Joba 10:1-22

10  “Tena maharikoriko ahy ny aiko!+Hamoaka ny fitarainako aho,Ary hiteny ao anatin’ny fahoriam-poko.   Hiteny amin’Andriamanitra aho hoe: ‘Aza milaza ahy ho meloka.Ampahafantaro ahy ny antony iadianao amiko.   Mahafinaritra anao ve ny manao ratsy,+Sy ny manary izay nisasaran’ny tananao,+Ary ny mankasitraka ny hevitry ny ratsy fanahy?   Mason’olombelona angaha ny masonao,+Sa tahaka ny an’ny olombelona mety maty ny fomba fijerinao?+   Tahaka ny andron’ny olombelona mety maty angaha ny andronao,+Sa tahaka ny taonan’ny lehilahy tomady ny taonanao,   No dia tadiavinao izay fahadisoako,Ary karohinao ny fahotako,+   Na dia fantatrao aza fa tsy diso aho,+Sady tsy misy mahavonjy ahy eo an-tananao?+   Ny tananao no namolavola ahy ka nanao ahy,+Eny, nanao ny tenako manontolo, nefa holevoninao aho izao.   Tsarovy ange fa tanimanga+ no nanaovanao ahy e,Ary haverinao ho vovoka indray aho.+ 10  Tsy nararakao toy ny ronono ve aho,Ary nataonao mandry toy ny fromazy?+ 11  Nampitafy ahy hoditra sy nofo ianao,Ary nandrary ahy tamin’ny taolana sy hozatra.+ 12  Nomenao aina aho, ary nanehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana.+Ny fiahianao+ no niaro ny aiko. 13  Izao zavatra izao anefa no nafeninao tao am-ponao,Ary fantatro tsara fa izany no ao an-tsainao. 14  Raha nanota aho ka narahinao maso foana,+Ary tsy navelanao ny fahadisoako,+ 15  Eny, raha diso tokoa aho, dia lozako!+Ary na marina aza ny ahy, dia tsy ho sahy hitraka aho,+Satria tototry ny fahafaham-baraka sady vontom-pahoriana.+ 16  Ary raha miandranandrana ny lohako,+ dia hihaza ahy ianao, toy ny ataon’ny liona tanora,+Ary hanao zava-mahagaga hamelezana ahy indray. 17  Hanangana vavolombelona hafa hiampanga ahy ianao,Sady vao mainka ho tezitra amiko.Fahoriana misesisesy no manjo ahy. 18  Koa nahoana aho no navoakanao avy tany am-bohoka?+Raha tsy izany dia mba efa maty aho, ka tsy nisy maso nahita ahy, 19  Ary efa toy ny tsy nisy aho,Ka avy tany am-bohoka dia namantana tany am-pasana.’ 20  Moa ve tsy efa vitsy ny androko?+ Aoka Izy handeha,Eny, aoka Izy tsy hibanjina ahy, mba ho miramirana+ kely aho 21  Alohan’ny handehanako tsy hiverina intsony,+Ho any amin’ny tany anjakan’ny haizina sy ny haizim-pito,+ 22  Eny, any amin’ny tany anjakan’ny haizina mikitroka sy ny haizim-pitoAry ny korontana. Tsy misy hazavana mamiratra mihitsy any.”

Fanamarihana