Jeremia 44:1-30
44 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia, ho an’ny Jiosy rehetra nonina tatỳ Ejipta,+ dia ireo nonina tao Migdola+ sy Tapanesa+ sy Nofa+ ary Patrosa:+
2 “Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Efa hitanareo ny loza rehetra nataoko tamin’i Jerosalema+ sy ny tanàna rehetran’ny Joda. Rava tanteraka izy ireo ankehitriny, sady tsy misy mponina.+
3 Nanao ratsy mantsy izy ireo mba hampahatezitra ahy, satria nandeha nanolotra setroka ho sorona izy ireo+ ary nanompo andriamani-kafa, izay sady tsy fantany no tsy fantatrareo, ary tsy fantatry ny razanareo+ koa.
4 Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Nifoha maraina aho ka naniraka an’ireny+ hiteny hoe: “Aza dia manao an’izao zava-maharikoriko halako izao re ianareo e!”+
5 Tsy nihaino anefa izy ireo+ na nanongilan-tsofina, ka tsy niala tamin’ny ratsy nataony fa mbola nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa+ ihany.
6 Koa nanampatra ny fahatezerako sy ny fahavinirako aho. Dia nandoro an’ireo tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema ny fahatezerako.+ Koa rava tanteraka sy lao ireo, toy ny amin’izao andro izao.’+
7 “Ary izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Nahoana ianareo no mitady loza amin’antambo ho an’ny tenanareo,+ mba haharingana tanteraka ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny ankizy ary ny zaza minono+ ao Joda, ka tsy havelanareo hisy sisa hiangana intsony?
8 Nampahatezitra ahy mantsy ianareo noho ny asan’ny tananareo, sy noho ny nanoloranareo setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa+ atỳ Ejipta, rehefa nandeha nivahiny tatỳ ianareo, mba haharingana anareo ary hahatonga anareo ho voaozona sy holatsaina eo amin’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.+
9 Hadinonareo angaha ny ratsy nataon’ny razanareo+ sy nataon’ireo mpanjakan’ny Joda+ sy ny vadiny,+ ary ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo,+ tao Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema?
10 Ary na hatramin’izao andro izao aza dia mbola tsy manetry tena izy ireo+ na matahotra.+ Mbola tsy arahin’izy ireo koa ny lalàna+ sy fitsipika nomeko anareo sy ny razanareo.’+
11 “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Hanameloka anareo aho ka hahatonga loza aminareo ary handringana tanteraka an’i Joda.+
12 Ary halaiko ireo sisa tavela amin’ny Joda, dia ireo nikiry hankatỳ Ejipta mba hivahiny atỳ.+ Ho ripaka atỳ Ejipta+ tokoa izy rehetra. Ho lavon-tsabatra sy ho ripaky ny mosary+ izy ireo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary izy ireo, ary ho olom-boaozona sy higagan’ny olona ary ho voaozona sy holatsaina.+
13 Hataoko ampamoaka ireo mipetraka atỳ Ejipta, sahala amin’ny nanaovako ampamoaka an’izay tao Jerosalema, ka namelezako azy ireo tamin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.+
14 Dia tsy hisy ho afa-mandositra na hisy hiangana ny sisa tavela amin’ny Joda, izay nandeha nivahiny atỳ Ejipta.+ Tsy hisy hiverina any Joda izy ireo na dia maniry mafy hiverina hipetraka any aza.+ Tsy hisy hiverina any ireny, afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra.’”
