Joba 13:1-28

13  “Efa hitan’ny masoko izany rehetra izany,Ary efa ren’ny sofiko ka henoiny.   Izay fantatrareo dia fantatro tsara koa,Ary tsy ambany noho ianareo aho.+   Raha mba afaka miteny amin’ilay Mahery Indrindra mantsy aho!+Eny, satriko ny hifandahatra amin’Andriamanitra.   Fa ianareo kosa dia mpanoso-potaka.+Dokotera tsy misy ilana azy daholo ianareo.+   Raha mba mangina tsy miteny mihitsy ianareo,Dia toa mba hendry ihany!+   Henoy, azafady, ny teny avaliko,+Ary henoy tsara ny teny alahatro.   Hilaza zavatra tsy marina ve ianareo mba hiarovana an’Andriamanitra,Sa hilaza fitaka mba hiarovana azy?+   Hiangaranareo ve izy?+Moa ve ianareo hiady ho an’ilay tena Andriamanitra, any amin’ny fitsarana?   Hahasoa anareo ve raha mandinika ny momba anareo izy?+Sa hambakainareo izy, toy ny fanambaka olombelona mety maty? 10  Hananatra anareo tokoa izy+Raha mitady hiangatra mangingina ianareo.+ 11  Tsy hampihorohoro anareo ve ny voninahiny,Ary tsy hatahotra azy ve ianareo?+ 12  Ny teny tsara lahatra ataonareo, dia ohabolana tsy misy ilana azy toy ny lavenona.Toy ny foitran’ampinga tanimanga ny foitran’ampinganareo.+ 13  Mangìna, aza miteny intsony eo anatrehako fa hiteny aho,Dia avelao hanjo ahy izay hanjo ahy! 14  Nahoana ny aiko no avelako hotandindomin-doza,*Ka hanao vivery ny aiko aho?*+ 15  Tsy hiandry ve aho na dia hovonoiny aza?+Na izany aza dia hifandahatra aminy aho mba hiarovako ny tenako. 16  Izy koa no mpamonjy ahy,+Fa tsy hisy mpivadi-pinoana ho tafiditra eo anatrehany.+ 17  Henoy hatramin’ny farany ny teniko,+Ary aoka ho ren’ny sofinareo izay ambarako. 18  Efa nampakatra ny adiko tany amin’ny fitsarana aho,+Ary fantatro tsara fa marina ny ahy. 19  Koa iza no hifandahatra amiko?+Fa raha mangina aho, dia ho faty tsotra izao! 20  Zavatra roa ihany no aza atao amiko.Amin’izay dia tsy hiafina anao aho.+ 21  Esory amiko ny tananao ka ampanalaviro ahy,Ary aoka tsy hampihorohoro ahy ny tahotra anao.+ 22  Antsoy aho, dia hamaly,Na avelao aho hiteny, dia ianao no hamaly ahy. 23  Fa inona moa no fahadisoako sy fahotako?Ampahafantaro ahy ny fikomiana sy ny fahotana vitako. 24  Nahoana ianao no manafina ny tavanao,+Ka mihevitra ahy ho fahavalonao?+ 25  Ravinkazo efa entin-drivotra ve dia mbola hataonao mipararetra ihany?Ary mololo efa maina ve dia mbola henjehinao ihany? 26  Fa zava-mangidy no soratanao hiampangana ahy,+Ary ampitondrainao ny vokatry ny fahadisoako tamin’ny fahatanorako aho.+ 27  Gadranao amin’ny boloky hazo koa ny tongotro,+Ary arahinao maso ny diako rehetra.Feranao izay diavin’ny tongotro. 28  Koa toy ny zavatra lo mihalevona izany lehilahy izany,+Eny, toy ny akanjo lanin’ny koroka.+

Fanamarihana

A.b.t.: “hametraka ny aiko eo am-pelatanako aho.”
A.b.t.: “nahoana aho no mitondra ny nofoko amin’ny nifiko?”