Joba 1:1-22

1  Nisy lehilahy iray atao hoe Joba+ tany amin’ny tany Oza.+ Lehilahy tsy nanan-tsiny+ izy, sady marina+ sy natahotra an’Andriamanitra+ ary nifady ny ratsy.+  Niteraka fito lahy sy telo vavy izy,+  ary nanana biby fiompy,+ dia ondry fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo ary ampondravavy dimanjato. Nanana mpanompo maro be koa izy. Izany lehilahy izany no nanan-karena indrindra tamin’ny Tatsinanana+ rehetra.  Ary nandeha ireo zanany lahy ka nanao sakafo be+ tao an-tranon’ny iray tamin’izy ireo, ary samy nanana andro iray nanaovany izany tao an-tranony izy ireo. Naniraka olona izy ireo hanasa azy telo vavy anabaviny hiara-mihinana sy hisotro aminy.  Ary rehefa nahavita ny anjara fanasany ny zanany lahy rehetra, dia nampiantso azy ireo i Joba ka nanamasina azy.+ Dia nifoha maraina izy ka nanolotra fanatitra dorana,+ araka ny isan’izy rehetra. Fa hoy izy: “Sao nanota sy nanozona+ an’Andriamanitra tao am-pony+ ny zanako.” Izany foana no fanaon’i Joba.+  Tamin’ny andro voatondro, dia samy naka ny toerany teo anatrehan’i Jehovah+ ireo zanak’Andriamanitra,*+ ary mba tonga teo amin’izy ireo+ koa i Satana.+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Avy aiza ianao?” Dia namaly an’i Jehovah i Satana hoe: “Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany+ sy nandehandeha teny aho.”+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko ve ianao fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany?+ Lehilahy tsy manan-tsiny+ izy, sady marina+ sy matahotra an’Andriamanitra+ ary mifady ny ratsy.”+  Dia namaly an’i Jehovah i Satana hoe: “Hatahotra an’Andriamanitra ve i Joba raha tsy misy tombontsoany ao?+ 10  Tsy ianao ve no niaro* azy+ sy ny tranony ary ny fananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tanany,+ ka manenika ny tany ny biby fiompiny. 11  Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho ny fananany rehetra, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao* izy.”+ 12  Dia hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Eo am-pelatananao àry ny fananany rehetra, fa izy fotsiny no aza asiana.” Dia niala teo anatrehan’i Jehovah i Satana.+ 13  Indray andro, dia nisakafo sy nisotro divay tao an-tranon’ny lahimatoa ireo zanany lahy sy zanany vavy.+ 14  Ary nisy olona tonga+ tany amin’i Joba, nilaza hoe: “Namadi-bainga ny omby+ ary niraoka ahitra teo anilany ny ampondravavy, 15  ary tamin’izay indrindra no tonga nanafika tampoka ny Sabeanina+ ka namabo azy. Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny mpanompo, ary izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.”+ 16  Ary raha mbola niteny iny, dia nisy tonga koa nilaza hoe: “Nilatsaka avy tany an-danitra+ ny afon’Andriamanitra ka nandoro ny ondry sy ny mpanompo, dia nandevona an’ireny. Ary izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.” 17  Ary raha mbola niteny koa iny, dia nisy hafa koa tonga nilaza hoe: “Nanao andiany telo ny Kaldeanina+ ka nihazakazaka nankeny amin’ny rameva, ary namabo azy. Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny mpanompo, ary izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.” 18  Ary raha mbola niteny koa iny, dia nisy hafa koa tonga nilaza hoe: “Mbola nisakafo sy nisotro divay+ tao an-tranon’ny lahimatoa ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, 19  no nisy rivotra mahery+ avy any an-tany efitra ka namely ny zoron-trano efatra. Dia nianjeran’ny trano ry zareo ka maty. Ary izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.” 20  Dia nitsangana i Joba ka norovitiny+ ny akanjony ivelany tsy misy tanany, ary notapahiny ny volon-dohany.+ Dia niankohoka+ tamin’ny tany+ izy, 21  ka nanao hoe: “Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon-dreniko,+Ary mitanjaka no hiverenako any.+I Jehovah no nanome,+ ary i Jehovah no naka.+Hisaorana hatrany anie ny anaran’i Jehovah!”+ 22  Tsy nanota i Joba tamin’izany rehetra izany, sady tsy nanome tsiny an’Andriamanitra mihitsy.+

Fanamarihana

Jereo F.F. 1G.
A.b.t.: “nanisy fefy manodidina.”
A.b.t.: “eo anatrehan’ny tavanao.”