15 Ary namaly an’i Jeremia ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa ny vadiny,+ ary koa ny vehivavy rehetra izay toy ny fiangonana lehibe, sy ny olona rehetra nipetraka tatỳ Ejipta,+ tao Patrosa,+ ka nanao hoe:
16 “Tsy hihaino ny teny nolazainao taminay izahay, na dia nolazainao tamin’ny anaran’i Jehovah aza izany.+
17 Izay teny rehetra efa nolazainay ihany no hotanterahinay,+ ka hanolotra setroka ho sorona ho an’ilay ‘mpanjakavavin’ny lanitra’ izahay,+ ary handraraka fanatitra zava-pisotro+ ho azy, hoatran’ny efa nataonay+ sy ny razanay+ sy ny mpanjakanay+ ary ny andriananay, tao amin’ireo tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Voky hanina sy niadana izahay tamin’izany, ary tsy nisy loza nanjo anay mihitsy.+
18 Fa hatramin’ny tsy nanoloranay setroka ho sorona ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’,+ sy tsy nandrarahanay fanatitra zava-pisotro ho azy intsony, dia tsy manana na inona na inona izahay sady ripaky ny sabatra sy ny mosary.+
19 Hoy ireo vehivavy: “Angaha moa izahay tsy efa nangataka alalana tamin’ny vadinay, rehefa nanolotra setroka ho sorona ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’,+ sy nandraraka fanatitra zava-pisotro ho azy?+ Nangataka alalana koa izahay vao nanolotra mofo ho sorona ho azy, mba hanaovanay mofo mitovy bika aminy sy handrarahanay fanatitra zava-pisotro ho azy.”+
20 Fa hoy kosa i Jeremia tamin’ny olona rehetra izay namaly azy, izany hoe tamin’ny lehilahy tomady sy ny vadiny avy ary ny olon-kafa rehetra:
21 “Nanolotra setroka ho sorona, tao amin’ireo tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema,+ ianareo+ sy ny razanareo+ sy ny mpanjakanareo+ sy ny andriananareo+ ary ny vahoaka. Tsaroan’i Jehovah izany ary mbola tsy afaka an-tsainy.+
22 Koa tsy zakan’i Jehovah intsony izany tamin’ny farany, satria zavatra ratsy sy maharikoriko no nataonareo.+ Koa rava tanteraka ny taninareo sady nigagan’ny olona sy voaozona, ka tsy misy mponina intsony, toy ny amin’izao andro izao.+
23 Tonga aminareo izao loza izao ankehitriny,+ satria nanolotra setroka ho sorona ianareo,+ ary nanota tamin’i Jehovah+ sy tsy nankatò ny tenin’i Jehovah.+ Tsy narahinareo koa ny lalàny+ sy ny fitsipiny ary ny fampahatsiahivany.”
24 Hoy ihany i Jeremia tamin’ny vahoaka manontolo sy ny vehivavy rehetra: “Henoy ny tenin’i Jehovah, ry olon’i Joda rehetra atỳ Ejipta.+
25 Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: ‘Ianareo lehilahy sy ny vadinareo+ dia samy nanatanteraka izay nambaran’ireo vehivavy hoe: “Tsy maintsy hefainay ny voady nataonay,+ dia ny hanolotra setroka ho sorona ho an’ny ‘mpanjakavavin’ny lanitra’+ sy handraraka fanatitra zava-pisotro ho azy.”+ Hefainareo vehivavy tokoa ny voady nataonareo, ary hotanterahinareo tokoa ny voadinareo.’
26 “Koa henoy ny tenin’i Jehovah, ry olon’i Joda rehetra mipetraka atỳ Ejipta:+ ‘“Mianiana amin’ny anarako be voninahitra aho”,+ hoy i Jehovah, “fa tsy hisy olon’i Joda hanonona ny anarako intsony+ eran’i Ejipta, ka hanao hoe: ‘Raha mbola velona koa i Jehovah Tompo Fara Tampony!’+
27 Hanara-maso azy ireo aho, ary vonona hahatonga loza aminy fa tsy soa,+ ka ho ripaky ny sabatra sy ny mosary ny olon’i Joda rehetra atỳ Ejipta, mandra-pahafongany.+
28 Ary izay tsy ripaky ny sabatra dia hiala eto Ejipta ka hiverina any Joda. Ho vitsy anefa izy ireo.+ Dia ho fantatry ny sisa rehetra amin’ny Joda, izay nandeha nivahiny atỳ Ejipta, hoe ny tenin’iza no marina: Ny teniko sa ny tenin’izy ireo.”’”+
29 “Hoy i Jehovah: ‘Izao no famantarana hahalalanareo+ fa hitodika manokana aminareo eto amin’ity toerana ity aho, mba hahafantaranareo fa tsy maintsy ho tanteraka aminareo ny teniko ka hahita loza ianareo:+
30 Izao no nolazain’i Jehovah: “Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy+ i Farao Hofra, mpanjakan’i Ejipta,+ sahala amin’ny nanolorako an’i Zedekia mpanjakan’ny Joda teo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona, ilay fahavalo nifofo ny ainy.”’”+