Joba 12:1-25
12 Ary namaly i Joba hoe:
2 “Hay, ianareo tokoa izany no tena olombelona,Ka hiara-maty aminareo ny fahendrena!+
3 Mba te hanao ny tsara+ tahaka anareo koa aho,Ary tsy ambany noho ianareo.+Fa iza moa no tsy mahalala izany zavatra lazainareo izany?
4 Manjary ataon’ny olona ho fihomehezana aho,+Ary miantso an’Andriamanitra mba hamaly ahy.+Atao ho fihomehezana ny olo-marina tsy manan-tsiny.
5 Ny olona miadana dia mihomehy ny loza, satria heveriny fa+Natao ho an’ny olona mangozohozo izany.+
6 Tsy misy manelingelina ny tranolain’ny mpandroba,+Ary izay olona mampahatezitra an’Andriamanitra dia tsy iharan-doza,Tsy misy hafa amin’izay mitondra andriamanitra eny an-tanany.+
7 Mba anontanio anefa ny biby fiompy, dia hampianatra anao izy,+Ary ny voro-manidina eny amin’ny lanitra, dia hilaza aminao izy.+
8 Diniho ny tany, dia hampianatra anao izy.+Ary hilaza izany aminao ny trondro any an-dranomasina.+
9 Iza amin’izy rehetra ireny moa no tsy mahalala tsaraFa ny tanan’i Jehovah no nanao izany?+
10 Eo an-tanany ny ain’ny+ velona rehetra,
Sy ny fofonain’ny olombelona rehetra.+
11 Tsy ny sofina ve no mamantatra teny,+Toy ny lanilany+ mamantatra tsiron-kanina?
12 Tsy manam-pahendrena ve ny be taona,+Ary tsy mahira-tsaina ve izay efa ela niainana?
13 Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery,+Ary manana ny heviny izy sady mahira-tsaina.+
14 Mandrava izy mba tsy hisy ho afaka hanorina.+Ary hidiany eo anoloan’ny olona izany mba tsy hosokafana.+
15 Sakanany ny rano dia ritra,+Ary alefany izany ka manova ny endriky ny tany.+
16 Ao aminy no misy ny tanjaka sy ny fahendrena.+Ary azy na ny olona manao fahadisoana, na ny mpampivily olona any amin’ny lalan-diso.+
17 Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpanolo-tsaina,+Ary ataony lasa adala ny mpitsara.
18 Vahany ny fatorana ataon’ireo mpanjaka,+Ary giazany fehikibo ny andilan’izy ireo.
19 Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpisorona,+Ary aongany ny efa tsara toerana.+
20 Ataony tsy manan-kalahatra ny olona mendri-pitokisana,Ary esoriny ny fahendren’ny zokiolona.
21 Ataony tototry ny latsa ny olona ambony,+Ary ataony migoragora ny fehikibon’ny mahery.
22 Aharihariny avy ao amin’ny haizina ny zava-dalina,+Ary avoakany ho eo amin’ny mazava ny haizim-pito.
23 Ataony mihamahery ireo firenena mba handringanany azy,+Ary aparitany ireny mba hitondrany azy hiala amin’ny taniny.
24 Esoriny ny fahendren’ireo lohandohany eo amin’ny vahoaka,Mba hampandehanany azy hirenireny any amin’ny tany ngazana,+ izay tsy misy lalan-kivoahana.
25 Mitsapatsapa ao anatin’ny haizina+ tsy misy hazavana izy ireo,Mba hampandehanany azy hirenireny toy ny mamo.+