Jeremia 42:1-22
42 Nanatona an’i Jeremia ny lehiben’ny tafika rehetra, sy Johanana+ zanak’i Karea, sy Jazania+ zanak’i Hosaia,+ ary ny vahoaka manontolo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
2 Dia hoy izy ireo tamin’i Jeremia mpaminany: “Mba henoy re ny fitalahoanay e! Koa mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitrao+ ho anay sisa rehetra eto, satria na maro aza izahay taloha dia vitsy sisa,+ araka izao hitanao izao.
3 Ary i Jehovah Andriamanitrao anie hilaza aminay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay!”+
4 Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’ireo: “Eny àry fa efa re izay! Hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitrareo aho araka izany teninareo izany.+ Ary holazaiko aminareo daholo izay teny havalin’i Jehovah anareo.+ Tsy hisy teny hafeniko aminareo, na iray aza.”+
5 Ary namaly an’i Jeremia ireo hoe: “Aoka i Jehovah no ho vavolombelona marina sy mendri-pitokisana hiampanga anay,+ raha tsy arahinay an-tsakany sy an-davany ny teny rehetra asain’i Jehovah Andriamanitrao holazainao aminay.+
6 Naniraka anao ho any amin’i Jehovah Andriamanitsika izahay, ka hankatoavinay ny teniny, na soa izany na ratsy. Amin’izay, dia hahita soa izahay satria mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitsika.”+
7 Dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’i Jehovah,+ rehefa afaka folo andro.
8 Koa nantsoin’i Jeremia i Johanana zanak’i Karea, sy ny lehiben’ny tafika rehetra niaraka taminy, ary ny vahoaka manontolo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.+
9 Dia hoy izy tamin’ireo: “Naniraka ahy ianareo mba hitalaho amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ho anareo,+ ka izao no nolazainy:
10 ‘Raha hijanona eto amin’ity tany ity tokoa ianareo,+ dia haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako.+ Fa hanenenako ny loza efa nataoko taminareo.+
11 Aza atahorana ny mpanjakan’i Babylona, izay maharaiki-tahotra anareo.’+
“‘Aza matahotra azy’,+ hoy i Jehovah, ‘fa momba anareo aho, mba hamonjy sy hanafaka anareo tsy ho azon’ny tanany.+
12 Hataoko izay hamindrany fo aminareo, ka hamindra fo aminareo tokoa izy, dia hampody anareo eto amin’ny taninareo.+
13 “‘Fa raha hoy kosa ianareo: “Tsia! Tsy hijanona eto amin’ity tany ity izahay!”, ka tsy mankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,+
14 fa manao hoe: “Tsia! Ho any Ejipta ihany izahay,+ fa tsy hahita ady izahay rehefa any sady tsy handre feon’anjombona, ary tsy ho ory sakafo. Koa any izahay no hipetraka.”+
15 Henoy àry ankehitriny ny tenin’i Jehovah, ry sisa tavela amin’ny Joda! Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Raha mbola mikiry ho any Ejipta ihany ianareo, ka hipetraka any,+
16 dia hahatratra anareo any Ejipta ny sabatra izay maharaiki-tahotra anareo,+ ary hanaraka akaiky anareo any ny mosary izay atahoranareo,+ ka any no hahafatesanareo.+
17 Koa izay rehetra mikiry ho any Ejipta mba hipetraka any no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.+ Tsy hisy hiangana izy ireo ary tsy hisy ho afa-mandositra, satria hahatonga loza amin’izy ireo aho.”’+
18 “Fa hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Toy ny nanamparako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema,+ no hanamparako ny fahatezerako aminareo raha mankany Ejipta ianareo. Ho olom-boaozona sy higagan’ny olona ianareo ary ho voaozona sy holatsaina.+ Tsy hahita ity toerana ity intsony koa ianareo.’+
19 “Efa nanameloka anareo i Jehovah, ry sisa tavela amin’ny Joda! Aza mankany Ejipta.+ Fantaro tsara fa mijoro ho vavolombelona hiampanga anareo aho androany,+
20 ary nanao fahadisoana tamin’ny tenanareo ihany ianareo,+ satria ianareo ihany no naniraka ahy ho any amin’i Jehovah Andriamanitrareo, ka nilaza hoe: ‘Mivavaha amin’i Jehovah Andriamanitsika ho anay. Ary lazao aminay izay rehetra ambaran’i Jehovah Andriamanitsika, fa izany tokoa no hataonay.’+
21 Efa nilaza taminareo aho androany, nefa tsy hankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo mihitsy ianareo na hanao izay nasainy nolazaiko taminareo.+
22 Koa fantaro tsara ankehitriny fa ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, any amin’ilay toerana tianareo honenana.”+