Jeremia 41:1-18

41  Tamin’ny volana fahafito dia tonga tany Mizpa,+ tany amin’i Gedalia zanak’i Ahikama, i Ismaela+ zanak’i Netania zanak’i Elisama,+ ary nisy folo lahy niaraka taminy.+ Tarana-mpanjaka+ sy manamboninahitry ny mpanjaka i Ismaela. Ary niara-nisakafo tany Mizpa izy ireo.+  Dia nitsangana i Ismaela zanak’i Netania sy ireo folo lahy niaraka taminy ka nasian’izy ireo tamin’ny sabatra i Gedalia zanak’i Ahikama, zanak’i Safana.+ Koa novonoin’i Ismaela ilay olona notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra ilay tany.+  Novonoiny daholo koa ireo Jiosy niaraka tamin’i Gedalia tany Mizpa, sy ireo Kaldeanina hitany tany, izany hoe ireo lehilahy mpiady.  Ny ampitson’ny namonoana an’i Gedalia, raha mbola tsy nisy nahalala mihitsy ny momba izany,+  dia nisy valopolo lahy tonga avy any Sekema+ sy Silo+ ary Samaria.+ Efa noharatan’izy ireo ny volombavany,+ norovitiny ny akanjony, ary nodidididiany ny vatany.+ Nivimbina fanatitra varimbazaha sy ditin-kazo manitra+ izy ireo mba hoentiny ao an-tranon’i Jehovah.  Koa nivoaka avy tany Mizpa mba hitsena an’ireo i Ismaela zanak’i Netania, sady nitomany teny am-pandehanana.+ Raha vao nihaona tamin’ireo izy, dia niteny hoe: “Mankanesa ao amin’i Gedalia zanak’i Ahikama.”  Novonoin’i Ismaela zanak’i Netania, mbamin’ireo lehilahy niaraka taminy, anefa izy ireo raha vao tonga tao afovoan-tanàna. Dia natsipin’ireo tao anaty lavaka fanangonan-drano ny fatiny.+  Nisy folo lahy tamin’ireo anefa niteny avy hatrany tamin’i Ismaela hoe: “Aza vonoina izahay, fa manana tahirin-tsakafo nafeninay any an-tsaha, dia varimbazaha sy vary orza sy menaka ary tantely.”+ Koa tsy novonoiny indray ireo, ary tsy naripany sahala amin’ny rahalahin’izy ireo.  Lehibe ilay lavaka fanangonan-drano nanipazan’i Ismaela+ ny fatin’ireo lehilahy rehetra novonoiny. I Asa Mpanjaka no nanao an’io lavaka io rehefa norahonan’i Basa mpanjakan’ny Israely izy.+ Io ilay nofenoin’i Ismaela, zanak’i Netania, faty. 10  Dia nobaboin’i Ismaela ny vahoaka sisa rehetra tany Mizpa+ sy ireo zanakavavin’ny mpanjaka+ ary ny olona rehetra sisa tavela tany Mizpa,+ izay nankinin’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, tamin’i Gedalia zanak’i Ahikama.+ Koa nobaboin’i Ismaela zanak’i Netania ireo ka nentiny ho any amin’ny taranak’i Amona.+ 11  Taorian’izay, dia ren’i Johanana+ zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika+ rehetra niaraka taminy ny ratsy rehetra nataon’i Ismaela zanak’i Netania. 12  Koa nalain’izy ireo ny miaramila rehetra, ary niainga izy ireo mba hiady tamin’i Ismaela zanak’i Netania, ka nahita azy teo akaikin’ny rano be tao Gibeona.+ 13  Dia faly ny olona rehetra izay nentin’i Ismaela, raha vao nahita an’i Johanana zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy. 14  Koa nitodi-doha niverina ny olona rehetra nobaboin’i Ismaela avy tany Mizpa,+ ka nankeny amin’i Johanana zanak’i Karea. 15  Fa nandositra tany amin’ny taranak’i Amona kosa i Ismaela zanak’i Netania, niaraka tamin’ny olona valo lahy, ka tsy azon’i+ Johanana. 16  Nalain’i Johanana+ zanak’i Karea sy ny lehiben’ny tafika rehetra ny vahoaka sisa rehetra avy tany Mizpa, izay nafahany avy teo am-pelatanan’i Ismaela zanak’i Netania, taorian’ny namonoan’i Ismaela an’i Gedalia+ zanak’i Ahikama. Ireto avy no nentin’izy ireo niverina avy tany Gibeona: Lehilahy tomady, sy lehilahy mpiady, sy ny vadin’izy ireo, sy ankizy madinika, ary tandapa. 17  Dia nandeha izy ireo ka nijanona teo amin’ny toeram-pilasian’i Kimama, teo akaikin’i Betlehema,+ mba hanohy ny diany hankany Ejipta,+ 18  satria nanahy ny amin’izay hataon’ny Kaldeanina+ izy ireo. Natahoran’izy ireo mantsy ny Kaldeanina+ satria novonoin’i Ismaela zanak’i Netania i Gedalia zanak’i Ahikama,+ izay notendren’ny mpanjakan’i Babylona hitondra ilay tany.+

Fanamarihana