Joba 11:1-20

11  Dia namaly i Zofara Namatita+ hoe:   “Tsy hovaliana ve ny teny maro be toy izany?Ary hanana ny marina ve ny mpirehareha?   Hampangina ny olona ve ny rediredinao?Ary mbola hanaraby foana ve ianao nefa tsy hisy hananatra?+   Milaza koa ianao hoe: ‘Madio ny fampianarako,+Ary tena madio+ eo imasonao aho.’   Raha mba miteny anefa Andriamanitra,Ka miloa-bava aminao,+   Dia holazainy aminao ny tsiambaratelon’ny fahendrena,Fa maro ny zavatra raketin’ny fahendrena!Ho fantatrao koa fa tsy mitadidy ny fahadisoanao sasany Andriamanitra.+   Hahafantatra ny zava-dalin’Andriamanitra ve ianao,+Sa hahafantatra ny fetran’ny fahalehibeazan’ilay Mahery Indrindra?   Avo noho ny lanitra izany, ka hahavita inona ianao?Lalina noho ny toeran’ny maty*+ izany, ka inona no ho fantatrao?   Lehibe noho ny tany izany,Ary midadasika noho ny ranomasina. 10  Raha mandalo Izy ka misambotra olonaAry mampiantso fitsarana, dia iza no hahatohitra azy? 11  Fa fantany tsara ny olona tsy marina.+Koa tsy hanao zavatra ve izy rehefa mahita zava-dratsy? 12  Hanam-pahalalana ny olona tsy misy saina,Raha miteraka olombelona ny zebra. 13  Omano ny fonao,Ary asandrato ho amin’Andriamanitra ny tananao.+ 14  Raha misy zava-dratsy eo an-tananao, dia ario lavitra izany,Ary aza avela hisy tsy fahamarinana hitoetra ao amin’ny tranolainao. 15  Dia hitraka ianao satria tsy manan-tsiny,+Ary ho tafatoetra tsara sady tsy hatahotra. 16  Fa hohadinoinao ny fahoriana,Ary toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy. 17  Hamiratra kokoa noho ny mitataovovonana ny androm-piainanao.+Ary ho toy ny maraina ny haizina.+ 18  Dia hatoky tokoa ianao satria misy antenaina,Ary hijery manodidina, ka hatory tsy manana ahiahy.+ 19  Hitsotsotra ianao ka tsy hisy hampangovitra anao.Ary hisy olona maro hampitony anao.+ 20  Ho simba ny mason’ny ratsy fanahy.+Tsy hisy toerana handosirany,+Ary ny hiala aina* sisa no antenainy.”+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.