Joba 14:1-22

14  “Ny olona atera-behivavy+Dia fohy andro iainana+ sady mitebiteby lava.+   Toy ny voninkazo izy, eny, toy ny voninkazo izay mamelana nefa tapahina avy eo.+Ary mandositra toy ny aloka+ izy, ka tsy misy intsony.   Eny, nanokatra ny masonao hijery azy ianao,Ary entinao hifandahatra aminao any amin’ny fitsarana+ aho.   Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio?+Tsy misy na iray aza.   Raha voafetra ny androm-piainany,+Dia eo am-pelatananao ny isan’ny volana iainany.Efa namoaka didy momba azy ianao hoe tsy azony ihoarana izany.   Avilio tsy hibanjina azy intsony ny masonao, mba hakany aina+Mandra-pahitany fifaliana, toy ny fifalian’ny mpikarama rehefa mifarana ny andro iray.   Fa mbola misy fanantenana na ho an’ny hazo aza.Raha tapaka mantsy izy, dia mbola hitsimoka indray,+Ary tsy ho faty ny rantsany.   Raha antitra ao anaty tany ny fakany,Ary maty ao amin’ny vovoka ny fotony,   Dia hitsimoka izy raha vao mandre fofon-drano fotsiny,+Ary hamoaka rantsana toy ny zavamaniry vao mitsiry.+ 10  Maty kosa anefa ny lehilahy tomady, ary resy.Eny, miala aina ny olombelona, dia aiza intsony izy?+ 11  Manjavona miala amin’ny ranomasina ny rano,Ary ritra ny renirano ka maina.+ 12  Ny olombelona koa dia matory ary tsy mifoha.+Eny, tsy hifoha izy mandra-pahafoanan’ny lanitra,+Ary tsy ho taitra amin’ny torimasony.+ 13  Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana* mantsy ianao,+Eny, manafina ahy mandra-pitonin’ny fahatezeranao,Ary manome ahy fe-potoana,+ dia hahatsiaro ahy!+ 14  Raha maty ny lehilahy tomady, dia ho velona indray ve izy?+Hiandry aho mandritra ny andro rehetra anerena ahy hiandry,+Mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.+ 15  Hiantso ianao, dia hamaly anao aho,+Satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao. 16  Fa amin’izao aloha, dia tsy mitsahatra manisa ny diako ianao,+Ary tsy mandinika afa-tsy ny fahotako.+ 17  Ao anaty kitapo misy tombo-kase ny fikomiako,+Ary hosoranao lakaoly ny fahadisoako. 18  Na ny tendrombohitra aza anefa dia mianjera ka montsamontsana,Ary na ny vatolampy aza dia hesorina amin’ny toerany. 19  Kikisan’ny rano ny vato,Ary entin’ny riaka ny vovo-tany.Toy izany no andravanao ny fanantenan’ny olombelona mety maty. 20  Mandresy azy mandrakizay ianao dia lasa izy.+Ary manimba ny endriny ianao ka mandefa azy. 21  Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany,+Ary lasa tsinontsinona ireny, nefa tsy ahoany. 22  Harary azy ny nofony raha mbola eo aminy,Ary halahelo izy raha mbola ao aminy ny ainy.”

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.