao, dia ho velon’aina sady tsy hodorana ity tanàna ity, ary tsy ho faty koa ianao sy ny ankohonanao.+ 18  Fa raha tsy mivoaka ho eny amin’ireo andrianan’ny mpanjakan’i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina ity tanàna ity ka hodorany,+ ary tsy ho afa-mandositra azy ireo ianao.’”+ 19  Dia hoy i Zedekia Mpanjaka tamin’i Jeremia: “Matahotra an’ireo Jiosy nitolo-batana tamin’ny Kaldeanina aho+ sao hatolotra eo am-pelatanan’ireo ka hampijalijaliny.”+ 20  Fa hoy i Jeremia: “Tsy hanolotra anao izany ry zareo! Mba ankatoavy re ny tenin’i Jehovah lazaiko aminao e! Dia hahita soa ianao+ ary ho velon’aina. 21  Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao,+ dia izao no efa nasehon’i Jehovah tamiko: 22  Hoentina hivoaka eny amin’ireo andrianan’ny mpanjakan’i Babylona+ ny vehivavy rehetra sisa tavela ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda,+ ka hilaza hoe: ‘Nofetsifetsen’ireo lehilahy tsara fihavanana taminao ianao+ ka resiny.+Nalentiny tao anaty honahona ny tongotrao, ary nomeny lamosina ianao ka nilaozany.’+ 23  Havoaka ho eny amin’ny Kaldeanina ny vady aman-janakao rehetra, ary ianao koa tsy ho afa-mandositra an’ireo+ fa ho azon’ny mpanjakan’i Babylona. Ary noho ianao no handorana an’ity tanàna ity.”+ 24  Hoy i Zedekia tamin’i Jeremia: “Aoka tsy hisy hahalala mihitsy izany zavatra izany mba tsy ho faty ianao. 25  Raha ren’ny andriana+ fa niresaka taminao aho ka tonga mba hiteny aminao ry zareo hoe: ‘Lazao aminay, azafady, izay noresahinao tamin’ny mpanjaka. Aza misy afenina aminay izany mba tsy hovonoinay ho faty ianao. Ary inona no noresahin’ny mpanjaka taminao?’, 26  dia izao avaly an-dry zareo: ‘Nitalaho famindram-po tamin’ny mpanjaka aho mba tsy hamerenany ahy any an-tranon’i Jonatana+ sao maty any aho.’” 27  Dia tonga tao amin’i Jeremia tokoa ny andriana rehetra ka nanontany azy. Koa araka izany teny rehetra nandidian’ny mpanjaka azy izany no navaliny an’ireo.+ Dia nangina ireo satria tsy nisy nandre ilay resaka tamin’ny mpanjaka. 28  Ary nijanona tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ i Jeremia mandra-pahatongan’ny andro nahazoan’ny Kaldeanina an’i Jerosalema.+ Tanteraka tokoa izany rehefa azon’izy ireo i Jerosalema.+

Fanamarihana